Druckschrift 
Inona no atao hoe demokrasia
Entstehung
Einzelbild herunterladen
 

Antenimierampirenena. Tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2002, ohatra, dia nampiharina ny firafi-pifidianana mifototra aminny antsa-manila na mihoatra ho an'ireo kandidà nirotsaka hofidina eny amin'ny fari-piadidiam-pifidianana izay ahitana toerana ifaninanana iray; any amin'ny fari-piadidiam-pifidianana izay manana toerana roa ifaninanana, dia ny firafi-pifidianana mifototra aminny ampaham-bato be indrindra no natao hoanny lisitry ny kandida. Tamin'ny fifidianana solombavambahoaka taminy volana septambra 2007, dia ny firafi-pifidianana mifototra aminny antsasa-manila sy ny mihotra miaraka amina lisitry ny kandidà no nampiharina tany amin'ny fari-piadidiam-pifidianana manana toerana roa, fa tany amin'ny fari-piadidiam-pifidianana tsy manana afa-tsy toerana iray, dia ny firafi-pifidianana mandany izay nahazo ny antsasa-manila miaraka amin'ireo kandidà tsy manana lisitra no nampiasana. Ny firafi-pifidianana mifototra aminny ampaham-bato be indrindra dia nampiharina ihany koa teto Madagasikara tamin'ny fifidianana solombavambahoaka taminny 1993; izany dia nahazoana nampiroborobo ny fananganana antoko, tao anatinny vanim-potoananny fanalalahana politika. Araka izay hitanao izay, dia misy endrika samihafa azo ananganana sy anatanterahana ny demôkrasia. Tsy misy fombafomba raiki-tampisaka azo ampiharina, amin'ny ankapobeny, raha ny momba ny fifidianana sy ireo firafi-pifidianana roa ireo no resahana. Ny firenena tsirairay avy dia tokony tsy hanao ambanin-javatra ireo toe-javamisy eo amin'ny lafiny kolontsaina, politika na sôsialy eo aminny famaritana ny fomba mahomby itondrana ny fifidianana. 2.3 Fanjakana tan-dalàna Ao anaty Fanjakana tan-dalàna dia misy fepetra fototra sy paikady izay miantoka ny fahalalahanny isam-batanolona sy ny firotsahana an-tsehatra eo amin'ny fiainana politika. Voalohany indrindra aminizany dia misy ny zo hampivelatra malalaka ny maha izy ny isam-batan'olona. Ny fahefam-panjakana iray dia mifamatotra amin'ny lalàna mifehy azy. Noho izany, ny hevitra hoe Fanjakana tan-dalàna dia mifanohitra mivantana amin'ny hoe Fanjakana miendrika famoretana na Fanjakana manao didiko fe lehibe. Ao anatin'ny Fanjakana demôkratika dia mitovy avokoa ny olom-pirenena manoloana ny lalàna, na dia ireo mpiasam-panjakana sy ao amin'ny fitondran-draharaham-panjakana aza. Ity farany dia tsy tokony afa-manao ninoninona raha tsy tolorana andraikitra araka ny lalàna na ny Lalàmpanorenana. Araka izany, ny Fanjakana tan-dalàna dia Fanjakana miorina hatrany amin'ny fanajana ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana. Izy no mahatonga ny Fanjakana ho tompon'antoka ny amin'izay ataony manoloana ny olom-pirenena. Izy no manome vahana ny fandraisanny olom-pirenena fanapahan-kevitra sy fanaovanny olom-pirenena hetsika manoloana ny asa vitany na tsia. Ao amin'izany lamina tantanan'ny Fanjakana izany ny olom-pirenena dia afaka mandray anjara an-kalalahana ihany koa amin'ny fiainana politika. Ny fomba amam-paikanny Fanjakana tan-dalàna dia fehezinny fitsipika fototra vitsivitsy izay hohazavaintsika manaraka eto amin'ny fomba. Mifaka tsara ny fahaleovantenan'ny fitsarana ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Fanjakana demôkratika tan-dalàna. Izany dia midika fa ny fahefana mpitsara dia misaraka tanteraka amin'ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna. Araka izay efa nohazavaina tetsy ambony, ny fahefana mpanatanteraka dia ny fahefana izay mampihatra ny lalàna, ary ny 10