fanofanana mba tsy hahatonga azy ho refona sy tsy hanan-kohanina any aoriana any. ¾ Misy zo tena vaovao nanampiana an'io lisitra io, dia ny zo mahakasika ny taranaka fahatelo izany. Natao izy ireo mba hanehoana fa ny zon'olombelona dia afaka mivoatra fa tsy hoe efa raikitra hatrany am-piandohana ka ty miovaova intsony. Anisan’ireny, ohatra, ny zo mikasika ny fampandrosoana, izay mikendry ny hampihena ny hantsana manasaraka ny mpanana sy ny mahantra. Ny zo momba ny tontolo iainana dia nanampiana izany mba hiantohana ireo zavaboahary iankinan'ny ain'ny olombelona, mba tsy ho simba na ho potika. Toa mahafinaritra tokoa ny fitanisana natao teo, ary azo antoka fa manontany tena ianao hoe ahoana no hatao mba hahatonga ireny zo ireny ho tena azo hampiharina, satria ny fomba filazan-javatra poakaty dia tsy hanampy antsika mihitsy. Tena marina tokoa ny voalazanao ary misy fitsipika vitsivitsy momba izany: tamin’ny taona 1945, tamin'ny alalan'ny fandrisihana nataon'ny Fanjakana vitsivitsy dia natsangana ny Firenena Mikambana. Amin'izao androntsika izao, ny ankabeazan'ny Fanjakana manerantany dia mpikambana ao amin'io andry iombonam-pirenena io. Tamin’ny taona 1948 no navoakany ny"Fanambarana iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona" izay tsy nitsahatra nivoatra hatramin'izay. Mba hitandroana ny fahombiazany dia nisy kômisiona vitsivitsy, rantsan-kômisiona sy komity najoro, toy ny"Komity misahana ny Zon'ny ankizy". Raha sendra misy Fanjakana manohintohina ny zon'olombelona, dia misy Fitsarana iraisampirenena, ao La Haye, any Pays-Bas, izay manana fahefana hamoaka famaizana amin'izay nanao izany. Fikambanana Tsy Miankina amin’ny Fanjakana, afohezina hoe FTMF na ONG na NGO, maro dia maro no manohana ny Firenena Mikambana. Ireny fikambanana ireny, amin'ny alalan'ny firotsahana antsehatr'ireo mpikatroka mavitrika eo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, dia afaka mandrafitra sy manaparitaka rapaoro mikasika ny endrika samihafa isehoan’ny fanohintohinana zo. Azon’izy ireny atao ny mandresy lahatra Fitondram-panjakana mba tsy hilefitra manoloana ny fanararaotana misy. Etsy an-daniny dia misy ihany koa fifanarahana isam-paritra maro izay ny tanjony dia ny fiarovana ny zon'olombelona. Ohatra, ny Dinan'ny Afrikanina mikasika ny zon'olombelona sy ny zon'ny vahoaka(http://www.africa-union.org/About_AU/au_in_a_nutshell.htm). Tamin'ny taona 1981 no nandaniana izany teo anivon'ny Vondron'ny firenena afrikanina, izay novana anarana ho Firaisambe Afrikanina taty aoriana. Ary amin’izany dia tsy azo odian-tsy hita ny satan'ny kolontsaina afrikanina. Mba tena hampanan-kery io fifanarahana io dia misy komity iray sy fitsarana misahana ny zon'olombelona sy ny zon'ny vahoaka natsangana eo anivon'io andry io. Tamin'ny alalan'ny fanapahan-kevitra iombonan'ireo mpikambana dia nakambana amin'ny"Fitsarana Afrikanina" ity sampam-pitsarana ity tamin'ny taona 2004. Eto Madagasikara dia misy FTMF maro sy fikambanana maro samy hafa mirotsaka eo amin'ny sehatry ny fanaraha-maso ny fanajana ny zon'olombelona. 2.2 Fifidianana Ny fifidianana dia iray amin’ireo andry vaventy iorenan’ny demôkrasia. Ny rijanteny an'ny Didy aman-dalàna momba ny fifidianana no mametra sy mamaritra mazava, na ny 6
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten