politika heverina fa afaka mampivoatra ny kolontsaina politika mankany amin’ny demôkrasia. Fa inona moa no tena azonao rantovina amin’ny fanabezana politika? Ankoatra ny fiofanana sy ny fanamafisana orina ny fandalana ny soatoavina demôkratika, ny zavatra atao dia ny hahatakarana tsaratsara kokoa ny rafitra fototry ny politika. Ahoana moa no hahafahanao mitsofoka amin’ny sehatra politika raha tsy manana torohay momba ny fiasany sy ny fomba firotsahana ao ianao? Fahalalana fototra no ampitaina mba hahatonga ny olona ho afaka handrafitra ny heviny manokana mikasika lohahevitra banjinina. Ankoatr’izany dia misy koa ny fampitana fahalalana mikasika ny fikirakirana gazety sy haino aman-jery ary ny torohay. Dia hitadiavana valiny ao anatin’izany ilay fanontaniana hoe“atao ahoana ny hahatonga ny mponina handrafitra sy hisaina ny fiheverany manokana” raha tsy afaka mahazo torohay izy. Eto dia tsapa mazava fa ny fanabeazana politika dia tsy mbola tena omena lanja firy. Ny fanabeazana politika, etsy andaniny, dia ny Fanjakana no tena mivoy azy, ohatra, amin’ny alalan’ny“fampianarana politika” any an-tsekoly, fa ny voalohany amin’izany dia ny fampianarana momba ny fampiasana fahefana sy ny satampitariky ny olom-panjakana. Ireto farany mantsy dia raisin’ny olona ho môdely hatrany eo amin’ny ezaka hahatonga ny soatoavina demôkratika ho azo tsapain-tanana. Ny fiarahamonim-pirenena ihany koa dia mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanabeazana politika. Raha atao bango tokana, ny fanabeazana politika dia mampita fahalalana fototra momba ny politika. Ilaina izy mba hahatonga ny olona hahatakatra ny momba ny politika sy ny zotrampivoarana politika. Rehefa manana izany fahalalana izany ny olona dia zary afaka mamolavola fisainana azy manokana sy miditra amin’ny raharaha politika. Any amin’ny firenena demôkratika, ny fanabeazana politika dia tsy mahakasika ny mponina amin’ny ankapobeny na ny tanora fotsiny ihany, fa kosa ny firenena iray manontolo, izany hoe, ny avarapianarana sy ny mpitarika politika ihany koa. Any Alemana, ohatra, dia misy “Oniversitem-bahoaka”( atao hoe Volkshochschule), sy fikambanana vitsivitsy izay miaramiasa amin’ny antoko politika. Ny Friedrich-Ebert-Stiftung(FES), iray amin’ireny fikambanana ireny, ohatra, dia manao ho vaindohan-draharaha ny fanabeazana politika mba hivoizana ny fisainana demôkratika eo amin’ny olom-pirenena tsotra, eo amin’ny sangan’olona mpitarika ary eo amin’ny tanora vao misondrotra, eo amin’ny lafim-piainana rehetra. Amin’ny alalan’ny seminera ifampiofanana sy ny fanokafana sehatra iadiankevitra adihevitra sy ihaonana no anaovan’ny FES izany. Ity kiboky ity dia efa fitaovana iray amin’ny fanabeazana politika: miezaka manome torohay anao sy mampahafantatra bebe kokoa anao ny atao hoe demôkrasia izy. 4. Ny demôkrasia ve no ho tompon’ny ho avy? Azo heverina ve fa ao anatin’ny demôkrasia irery ihany no anjakan’ny fandriampahalemana sy ny fiadanana ary ny fahalalahana? Tsy mora ny mitondra valiny ho an’izany fanontaniana izany. Kanefa kosa dia mazava fa ny demôkrasia dia tena azo atao fanohitra ho an’ny olompirenena mba hiadam-pinaritra ao anatin’ny Fanjakana, mba hanana fahalalahana amin’ny fanehoana ny maha izy azy, mba hampiroborobo ny toekarena sy hiantoka ny fisian’ny fandriampahalemany. 25
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten