Druckschrift 
Inona no atao hoe demokrasia
Entstehung
Einzelbild herunterladen
 

fitambaranizy ireny. Ny fiarahamonina misy fifamahoan-dafy dia miavaka amin'ny alalan'ny fanajana, fanekena ary ny fankatoavana ny fomba fiheverana rehetra na toa inona fahasamihafany na fifanipahany; ary ny fampielezana mbamin'ny fampiharana izany dia tsy tokony hisy sakana mihitsy. Ny fifamahoan-dafy dia mifototra amina adihevitra ifamaliana, izay miteraka fifanarahana sy fifandeferana ary miafara amin'ny fahafaham-pon'ny vondronolona rehetra voakasika, na fara fahakeliny, azo ekena amin'ny ankapobeny. Ny fifampiresahana, ny fifanakalozana fomba fijery sy ny adihevitra, ary koa ireo hevitra sy fomba fijery niadiana hevitra ao anatinny fifamahoan-dafy, dia atao anatinny fisainana te­hamboatra(fa tsy te-handrava fahatany fotsiny). Izany dia tafidira ao anatinny fizotram­panehoan-kevitra sy fanehoam-piniavana politikan'ny olom-pirenena, eny fa na dia mifanohitra, na mifanipaka aminny rafi-pitondrana misy sy manakaiky ny fomba fijerinny mpanohitra aza izany. Tsikaritrao matetika angamba fa na dia eo amin'ny fiarahamonina misy fifamahoan-dafy aza dia misy vondron'olona miray tombontsoa mahay mitaona olona sy matanjaka kokoa noho ny hafa. Raha ny marina, ny fotokevitra fifaninanana dia tsy mihatra amina fomba tsotra toa izany, na mandeha ho azy sy misosa tahaka ny nanoritsoritantsika azy teo. Izany indrindra no tokony handraisanny Fanjakana andraikitra goavana amin'ny famahana ny mety ho lesoka eo amin'nyfotokevitra fifaninanana, sy fitadiavana izay fampahombiazana ilaina. Misy, ohatra, fahafahana maka fanampiana amboniny ho an'ireo fikambanana mpiray tombontsoa tena osa mba hahatonga azy ireo ho afa-mifaninana kokoa. Ireo fepetra fandrindrana avy amin'ny Fanjakana ireo dia ilaina mba hahatonga ny fifamahoan-dafy ho afa-miasa. Any amin'ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy, ankoatranny Fiarahamonim­pirenena izay mikatsaka fanovana mifanaraka aminny tombotsoany eo aminny lafiny politika, sôsialy ary toekarena, dia misy ihany koa vondronolona izay mikatsaka mivantana ny handray ny fahefana politika. Ny antoko politika no tiana hambara eto. Ianao angamba tahaka ny olom-pirenena maro hafa, dia efa voasarika himenomenona aminny antoko politika, satria izy ireny, ohatra, nanome toky fa handray fepetra kanefa tsy nataony izany avy eo. Na eo aza izany fanakianana atao aminny antoko politika izany mikasika ny vokatry ny asan'izy ireo, dia tokony ho ekena ny maha singa ilaina sy tsy azo ialana azy ireo eo amin'ny demôkrasia. Afaka mampihatra ny fiandrianany ny vahoaka amin'ny alalan'ny antoko politika; tena aminny alalanizy ireo no ahafahanny vahoaka mihetsika. Ny mety ho azo atao angamba dia ny mifidy solotena, amin'ny maha vahoaka, sy ny fanatontosanny tena ny zara asa rehetra izay tokony hiandraiketanny mpitarika politika. Tsy ho azo atao mihitsy anefa izany noho ny hamaroana sy ny fifampidipidiraniretsy farany. Ho solon'izany, dia ilaina ny hananana vondron'olona sy antoko politika mba hahazoana manolotra kandidà eo amin'ny sehatrasan'ny fitondram-panjakana mba hiadiana hevitra ny amin'ny famahana ny olana misy ary ho hita taratra ao aminy ny fiarovana ny tombontsoanny mpifidy azy ireo. Etsy an-daniny, izy ireo, noho izany, no ho mpitondra teny amin'ireo zava-katsahina sy tanjona politikan'ny mponina. Etsy an-kilany, ny antoko politika dia mandray anjara tanteraka amin'ny famolavolana ny finiavana politikan'ny mponina satria azon'izy ireo tsara ny hevitra ijoroan'ny mponina ka arindrany sy omeny endrika eo anivon'ny adihevitra atao. Tsy ampy, noho izany, ny fieritreretana ny antoko politika ho toy ny mpitondra teny tsotra izay mampita ny zavamisy avy amin'ny vahoaka mankany amin'ny mpitondra. Tokony horaisina ho toy ny vondron'olona mavitrika ihany koa izy ireny, izay mandray anjara amin'ny famolavolana ny hetsi-piniavana politika, satria 15