NY SENDIKA SY NY FIOMBONANA ANTOKA ATAON’ NY MPIASA Mpanoratra(rijan-teny amin’ny teny alemana): Antonia Fleischmann (Mpianatra Siansa Politika-“Freie Universität Berlin”) Nanatontosa: Conférence des Travailleurs de Madagascar(CTM) Niaraka tamin’ny Friedrich-Ebert-Stiftung(FES) Nandika tamin’ny teny frantsay: Rabary-Andriamanday Voahanitriniaina Nandika tamin’ny teny malagasy: Ralaivelo Maminirinarivo Nandrindra: Andrianasy Hantanirina Antananarivo, Oktobra 2009 LAZA VONTOATINY 1. TENY FAMPIDIRANA........................................3 2. FAMARITANA NY SENDIKA: MIDIKA INONA MOA IZANY?..........4 3. NY TANTARAN’NY SENDIKA ETO MADAGASIKARA...............5 4. NY ZO SY ANDRAIKITRY NY SENDIKA EO AMIN’NY TONTOLON’NY ASA........................................6 4.1 Ny famoronana sendikà sy ny filatsahana ho mpikambana.......7 4.2 Ny fifampiraharahana iombonana...........................8 4.3 Ny zo hanao fitokonana.................................11 4.4 Ny fandraisan’ny mpiasa anjara amin’ny fiainan’ny orinasa......13 5. NY ANDRAIKITRY NY SENDIKA MIKASIKA NY FIAINANA POLITIKA.14 5.1 Ny fandraisan’ny sendikà anjara amin’ny farimbotelo..........15 5.2 Ny fandraisana anjara amin’ny fiainana politika...............15 6. IREO SEHATRASA IASAN’NY SENDIKA........................16 6.1 Ireo fepetra aman-dalàna mikasika ny politikan’ny sosialy sy ny toekarena........................................16 6.2 Ny fepetra iasana amin’ny toeram-piasana..................17 6.3 Ny ady atao ho fiarovana ny zo sendikaly sy ny zon’olombelona.17 6.4 Ny fitoviana sy ny ady amin’ny fanavakavahana..............18 6.5 Ny ady amin’ny fampiasana ny ankizy......................19 6.6 Ny ady amin’ny fahantrana sy ny otrikaretina VIH/SIDA........19 7. NY FANDAMINANA SY NY FOMBA FIASAN’NY SENDIKA.........20 7.1 Ny sendikà mahaleotena sy ny federasionina................20 7.2 Ny fandaminana anatiny sy ny famatsiam-bola...............20 7.3 Ny asa ataon’ny sendikà ho an’ny mpikambana..............21 8. NY ASA SENDIKALY EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAMPIRENENA...21 8.1 Ny fivondronan’ny sendikà eo amin’ny faritra atsimon’i Afrika: SATUCC.............................................21 8.2 Ny Kaonfederasionina Iraisam-pirenenan’ny sendikà: CSI......22 8.3 Ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa: OIT......23 9. FEHINY: NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE NY FIROTSAHANA HO MPIKAMBANA AMIN’NY SENDIKA?...........................24 2 1. TENY FAMPIDIRANA Toe-javatra hita sy iainana maneran-tany ny fifandaminan’ny mpiasa. Ny sendikà dia miady mba hanatsarana bebe kokoa ny fepetra iasan’ ny mpiasa vehivavy sy lehilahy, sy ny fiainan’izy ireo sy ny fianakaviany, ary miady ho amin’ny fiarovana ny zon’olombelona sy ny zon’ny sendikà, ny fitovian’ny vehivavy sy lehilahy, ny fandriampahalemana sy ny fahafahana ary ny demokrasia. Misolo tena ny mpiasa, vehivavy sy lehilahy, manoloana ny mpampiasa sy ny rafitra politika ny sendikà. Tanjona goavana izany; Ary izany no mahatonga anay hanazava bebe kokoa amin’ity bokikely ity ny mikasika izany tanjon’ny sendikà izany, ny votoatin’ny zony sy ny andraikiny, ary koa hampiseho ny fomba fiasa sy fandaminan’ny sendikà. Heverinay fa ahafahana manampy ny mpiasa vehivavy sy lehilahy izay maniry ny hahafantatra bebe kokoa mikasika ny fikambanana sendikaly izany. Ohatra alaina amin’ny zava-misy iainana eto Madagasikara no andravahana izany famelabelarana ankapobeny izany, mba hampisehoana ny lafiny isan-karazany amin’ny fiainana sendikaly sy ny fandraisan’ny mpiasa anjara eto amin’ny firenena. Aseho eto am-panombohana ny atao hoe sendikà, sy ny maha tsy azo ihodivirana azy ireo, raha toa ka tiana ny hampaharitra ny tontolon’ny asa marina kokoa. Ny tantara fohy mikasika ny sendikà eto Madagasikara no anombohana ny adihevitra mifantoka amin’ny zo sy ny andraikitry ny sendikà. Horesahina amin’izany ny andraikitry ny sendika eo amin’ny tontolon’ny asa: ny fananganana sendikà sy ny fidirana ho mpikambana, ny fifampiraharahana iombonana, ny zo hanao fitokonana sy ny fandraisan’ny mpiasa anjara amin’ny fiainan’ny orinasa. Hodinihina amin’ny fizarana manaraka ny andraikitry ny sendikà amin’ny fiainana politika, ary manaraka izany kosa dia ny lohahevitra mikasika ny asa sendikaly, ny fandaminana sy ny fomba fiasa no hofakafakaina. Farany, dia hisy ny fampahafantarana mikasika ny asa sendikaly eo amin’ny sehatra iraisampirenena. Mandritra ny famelabelarana dia ahitana ireo dinidinika sy famakafakana vitsivitsy aroson’ireo mpitarika sendikà ka misongadina amin’izany ireo fanamby atrehany amin’izao fotoana. Manantena izahay fa hanome soridalana ho an’ireo izay efa nirotsaka amin’ny asa eo anivon’ny orinasa sy ny sendikà izany, ary koa hamparisika bebe kokoa ireo izay tsy mbola mahafantatra ny zo sendikaly ananany, mba hahatonga azy ireo hirotsaka ho amin’ny fampanjariana ny tontolon’ny asa izay manome lanja bebe kokoa ny lafiny sosialy. 3 2. FAMARITANA NY SENDIKA: MIDIKA INONA MOA IZANY? Ny sendikà dia fiombonan’ny mpiasa izay natao hisolo tena ny mpiasa amin’ny fiarovana ny tombontsoan’izy ireo ara sosialy sy ara toekarena, manoloana ny mpampiasa sy ny rafitra politika. Ny fandraisana anjara amin’ny fanapahan-kevitra no hevitra fototra amin’izany: tokony hanana zo handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra eo anivon’ny orinasa sy eo amin’ny sehatra politika ny mpiasa, raha toa ka mahakasika ny zon’izy ireo izany. Misy ireo fivondronan’ny mpampiasa izay antsoina ihany koa hoe sendikà. Fa ny hevitra fototra izay mahatonga ny mpiasa hanorina sendikà, dia ny fahatsapana fa malemy ara-drafitra ny mpiasa raha ny fifandanjan-kery eo anatrehan’ny mpampiasa no zohina. Tompon’ny renivola ny mpampiasa, ka afaka, manafoana ny fidiram-bolan’ny mpiasa amin’ny alalan’ny fandroahana azy ireo, na dia manaja ny lalàna aza izy amin’ny fanatanterahana izany. Tsy misy azon’ny mpiasa atao hafa tsy ny fandavana tsy hiasa. Amin’izany, dia mampiditra mpiasa vaovao indray ny mpampiasa. Raha toa anefa ka maro ny mpiasa tsy manaiky hiasa, dia tsy hihodina ny orinasa ary mety ho very vola ny mpampiasa. Noho izany, raha toa ka mivondrona ao anatin’ny sendikà ny mpiasa, dia manana fitaovana hanerena ny mpampiasa sy hampanekena ny tombontsoany izy ireo. Raha toa ka tsy mifandamina ny mpiasa, dia misy hatrany ny tsy fifandanjan-kery amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa. Noho izany dia ilaina ny sendikà, mba tsy hahatonga ny tontolon’ny asa hiaro ny tombontsoan’ny mpampiasa fotsiny ihany. Araky ny mahazatra, dia miady mba hanatsarana ny fepetra iasana sy ny mba hahazoana karama ambonimbony kokoa ny sendikà. Ny fitoviana ara sosialy sy ny demokrasia eo anivon’ny orinasa no fenitra ijoroany. Mba hanekena ny sendikà isa-pirenena ho mpikambana amin’ny Kaonfederasionina iraisam-pirenenan’ny Sendikà(CSI) dia takina aminy ireto voalaza manaraka ireto: tokony hanana fandaminana demokratika ny sendikà; tokony hahaleo tena manoloana ny Fanjakana, ny antoko politika sy ny andrim-panjakana hafa izy ireo amin’ny asa sahaniny, ary tokony hisokatra amin’ny olona rehetra voakasiky ny asany izy ireo. Zava-misy eto Madagasikara Mamaritra ny dikan’ny sendika ny andininy 136§ 2, - ny Lalàna mifehy ny asa, izay milaza fa“ny sendikà dia fikambanan’ny mpiasa, na ny mpampiasa izay miaro sy mampiroborobo ny tombontsoan’ny mpiasa, na ny mpampiasa. Ny fivoarana ara toekarena sy ara sosialin’ny mpikambana ao aminy no tanjona kendren’ny sendikà”. 4 3. NY TANTARAN’NY SENDIKA ETO MADAGASIKARA Manodidina ny taona 30, taonjato faha-XX, mandritry ny fanjanahantany frantsay no nahitana ny fiforonan’ny sendikà voalohany teto Madagasikara. Amin’ny lafiny iray, dia mifandraika amin’ny firoboroboan’ny toekarena tamin’izany fotoana no nipoirany: ny ezaka natao tamin’ny lafiny fambolena, ny toekarena nitodika tamin’ny fanondranana vokatra mankany ivelany, ary ny fanamboarana fotodrafitrasa. Etsy an-kilany, ny sendikà ihany koa no hany fitaovana tokana nahafahana niady ny zo ara sosialy sy ara politika, satria voarara ny antoko politika tamin’izany fotoana izany. Naka ny modelin’ny sendikà frantsay izay nanana firehana manokana ny fandaminan’ireo sendikà ireo, ary nizara ho fikambanana kristianina, sosialista, komonista, na“herin’ny mpiasa”. Tamin’ny fotoanan’ny Repoblika faharoa, dia voatery niara-dia tamin’ny antoko politika sy niditra tamin’ny“Mandatehezana miaro ny Tolompiavotana” ny sendikà. Noho izany, dia vitsy dia vitsy ireo sendikà no nahaleotena fa voafehy ara politika ny ankabeazany. Tamin’ny fotoanan’ny fanalalahana politika tamin’ny fiandohan’ny Repoblika fahatelo, dia nisaraka tamin’ny antoko politika ny sendikà, ary nanjary fikambanana mahaleotena izay niditra ho mpikambana amin’ny federasionina iraisampirenena samihafa. Maro ihany koa ny fikambanana vaovao niforona, izay nitarika ny fivakivakisan’ny hetsika sendikaly izay mbola tsikaritra hatramin’izao. Isan’ny nahatonga ny fizarazaran’ny sendikà dia ny fahasamihafan’ny fomba fijery politika: Fivondronan’ny Federasionin’ny Sendika(FFS), Fivondronan’ny Sendika Malagasy (FSM), Sendika tsy miankina. Nohon’ny krizy nateraky ny fidiran’ny firenena amin’ny trosa tany amin’ny taona 80, dia voatery niditra tamin’ny fanalalahana ara-politika sy toekarena izay namporisihan’ny Tahirimbola iraisampirenena sy ny Banky iraisampirenena ny firenena afrikanina maro. Nitarika fanalalahana ny fitantanana ny orinasa sy fahaverezana asa maro dia maro izany teto Madagasikara. Nohon’ny fanaovana izany “fanitsiana ara-drafitra” izany, dia very mpikambana ny sendikà, ary tsy naharaka ny zavatra takian’ny fanalalahana iraisam-pirenena intsony ny hevitra voiziny. Hatramin’izao dia ambany dia ambany ny fahaizan’ny sendika mandamin-draharaha, nohon’ny lanjan’ny sehatra tsy manara-penitra amin’ny fiharian-karena. Noho izany no nahatonga ny fikambanana sendikaly 13 hivondrona ao anatin’ny Fiaraha-midiniky ny mpiasa malagasy(CTM), mba ho mafy orina kokoa ny fisoloantena ny mpiasa rehefa miaraka ny sendikà. Na dia eo aza ny traikefa ananan’ny mpitarika sendikà tranainy amin’ny lafiny fanetsiketsehana ara sosialy, ny fampiofanana mitohy sy ny fifanakalozan-kevitra ara 5 sosialy, dia mbola malemy ny fisoloantena ataon’ny sendikà, indrindra eo amin’ny sehatry ny fiharian-karena tsy manara-penitra. Mba hanamafisana ny fahaizamanaon’ny mpikambana tanora amin’ny sendikà, dia nisy ny fampiofanana mitohy izay iarahan’ny sendikà miasa amin’ny mpiray ombon’antoka isan-tokony, mba hanomanana ny fikambanana sendikaly amin’ny zavatra takian’ny tontolo manodidina ny asa izay anjakan’ny fanantotoloana. Isan’izany ny tambazotran’ny tanora mpiasa, izay iarahan’ny Friedrich-Ebert-Stiftung manatontosa amin’ny sendikà. Nanomboka ny taona 2008, isan-taona dia misy mpiasa vehivavy sy lehilaly miisa 16 izay efa mirotsaka amin’ny sehatra sosialy, no mahazo fampiofanana momba ny lohahevitra mikasika ny zava-misy ara politika, toekarena sy sosialy. Inefatra miantoana ny fotoam-piofanana mandritry ny taona, ary ahitana fiofanana mikasika ny haitarika ihany koa izany. Misy sehatra hihaonan’ny isan’andiany amin’izany ka zary tambazotran’ny mpikambana sendikaly mavitrika, izay miandahy miambavy. Afaka mifanakalo traikefa izy ireo, ary miaro ny tombontsoan’ny sendikà manoloana ny any ivelany. Izany hetsika izany dia natao mba hampitana ny traikefan’ny sendikà tamin’ny lasa amin’ny andiana mpikambana vaovao, mba hialana amin’ny tsy fahavitrihana izay mahazo vahana ankehitriny. Ny hampatanjaka ny sendikà no tanjona kendrena amin’izany, na amin’ny fampitomboana ny isan’ny mpikambana, na amin’ny fampitomboana ny vola ampiasain’ny vondrona isan-tokony; ka mba ho afaka miasa amin’ny fomba hentitra sy mamaha ny olana amin’ny tontolon’ny asa sy ny politika am-pahombiazana ny sendikà. 4. NY ZO SY ANDRAIKITRY NY SENDIKA EO AMIN’NY TONTOLON’NY ASA Zava-dehibe ny ifehezan’ny mpiasa sy ny sendikà ireo fifanarahana iraisampirenena momba ny zo fototry eo amin’ny asa, ny ahafantarany ireo ampahany efa nankatoavin’ny firenena malagasy ary indrindra ny filaharan’ny fampiharana izany eo amin’ny sehatry ny lalàna manna-kery eto Madagasikara. Singanina manokana amin’izany ny fifanarahana laharana 87 momba ny zo sendikaly sy ny laharana 98 momba ny fahazoana manao fifanarahana iombonana eo anivon’ny orinasa iray. Ny tiana hotsipihina manokana dia ny maha-ambony ny fifanarahana iraisampirenena mihoatra ireo lalàna eto antoerana izay avy@ fifanarahana iraisampirenena no nandrafetana azy@ ankapobeny: 1- Lalampanorenana 2- Fifanarahana iraisampirenena 3- Lalàna isantsokajiny(lalàna mifehy ny asa, ny momba ny harena ankibon’ny tany, ny hetra,sns...) 6 4.1 Ny famoronana sendikà sy ny filatsahana ho mpikambana Malalaka ary omen’ny Fanjakana alalana tsy misy famerana ny famoronana sendikà. Isan’ny hevitra fototra ijoroan’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa, izay rantsana manokana ao amin’ny firenena mikambana misahana ny fenitra ampiharina amin’ny Lalàna mifehy ny asa izany(Jereo Fizarana 8.3). Amin’ny firenena maro, dia iantohan’ny Lalàmpanorenana ny fahafahana mivondrona, izay ahafahan’ny mpiasa andaniny sy ny mpampiasa ankilany, mifandamina, mba hiarovany ny tombontsoany, mba hahazoany mitandro sy manatsara ny fepetra handraharahany sy ny fepetra iasany. Tafiditra amin’ny fahafahana mivondrona ny fahafahana mamorona sendikà. Ny fifanarahana eoropeanina mikasika ny zon’olombelona dia manoritra ihany koa ny zo amin’ny famoronana sendika. Tokony halalaka sy an-tsitrapo ny filatsahana ho mpikambana amin’ny sendika. Tamin’ny firenena nisafidy ny rafi-pitondrana sosialista hatramin’ny taona 1990, dia natao an-tery ny filatsahana ho mpikambana amin’ny sendika. Ny fahafahana sendikaly ho an’ny tsirairay sy ny fahafahana sendikaly iombonana dia fepetra fototra arovan’ny lalàna eo amin’ny firenena sy iraisam-pirenena: ny fahafahana sendikaly ho an’ny tsirairay dia ny fahafahan’ny tsirairay mirotsaka ao amin’ny sendikà. Ny fahafahana sendikaly iombonana dia ny fahafahana manorina sendikà, ny zo hanatanteraka hetsika sendikaly izay tsy iankinany na amin’iza na amin’iza; Ny fahafahana sendikaly dia voasoratra ao amin’ny Fanambaran’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa tamin’ny Jiona 1998 izay mamaritra ireo hevitra sy zo fototra amin’ny asa ny fahafahana sendikaly. Fepetra 4 miantoana no voakasik’izany fanambarana izany: 1. Ny fahafahana mivondrona sy ny fanekena ny zo hanao fifampiraharahana iombonana 2. Ny fanafoanana ny asa anterivozona amin’ny endriny rehetra 3. Ny famongorana ny fampiasana ny ankizy 4. Ny fanafoanana ny fanavakavahana amin’ny asa Ankoatr’izany, dia voafaritra ao amin’ny Fifanarahana iraisampirenenana maro nataon’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa ny zo sendikaly: ny Fifanarahana N°11 mikasika ny fahafahana mivondrona, ny Fifanarahana N°87 mikasika ny falalahana sendikaly sy ny fiarovana ny zo sendikaly, ary koa ny Fifanarahana N°98 mikasika ny zo hanangana fikambanana sy hanao fifampiraharahana iombonana. 7 Zava-misy eto Madagasikara: Tsy ilàna fanomezan-dalana manokana mialoha avy amin’ny Fanjakana ny famoronana sendikà. Amin’ny andininy faha 31 amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy tamin’ny taona 2007, dia voasoritra ny fahafahana mivondrona, indrindra ny fahafahana mamorona sendikà. Ny Fanambarana voalaza etsy ambony, ary koa ireo Fifanarahana, dia nosoniavina sy nankatoavin’i Madagasikara avokoa, ary manan-kery eto amin’ny sehatry ny firenena: azo arovana manoloana ny Fitsarana eto amin’ny firenena, araka izany, ny zo izay arovan’ireo Fifanarahana ireo. Ny andininy faha 137 ka hatramin’ny 140 amin’ny Lalàna mifehy ny asa dia miantoka ny fahafahan’ny sendika miasa malalaka ary ara-dalàna, ary tsy isian’ny fitsabahana avy amin’ny Fanjakana, ary tsy azo tohinina ny demokrasia anatiny eo anivon’ny sendikà. Ny andininy faha 141 dia miantoka fa ny filatsahan’ny mpiasa tsirairay ho mpikambana amin’ny sendikà dia tsy ahafahahana mamery ny tombontsoany. Tsy ahafahana mandroaka na mampiditra mpiasa ny filatsahana mpikambana amin’ny sendikà; tsy azon’ny mpampiasa atao ny misintona mivantana ny latsakemboka amin’ny toeran’ny mpiasa. Misokatra ho an’ny olon-drehetra ny filatsahana ho mpikambana amin’ny sendikà: melohin’ny andinininy faha 144 ny fanavakavahana na amin’ny endriny inona, na amin’ny endriny inona. Ny fananana karatra maha-mpikambana sy ny fandoavana latsakemboka mifanaraka amin’ny sata fototra sy ny fitsipika anatin’ny sendikà no manamarina ny maha-mpikambana ka ahafahana manao ny fanisana ny mpikambana ao anaty sendikà. Fa raha ny fanaovana fanangonan-tsonia amin’ny fivoriana fotsiny ihany no ianteherana dia mandiso ny fanisana ka hisy fiantraikany amin’ny mahamatihanina ny sendikà. Anisan’ny fepetra demokratika mila hajain’ny sendikà io satria fahita indraindray ny fifindrafindrana fikambanana: androany sendika B no misy an-dRabe, rahampitso sendika M, ary tsy manaraka ny fepetra fialana sy fidirana sendika izany. Isan’ny nalain’ny ankamaroany tamin’ny fomba amampanao politika hatrizay ka hatrizao, ny“famadihana palitao” isak’izay mandeha, arakaraka ny tombotsoan’ny tena na ny antoko niankinana tany aloha. Iaraha-mahita ny maharatsy azy ka tokony hialana satria saropady ny tsy fiankinandohan’ny sendikà sy ny fahaleovantenany. 4.2 Ny fifampiraharahana iombonana Ny fanaovana fifampiraharahana iombonana no anisan’ny andraikitra manan-danja indrindra sahanin’ny sendikà eo amin’ny tontolon’ny asa sy ny toeram-piasana. Ao anatin’ny fifampiraharahana iombonana no amerana ny fomba izarana ny tombombarotra azon’ny orinasa, izany hoe: ohatrinona amin’izany no omena ny 8 mpiasa, ohatrinona ny hoan’ny mpitantana, ohatrinona no mijanona ho an’ny orinasa ka hatokana ho renivola. Amin’ny fifampiraharahana iombonana ihany koa no amerana ny ora iasana, ny karama, ny fetran’ny fotoana fampahafantarana mialoha ny fanapahana ny fifanarahana araka asa, ary tsy mifanohitra amin’ny lalàna manan-kery amin’ny firenena tsirairay. Ampiasaina mba hampitovizana ny fomba fitondrana ny mpiasa sy hampiharana ny fepetra ara sosialy amin’ny toeram-piasana ny fifampiraharahana iombonana. Ny fepetra fototra efa fanao dia ny fifampiraharahana ataon’ny solontenan’ny mpiasa sy ny mpampiasa mba hamolavolana fifanekena na fifanarahana iombonana, izay manan-kery ho an’ny mpiasa amin’ny orinasa iray, na amina sehatrasa manontolo, na ho an’ny mpiasa rehetra tsiankanavaka manerana ny firenena. Ny zo hanao fifampiraharahana iombonana no manan-danja sy manan-kery indrindra hoan’ny sendikà. Amin’ny alalan’io zo io no ahafahan’izy ireo miaro am-pahombiazana ny zon’ny mpikambana manoloana ny mpampiasa, ary mandray anjara mivantana amin’ny fandrafetana ny tontolon’ny asa sy ny toeram-piasana. Any amin’ny firenena sasany, dia eo anivon’ny orinasa no anaovana ny fifampiraharahana iombonana, tsy amin’ny alalan’ny sendika, fa amin’ny alalan’ny rantsana misy eo anivon’ny orinasa izay andraisana fanapahan-kevitra amin’ny fomba demokratika. Amin’izany, dia ny Komitin’ny orinasa no mifampiraharaha amin’ny orinasa tsirairay izay voakasik’izany. Miankina amin’ny firenena tsirairay no mampanan-kery ny fifampiraharahana iombonana: misy ny fifanarahana iombonana faobe, izay mahakasika manokana ny sehatrasa, ary mihatra amin’ny mpiasa rehetra amin’io sehatrasa io. Misy ihany koa ny fifanarahana anivon’ny orinasa. Ny zo hanao fifampiraharahana iombonana, izay heverina ho zo sendikaly fototra, dia voamarika amin’ireo fifanarahana voalaza etsy ambony ireo, ary koa amin’ny fanambaran’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa. Zava-misy eto Madagasikara: Satria nankatoa sy nanao sonia ireo fenitra iraisampirenena i Madagasikara, dia mihatra ary manan-kery araka izany ny zo hanao fifampiraharahana iombonana, izay azo entina eo amin’ny Fitsarana eto Madagasikara. Amin’ny ankapobeny dia ny sendikà sy ny fikambanan’ny mpampiasa no manao ny fifanarahana iombonana. Ny lalàna mifehy ny asa no mamaritra ny fizotran’ny fanaovana fifampiraharahana iombonana, izay mizara ho dingana telo: Ny dingana voalohany dia anaovana ny fifampiraharahana(andininy faha 211-216 ao amin’ny lalàna mifehy ny asa). Izany dia itadiavana marimaritra iraisana, ary tsy andraisan’ny sokajin’olona fahatelo anjara. Eo amin’ny sehatry ny orinasa, dia ny mpikambana amin’ny komitin’ny orinasa, na ny solontenan’ny mpiasa andaniny sy ny mpampiasa ankilany no manao ny fifampiraharahana. Raha toa ka mihoatra ny 9 orinasa izany, dia mety ho sendikà iray, na sendikà maromaro, izay soloan’ny solontenan’ny sendika tena andaniny, sy fikambanan’ny mpampiasa iray na maromaro ankilany no manao ny fifampiraharahana. Manomboka amin’ny fandefasana taratasy avy amin’ny Komitin’ny orinasa na, ny solontenan’ny mpiasa izay alefa amin’ny mpampiasa izany. Rehefa mahavoaray ny taratasy ny mpampiasa, dia tsy maintsy miantso fivoriana anaovana fifampiraharahana ao anatin’ny 72 ora. Raha toa ka mahomby ny fifampiraharahana dia mamoaka taratasy mirakitra ny vokatr’izany an-tsoratra ny roa tonta. Raha toa ka ny lafiny sasany ihany no nahitana fahombiazana, dia avoakan’ny roa tonta ireo lafiny nanaovana fifanarahana, sy ireo lafiny izay mbola ilàna fifampidinihana. Raha toa ka nandamoka tanteraka, na amin’ny ampahany ny fifanarahana, na izany noho ny tsy- fiantsoan’ny mpampiasa fivoriana hanaovana fifampiraharahana, na koa nisy ny fifampiraharahana saingy tsy nahitana marimaritra iraisana, na koa tsy tonga nanatrika ny fivoariana ny roa tonta, na ny iray amin’izy ireo, dia atomboka ny fanelanelanana(Andininy 217 ka hatramin’ny 219 amin’ny lalàna mifehy ny asa) ary manendry miaraka mpanelanelana iray ny roa tonta izay mifanolana. Raha toa ka tsy mifanaraka amin’izany izy ireo, dia ankinina amin’ny mpanara-maso ny asa izany fanendrena izany. Anjaran’ny mpanelanelana ny manao fiantsoana ny roa tonta ao anatin’ny 48 ora manaraka ny tsy fahombiazan’ny fifampiraharahana. Ireo hevitra mifanipaka no iaingana amin’ny fifampiraharahana ary ao anatin’ny hateloana dia manao izay hisian’ny marimaritra iraisana eken’ny roa tonta ny mpanelanelana. Raha toa ka hita soritra fa mety hisy ny marimaritra iraisana, dia azo atao ny fanohizana ny fanelanelanana. Ny tsy fanatrehan’ny iray amin’ny roa tonta dia azo anenjehana azy amin’ny Fitsarana, satria azo adika ho fanakanana ny asa ataon’ny mpanara-maso ny asa izany. Manan-jo hanao ny fanadihahadiana rehetra sy hanome soso-kevitra ho famahana ny olana ny mpanelanelana. Rehefa vita ny fanelanelanana, dia manao fitanana an-tsoratra mikasika ny fahombiazana, na ny tsy fahombiazana amin’izany ny mpanelanelana. Raha toa ka tsy mahomby ny fanelanelanana, dia miditra amin’ny dingana fahatelo dia ny raharaham-pitsarana izany(Andininy 220 ka hatramin’ny 227 amin’ny lalàna mifehy ny asa). Amin’izany, dia mety ho ny roa tonta mifanolana no mandravona ny disadisa, na entina amin’ny Fitsarana adinasa ny raharaha. Ny lafiny tsy nahitana fifanarahana ihany no dinihina any amin’ny Fitsarana; Ahitana solontenan’ny Sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny asa sy ny solontenan’ny roa tonta mifanolana ny Fitsarana. Tsy miova intsony ny didy avoakan’ny Fitsarana, izay mamarana ny fitokonana sy ny fikatsoana, izay mety hitohy, hatramin’ny fifaranan’ny Fitsarana. Tsy andoavan’ny roa tonta vola ny fanelanelanana sy ny raharaham-pitsarana. 10 Eto Madagasikara, dia anaovan’ny mpiombona antoka ara sosialy fifampiraharahana isan-taona ny mari-karama farany ambany. Tany aloha dia efa nisy fifanarahana izay mametraka fenitra iray ny amin’izay tokony ho mari-karama farany ambany, ary iaingana amin’ny fifampiraharahan’ny mpiray ombon’antoka ara sosialy izany. Raha ny tena izy anefa, dia ambanin’io mari-karama izay heverina ho fenitra io ny marikarama farany ambany ampiharina. Tamin’ny taona 2007, dia Ar. 63.519 ny marikarama farany ambany. Voafetra dia voafetra ny fivoaran’ny karama farany ambany tao anatin’ny taona maro izao, ary matetika dia tsy maharaka ny fisondrotry ny vidimpiainana. Hita taratra ny ezaka natao tamin’ny fifampiraharahan’ny sendikà sy ny mpampiasa mba hampifandraisana ny famerana ny mari-karama farany ambany amin’ny vidim-piainana, fa tsy nahitana fampiharana izany hatramin’izao. Na dia eo aza ireo fepetra ara-dalàna izay voaresaka amin’ny antsipiriany ireo, dia mifanalavitra amin’izany idealy izany ny zava-misy. Toy ny any amin’ny firenena afrikanina maro, izay ahitana fa mitovitovy ny tantaran’ny sendikà, dia mbola vitsy ny orinasa mampihatra ny fifampiraharahana iombonana. Mbola kely hery ny sendikà, ka tsy afaka mifampiraharaha sy mitaky ny zony am-pahombiazana. Amin’ny orinasa tantanan’ny Fanjakana no nahitana, sy mbola ahitana fifanarahana iombonana. Lany andro anefa izy ireny, manoloana ny firosoana amin’ny fanomezana ny sehatra tsy miankina ny fitantanana ny orinasa maro(tafiditra amin’izany ny Lalamby, ny fifandraisan-davitra, ny Rano sy ny Jiro, ny harena ankibon’ny tany), ary tsy mihatra intsony ireo fifanarahana ireo amin’ny ankamaroany. Eo amin’ny sehatry ny asam-panjakana, dia tokony ho eo amin’ny ambaratongan’ny firenena no anaovana fifampiraharahana iombonana. Eo amin’ny sehatra tsy miankina sy amin’ny orinasa afaka haba, dia eo amin’ny ambaratongan’ny orinasa no tokony hanaovana izany, tsikaritra anefa ny halemen’ny fikambanana sendikaly mipariaka any amin’ny faritra noho ny tsy fahampian’ny fandrindrana ny olona sy ny rafitra ary ny asa. 4.3 Ny zo hanao fitokonana Rehefa tsy mahomby ny fifampiraharahana ataon’ny sendikà, dia afaka manao fitokonana izy ho fitaovana fanerena. Ny fitokonana dia ny fijanonana amin’ny asa, izay iombonanan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa iray. Misy, ankilany, ny fitokonana politika izay anaovan’ny mpitokona fanerena amin’ny Parlemanta sy ny Governemanta, sy anehoany ny fankasitrahana ny tanjona politika sasany. Etsy andaniny, dia misy ny fitokonana atao mandritry ny fifampiraharahana iombonana, na koa rehefa tsy mahomby izany, mba hanerena ny mpampiasa hiaramiasa ka handinika ny tombontsoan’ny mpiasa. 11 Tena misy fahasamihafana, araky ny firenena, ny zo hanao fitokonana sy ny fomba fanao amin’ny fitokonana. Any Alemaina, dia voarara ny fitokonana politika, ary ny sendika ihany no afaka mandamina izany. Ny fampikatsoana tanteraka ny asa no setriny avalin’ny mampiasa izany, izay ahafahany mampikatso tanteraka ny asa famokarana raha mitokona ny mpiasa, ary tsy voatery manohy ny fandoavana ny karaman’ny mpiasa izy amin’izany. Ny zava-misy eto Madagasikara: Miantoka ny zo hanao fitokonana ny andininy faha 33 amin’ny Lalàmpanorenana Malagasy(2007).“Ekena ary atao mifanaraka amin’ny fepetra voafaritry ny Lalàna ny zo hanao fitokonana”. Ny lalàna mifehy ny asa, amin’ny Andininy 228, no manazava ny antsipiriany amin’izany:“Ny fitokonana dia fampiatoana tanteraka ny asa, izay ifanarahana sy iombonan’ny mpiasa amin’ny orinasa iray mba hampahomby ireo fitakiany amin’izay zavatra tsy nahitana fahafaham-po”. Misy fepetra tsy maintsy arahina mba hahazoan-dalana hanao fitokonana. Azo atomboka ny fitokonana ataon’ny mpiasa, na ny fampikatsoana ny asa ataon’ny mpampiasa, rehefa nampahafantarina amin’ny fomba ofisialy ny mpanara-maso ny asa ny tsy fahombiazan’ny fifampiraharahana. Tsy maintsy mampahafantatra 48 ora mialoha ny fepetra noraisiny ny roa tonta. Tsy azo sakanana ny fitokonana raha toa ka tsy manelingelina ny filaminam-bahoaka izany, ary tsy mitarika loza ho an’ny aina sy ny fahasalaman’ny mponina. Tsy maintsy miantoka ny filaminana sy ny fananana ny mpitokona. Tsy azo sakanana hanao ny asany ny mpiasa tsy mitokona. Mandritry ny fitokonana, dia tsy voatery hanao ny asany voalaza ao amin’ny fifanekena momba ny asa ny mpitokona, ary rehefa miverina miasa izy ireo, dia tsy azo verezina tombontsoa noho ny fandraisany anjara amin’ny fitokonana. Tsy voatery mandoa ny karama tokony ho noraisin’ny mpiasa mandritry ny fotoana nanaovana fitokonana ny mpampiasa; ny fifanarahana amin’ny famaranana ny fitokonana anefa dia mety hahitana fepetra fanonerana ny karama tsy noraisin’ny mpiasa. Torak’izany, dia mety hisy ny fifanarahana mikasika ny fiasana amin’ny ora amboniampanga, mba hampihenana ny vokadratsin’ny fitokonana. Voafaritra araka izao manaraka izao ny fampikatsoana ny asa na ny“lockout”, araka izay voalaza ao amin’ny andininy 232 ao amin’ny lalàna mifehy ny asa.“Ny fampikatsoana dia ny fanakatonana manontolo na amin’ny ampahany ny orinasa na toeram-piasana iray izay ataon’ny mpampiasa manoloana ny fitokonana ataon’ny mpiasa ao amin’ny orinasany. Tsy afaka manao izany ny mpampiasa, raha tsy hoe misy atahorana ny amin’ny filaminana ao amin’ny orinasa, na koa mifanohitra amin’ny lalàna sy ny filaminam-bahoaka ny fitokonana. Rehefa tsy misy intsony izany, dia ajanona ny fanakatonana. Ny mpampiasa dia tsy voatery mandoa ny karama mandritry ny fanakatonana ny orinasa. 12 Raha ny zava-misy marina no jerena, dia miseho matetika amin’ny sehatry ny asampanjakana ny fitokonana, satria mora kokoa ny mandamina ny mpiasa, ary tsy dia manjaka loatra ny fatahorana ny fandroahana ny mpanetsiketsika amin’io sehatra io. Amin’ny sehatry ny orinasa afaka haba, dia nahitana matetika ny fandroahana ny solontenan’ny sendikà sy ny fanoloana azy ireo amin’ny fampidirana mpiasa vaovao, mba hampandamoka ny fitokonana, sy hampihenana ny faharisihan’ireo mpiasa izay mety hitokona. Noho ny havitsian’ny mpiasa ao aminy, dia vitsy ny fitokonana amin’ny orinasa madinika. Zava-dehibe noho izany ny fampahafantarana azy ireo ny zo hanao fitokonana, sy ny fampisehoana ny lalàna azo ampiharina, raha toa ka tsy voahaja ny zon’izy ireo. 4.4 Ny fandraisan’ny mpiasa anjara amin’ny fiainan’ny orinasa Amin’ny firenena maro, dia ny lalàna no mifehy ny fomba fandraisan’ny mpiasa anjara amin’ny fiainan’ny orinasa. Tafiditra amin’izany ny zo hahazo vaovao, hakana hevitra, hanohitra hevitra na handray anjara amin’ny fanapahan-kevitra. Misy mpisolo tena fidina amin’ny alalan’ny fifidianana demokratika, mba hiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa amin’ny ambaratonga rehetra amin’ny orinasa. Izany no ahafahan’ny mpiasa mahazo vahana amin’ny famaritana sy fanamboarana ny fepetra iasana ao amin’ny orinasa, ary koa amin’ny politikan’ny orinasa. Zava-misy eto Madagasikara: Afaka manangana rafitra misolo tena azy eo amin’ny ambaratongan’ny orinasa ny fikambanana sendikaly rehetra, raha toa ka manana mpikambana ao tsy latsaky ny fito izy ireo, ary afaka manendry delegen’ny sendika izy ireo. Afaka manendry delege itambarana ny sendika maromaro amin’ny orinasa iray. Mba hahafahany misahana ny andraikiny, dia omena roa ora isan-kerinandro izy ireo, ary ifanarahana amin’ny mpampiasa izany. Ankoatry ny delegen’ny sendikà, dia misy ny delegen’ny mpiasa, ary misy koa ny Komitin’ny orinasa. Tsy azo ampiarahina ny asa eo amin’ny ambaratongan’ny sendika sy ny ambaratongan’ny orinasa. Amin’ny orinasa izay misy mpiasa 11 na mihoatra, dia tsy maintsy fidina ny delegen’ny mpiasa. Maharitra roa taona ny fe-potoana iasany. Miafina ny fanaovana latsa-bato, ary atao amin’ny fisafidianana amin’ny lisitra arafitry ny sendikà. Ny hitsivolana avoakan’ny Ministeran’ny Asa no mamaritra ny isan’ny delegen’ny mpiasa sy ny fepetra anatanterahana ny fifidianana ary ny famerana ny fotoana ahafahany manatanteraka ny asa maha-delege azy. Ny andininy faha 158 amin’ny lalàna mifehy ny asa no mametra ny andraikitry ny delegen’ny mpiasa. Isan’ny andraikitr’izy ireo ny misolo tena ny mpiasa, mitondra ny fitarainana rehetra, na itambarana, na manokana, mikasika ny fepetra iasana, ny fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa, ny fampiharana ny fifanarahana iombonana, ny famaritana 13 ny sokajinasa, sy ny ambaratongan’ny karama. Mampahafantatra ny mpanara-maso ny asa ny fandikan-dalàna rehetra eo anivon’ny orinasa izy ireo. Manara-maso ihany koa ny fitsipika ara-pahadiovana, ny aro loza sy ny fiarovana ara sosialy izy ireo, ary manome soso-kevitra hanatsarana ireo lafiny ireo. Omena 15 ora isam-bolana ny delegen’ny mpiasa mba hanaovany ny asany. Amin’ny orinasa rehetra izay misy mpiasa mihoatry ny 50, dia tsy maintsy atao ny fananganana ny Komitin’ny orinasa. Izany dia ahitana ny solontena voafidy, ny delegen’ny sendikà, ny mpampiasa sy ny solontenany. Mikendry ny fanatsarana ny fifanakalozankevitra mikasika ny fiainan’ny orinasa, ary manara-maso ny fanajana ny fitsipi-pifehezana ny Komitin’ny orinasa. Tsy maintsy ampahafantarina ireo mpikambana amin’ny Komitin’ny orinasa ireo ny fizotran’ny fiainan’ny orinasa. Manan-jo hiantso ny mpanara-maso ny asa na ny Fitsarana misahana ny asa izy ireo. Arovana amin’ny fandroahana amin’ny asa izy ireo, ary afaka miantso manampahaizana manokana hanao fanadihadiana ara teknika. Tsy maintsy manao tatitra tsy tapaka amin’ny alalan’ny fametahana afisy mikasika ny fivoriana sy ny zava-mitranga eo anivon’ny Komitin’ny orinasa izy ireo. Ny kolejin’ny mpiasa, izay mifidy ny mpikambana amin’ny Komitin’ny orinasa dia afaka manala ny mpikambana ao amin’ny Komitin’ny orinasa, amin’ny alalan’ny latsa-bato ataon’ny roa ampahatelon’ny mpikambana amin’ny kolejin’ny mpiasa. Mazava ny rafitra ara-dalàna anaovana ny asa sendikaly sy ny fomba ahafahan’ny mpiasa mandray anjara amin’ny fiainan’ny orinasa. Na dia izany aza, dia mahalana ny fampiharana ireo fepetra ara-dalàna ireo. Tsy ampy fitaovana sy vola ny sampandraharaha misahana ny fanaraha-maso ny asa mba hanarahany maso ny fampiharana ireo fepetra ireo. Matetika, dia tsy ampy fahaizana mba hahafahany miaro ny zon’ny mpiasa sy manao fifampiraharahana hiarovany ny tombontsoany ny solontenan’ny mpiasa. Ary vitsy ny Komitin’ny orinasa tafajoro. Ahitana delegen’ny mpiasa ny ankamaroan’ny orinasa amin’ny sehatra tsy miankina sy amin’ny sehatry ny asam-panjakana. Miankina amin’ny herin’ny tsirairay sy ny fahaleovantenany ny fahafahany manao hetsika. Misy sehatra ahitana fivoarana anefa. Ohatra, ny taona 2007, dia efa nahatafatsangana Komitin’ny orinasa ny COTONA, ny JIRAMA, ny STAR. 5. NY ANDRAIKITRY NY SENDIKA MIKASIKA NY FIAINANA POLITIKA Ankoatry ny firotsahan’ny sendikà eo amin’ny sehatry ny orinasa, dia mavitrika ihany koa amin’ny lafiny politika izy ireo, ary misolo tena ny tombontsoan’ny mpiasa vehivavy sy lehilahy manoloana ny Fanjakana. 14 5.1 Ny fandraisan’ny sendikà anjara amin’ny farimbotelo Voalohany indrindra, dia isan’ny firotsahan’ny sendikà amin’ny politika ny fandraisany anjara amin’ny fifampiraharahan’ny telo tonta izay andraisan’ny Fanjakana, ny mpampiasa sy sy ny mpiasa anjara. Mety tsy atao amin’ny fomba ofisialy izany, amin’ny alalan’ny fakana hevitra mikasika lohahevitra na olana manokana. Mety hatao anivon’ny rafitra ofisialy ihany koa izany. Matetika, dia akana hevitra amin’izany ny lafiny mikasika ny tontolo iasana sy ny fampivoarana ara toekarena. Voaresaka ihany koa ny lohahevitra mikasika ny lafiny sosialy. Zava-misy eto Madagasikara: Mijoro eo amin’ny sehatry ny firenena ny Filankevimpirenena mikasika ny Asa(CNT), izay miankina amin’ny Ministeran’ny asa( Andininy 184-187 amin’ny Lalàna mifehy ny asa). Ny Fivoriambe dia ahitana ny solontenan’ny sendikà, ny solontenan’ny Ministera sy ny solontenan’ny mpampiasa. Mifampita vaovao ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra, ary mifampiraharaha mikasika ny haavon’ny karama sy ny fepetra iasana ny mpiombona antoka ara sosialy. Tsy maintsy akana hevitra io Filankevitra io amin’ny fanomanana ny fanitsian-dalàna rehetra mahakasika ny tontolon’ny asa. Ny Filankevitra ihany koa no mametra ny mari-karama farany ambany. Eo amin’ny sehatry ny faritra, dia apetraka ny Filankevitry ny faritra momba ny asa(CRTT). Eken’ny mpiombona antoka ara sosialy rehetra(fikambanan’ny mpampiasa, Ministeran’ny asa, Fikambanana iraisampirenena momba ny asa) ny FiarahaMidiniky ny Mpiasa Malagasy, na dia tsy rafitra ofisialy aza, amin’ny maha mpiray ombon’antoka azy, izay misolo tena ny sendikà amin’ny fifampiraharahana. 5.2 Ny fandraisana anjara amin’ny fiainana politika Maro amin’ireo mpikambana amin’ny sendikà no mpikambana mavitrika amin’ny antoko politika, mba hahafahan’izy ireo mampirona amin’ny fiheviny ny fanoritana ny tontolon’ny asa amin’ny lafiny politika, amin’ny fomba hafa ankoatry ny hetsika ataon’ny sendikany. Any Eoropa, dia hita izany amin’ny antoko sosialy demokraty. Amin’ny firenena maro aty Afrika, dia nahitana fifandraisana akaiky tamin’ny mpikambana amin’ny sendikà sy ny hetsika fanafaham-pirenena tamin’ny fotoanan’ny ady natao tamin’ny fanjanahantany. Torak’izany, dia mety ho antsoina ho mpanolotsainan’ny mpanao politika ny sendikà, ankoatry ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny farimbotelo. Mety ho afaka manamafy ny lanjany amin’ny lafiny politika ny sendikà, amin’ny alalan’ny fandraisany anjara amin’ireo fakan-kevitra ireo; Zava-dehibe anefa ny fitandroana ny fahaleovantenan’ny sendikà, mba tsy hahatonga ny sendikà ho rantsana fehezin’ny Fanjakana na ny antoko. 15 Zava-misy eto Madagasikara: Efa fomba fanaon’ny Governemanta ny maka hevitra amin’ny sendika, mikasika ny paikady hiadiana amin’ny fahantrana sy ny SIDA. Miankina amin’ny lanja omen’ny Ministra tsirairay izany fankan-kevitra izany anefa ny tena zava-misy, satria tsy voapetraka amin’ny fomba ofisily sahala amin’ny farimbotelo voaresaka etsy ambony. Marihina anefa fa isan’ny voafaritra ho fepetran’ny fitantanana mahomby ny fanekena ny sendikà ho isan’ny mpiray antoka sosialy sy ara-toekarena eo amin’ny firenena(andininy 6 ao amin’ny Fifanarahana tany Cotonou). Talohan’ny fanavaozana ny Lalàmpanorenana tamin’ny 2007, dia voamarika tao amin’ny Lalàmpanorenana ny Filankevitra momba ny sosialy sy ny toekarena(CES), izay noheverina fa handraisan’ny fiarahamonimpirenena sy ny sendikà anjara amin’ny fanapahan-kevitra amin’ny lafiny sosialy sy toekarena. Nanao ezaka hitazonana sy hampiharana izany ny sendikà, saingy taty aoriana dia tsy hita intsony tao amin’ny Lalàmpanorenana nasiam-panovana(2007) izany Filankevitra izany. Miverina amin’io resaka io ny fifanarahana tany Maputo, ary mametraka ny Filankevitra momba ny sosialy sy ny toakarena ho isan’ny rafitra tetezamita; Goavana ny asa miandry ny sendikà, satria mivoaka ny sehatry ny farimbotelo ny famaritana ny politika. Voafetra anefa ny fifandraisan’ny sendikà amin’ny Parlemanta, ny Governemanta, ny Filohampirenena sy ny Fivondronambe iraisampirenena. Tsy dia afaka mampisongadina ny heviny araka ny tokony ho izy amin’ny fanoritana ny paikady momba ny politikan’ny toekarena sy sosialy ny sendikà, raha ny fandraisany anjara amin’ny fiainana politika no zohina. 6. IREO SEHATRASA IASAN’NY SENDIKA 6.1 Ireo fepetra aman-dalàna mikasika ny politikan’ny sosialy sy ny toekarena Resy lahatra ny sendikà fa tsy afaka mandamina ny zava-drehetra ny lalànan’ny tsena, ary ilaina ny mametraka ny fototra ara-dalàna mba hifehezana ny lafiny sosialy. Ho azy ireo dia ilaina ny fandraisan’ny Fanjakana andraikitra mavitrika amin’ny politika ara toekarena. Araka izany, ankoatr’ireo lohahevtitra voalaza etsy ambony mikasika ny fepetra aman-dalàna mifehy ny karama, dia isan’ny asa fototra sahanin’ny sendika ihany koa ny politikan’ny sosialy sy ny politika mikasika ny tsenan’ny asa. Tafiditra amin’izany ny didy aman-dalàna momba ny fiarovana ara-sosialy amin’ny trangan’aretina, ny fisotroan-dronono, ny loza amin’ny asa, ny tsy fahafahana miasa, ny tsy fananana asa,… Isan’ny lohahevi-dehibe ny fiarovana ny mpiasa amin’ny fandroahana, ny 16 famerana ny mari-karama farany ambany, ny lalàna mifehy ny fiofanana, ny faharetan’ny fotoam-piasana sy ny ora iasana ara-dalàna ary ny fialan-tsasatra, ny fanomezan-dalana ny ray aman-dreny tsy hiasa rehefa misy zaza teraka, sy ny fanampiana amin’ny fitadiavana asa. Mikasika ny politikan’ny toekarena dia mifanohitra amin’izay takian’ny mpomba ny fanalalahana amin’ny endriny vaovao ny hevitra ijoroan’ny sendikà izay manohitra ny fampihenana ny andraikitra sy ny toeran’ny Fanjakana, ary mankasitraka ny fandraisan’ny Fanjakana anjara amin’ny toekarena. Tsy mankasitraka ny famindrana ny orinasa tantanan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina ny sendikà, indrindra mikasika ireo orinasa mitantana ny tombontsoa iombonana toy ny Jiro sy ny Rano. 6.2 Ny fepetra iasana amin’ny toeram-piasana Isan’ny sehatra anompanan’ny sendikà ny asany ny fepetra iasana. Tahaka izany, ohatra, ny ora iasana, ny fotoana ialan’ny mpiasa sasatra amin’ny andro iray iasana. Ankoatr’izay dia mijoro amin’ny tokony hisian’ny fiarovana ara-pahasalamana sy ny fiarovana amin’ny loza ao amin’ny toeram-piasana ny sendikà; isan’izany ny fenitra iasana sy fandaminana asa izay tokony hifanentana amin’ny asa atao, ny fisian’ny aro loza ampy, indrindra raha toa ka mampiasa milina ny mpiasa, ary ny fisian’ny efitrano fidiovana mahafapo. Manao ezaka hiantohana ny fanajana ny maha olona amin’ny fepetra iasana ny sendikà, ary miady mba hisorohana ny loza sy mba hitandrovana ny fahasalaman’ny mpiasa. 6.3 Ny ady atao ho fiarovana ny zo sendikaly sy ny zon’olombelona Araka ny hevitry ny fikambanana Amnesty International, dia tsy azo sarahina amin’ny zon’olombelona ny zo sendikaly. Isan-taona anefa, dia maro ireo mpikatroka amin’ny sendikà, vehivavy sy lehilahy, izay vonoina noho ny firotsahan’izy ireo amin’ny asan’ny sendikà. An’arivony amin’izy ireo no gadraina, kapohina mandritry ny fihetsiketsehana, ampijalian’ny mpitandro ny filaminana, ary melohina sy migadra mandritry ny taona maro. Isan-taona, dia an’arivony ny mpikarama very asa, noho ny asa ataony amin’ny fandaminana ny sendika. Izany no mahatonga ny sendikà hirotsaka amin’ny fiarovana ny mpiasa, izay voahitsakitsaka ny zony, noho ny firotsahany amin’ny asa sendikaly. Hatramin’izay, dia manampy ary manan-danja lehibe amin’ny fanampiana ny sendikalista, vehivavy sy lehilahy, izay enjehina sy ampijaliana ny federasionina iraisampirenenan’ny sendikà. 17 6.4 Ny fitoviana sy ny ady amin’ny fanavakavahana Amin’izao vanimpotoana iainansika izao, dia antapitrisany ny olona tsy manana asa, tsy mahita hirika amin’ny fisondrotana amin’ny asa, noho ny maha vehivavy na lehilahy azy, ny fivavahany, ny volon-kodiny, ny fihaviany, ny fomba fanaony amin’ny firaisana ara-nofo, ny firehan-kevitra politika arahiny, ny sokajy sosialy misy azy, ny taonany na koa ny kilema ananany; omena karama varimasaka, na ianjadian’ny fampihorohoroana sy ny filana kisa ary ny fanambaniana izy ireo. Mandray andraikitra manokana ny mba hisian’ny fepetra iasana ara-drariny, marina sy mendrika ho an’ny olombelona rehetra, ary tsy isian’ny fanavakavahana ny sendikà. Ny fifanarahana 100 sy 111 an’ny Fikambanana iraisampirenena momba ny asa dia mametra ny tokony hampitoviana ny karama ho an’ny fanaovana asa iray, ary mandrara ny fanavakavahana na inona na inona endriny, eo amin’ny fandraisana mpiasa sy eo amin’ny fampiofanana sy ny fampisondrotana amin’ny asa. Ny fifanarahana(FIFEV na CEDEF) izay narafitry ny firenena mikambana, ary efa nosoniavin’i Madagasikara, dia miantoka ny famongorana ny fanavakavahana amin’ny endriny rehetra atao amin’ny vehivavy, ary tafiditra amin’izany ny tontolon’ny asa. Isan’ny lohahevitra voaresaka matetika amin’ny hetsika sendikaly maneran-tany ny fitovian’ny vehivavy sy ny lehilahy. Matetika dia ampiasaina amin’ny fotoana voafetra ny vehivavy, tsy anaovana fifanekena momba ny asa, omena karama ambany ary tsy omena fiarovana. Kely kokoa ny karama omena ny vehivavy, na dia ampanaovina asa mitovy amin’ny lehilahy aza izy ireo, ary an-kavitsiana no ahitana azy ireo mitazona toerana ambony amin’ny asa. Voatery mivaro-tena na mizaka ny fanandevozana amin’ny endriny maoderina izy ireo. Na dia amin’ny rafitry ny sendikà aza, dia vitsy, raha oharina amin’ny lehilahy, ny vehivavy mitazona toerana ahafahana mandray fanapahan-kevitra. Izany no antony mahatonga ny sendikà manerana izao tontolo izao, mirotsaka amin’ny asa famongorana ny endri-panavakavahana rehetra eo amin’ny tontolon’ny asa. Izany no antony mampisy lalàna mandrara ny fanavakavahana, ary manome fahafahana ho an’ny olona iharan’izany hametraka fitoriana. Misy sendikà sasany izay manokana anjara toerana ho an’ny vehivavy amin’ny rafitra ajorony, izany hoe misy ampahany amin’ny toerana ao amin’ny rafitra izay atokana ho an’ny vehivavy. Matetika, dia misy komity manokana ajoro ho an’ny vehivavy. Amin’ny firenena sasany, dia misy hetsika manokana izay atao mba hamporisihana ny vehivavy hilatsaka ho mpikambana amin’ny sendika, na dia amin’ny sehatry ny fiharian-karena tsy manara-penitra aza. Ho an’ny lehilahy sy ny vehivavy maro, dia sarotra ny mandrindra ny fiainampianakaviana sy ny asa. Izany no antony mahatonga ny sendika amin’ny firenena 18 maro hiezaka mba hanalefahana kokoa ny famaritana ny ora fiasana, hanomezana andro tsy fiasana ho an’ny reny tera-bao sy ho an’ny ny rain’ny zaza, sy mba hisian’ny rafitra mahomby andraisana sy ikarakarana ny reny sy ny zaza 6.5 Ny Ady amin’ny fampiasana ny ankizy Ny Fifanarahan’ny firenena mikambana mikasika ny zon’ny ankizy dia mamaritra fa ny fampiasana ny ankizy dia ny fampiasana ireo izay tsy ampy taona(latsaky ny 18 taona), izay manimba azy ireo ary manakana ny fandehanany any an-tsekoly. Ny Fikambanana iraisampirenena momba ny asa dia mametra ho 15, ny taona izay tsy anerena ny ankizy hianatra intsony, ary anomezana azy ireo zo hitady asa. Ny Fifanarahana 138 sy 182 dia mametra ny taona farany ambany anomezana ny ankizy alalana hiasa, ary miady amin’ny fampiasana ny ankizy amin’ny endriny ratsy indrindra. Araky ny tsikaritry ny UNICEF, dia mihoatra ny 190 tapitrisa ny isan’ny ankizy miasa manerana izao tontolo izao, indrindra amin’ny sehatry ny fambolena, amin’ny orinasa manao asa tanana madinika, amin’ny famakiana vato, amin’ny fivarotana an-dalambe, sy amin’ny asa an-trano. Eto Madagasikara, dia voarara amin’ny fomba ofisialy ny fampiasana ny ankizy, indrindra noho ny fifanarahan’ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa; mifanohitra amin’izany anefa ny zava-misy. Miady ny sendikà mba hahafahan’ny ankizy mandeha any an-tsekoly, ary raha toa aza ka misy ny fampiasana ny ankizy amin’ny firenena iray, dia mba hanajana ny maha olona. Ny tanjona anefa dia ny famongorana an’izany. 6.6 Ny Ady amin’ny fahantrana sy ny otrikaretina VIH/SIDA Tsy ho an’ny fanajana ny zon’ny mpikambana ao aminy ihany no ifantohan’ny ady ataon’ny sendika, fa ho an’ny tontolo sosialy amin’ny ankapobeny ihany koa. Singanina manokana amin’izany ny ady amin’ny fahantrana sy ny SIDA. Mifampiankina ny tsy fananana asa sy ny fahantrana. Rehefa tsy manana asa mendrika ny olona, dia tsy afaka mikarakara ny tenany sy ny fianakaviany. Ho an’ny mpiasa miisa 2,8 lavitrisa maneran-tany, dia tsy ampy ivelomany sy ho an’ny ankohonany ny karama omena azy, izay mahatonga azy ireo ho voasokajy amin’ny olona miaina ao anatin’ny fahantrana(fidiram-bola latsaky ny 2 dolara isanandro). Izany no antony mahatonga ny sendika hanatitrantitra ny lanjan’ny asa amin’ny ady atao amin’ny fahantrana, ao anatin’ny tolona ataony mba hananana asa ampy sy mendrika. Tsy ny fahafahana mamokatra sy ny hery mamokatra ihany no voakasiky ny SIDA: loza mitatao amin’ny fototry ny ain’ny mpiasa sy ny fianakaviany io valan’aretina io; mamparefo ny orinasa sy ny toekaren’ny firenena ihany koa izany, noho ny fihenan’ny fahafahana mamokatra. Izany no antony mahatonga ny sendika hiady 19 amin’ny fihanaky ny SIDA, na dia amin’ny toeram-piasana aza. Tafiditra amin’izany ny fisorohana, ny ady amin’ny fanavakavahana sy fanenjehana ireo olona mitondra ny otrikaretina VIH/SIDA. Eo ihany koa ny fanampiana omena ny mpiasa, vehivavy sy lehilahy, mitondra ny otrikaretina sy ny olona manodidina azy ireo akaiky. 7. NY FANDAMINANA SY NY FOMBA FIASAN’NY SENDIKA 7.1 Ny Sendikà mahaleotena sy ny Federasionina Misy fomba samy hafa ivondronan’ny mpiasa sy handaminana ny sendika: ny avy amin’ny antonasa iray no mivondrona, ny avy amin’ny indostria iray no mivondrona, ny firehana politika no ivondronan’ny mpiasa. Amin’ny fivondronana miorina amin’ny antonasa dia mitambatra ao anatin’ny vondronasa ny mpiasa, ary amin’ny fivondronan’ny indostria dia ny mpiasa izay manana sehatrasa mitovy no mitambatra; Mihena ankehitriny ny lanjan’ny sendikà politika, toy ireo izay nivondrona manaraka ny firehana komonista. Maro karazany ny rafitra sendikaly. Matetika, dia misy ny sendikà mahaleotena, izay manana fandaminana miorina amin’izay voalaza etsy ambony, ary mivondrona ao anatin’ny federasionina avy eo. Zava-misy eto Madagasikara: Efa nahazatra ny fahamaroan’ny sendika samihafa, saingy samy malemy avokoa izy ireo. Mba hiadiana amin’ny fisamatsamahana ho fikambanana madinika sy maro dia maro, dia nivondrona ao anatin’ny Fiarahamidiniky ny Mpiasa Malagasy(CTM) ankehitriny ny sendikà miisa 10, mba hampisehoan-kery miaraka bebe kokoa. Mbola maro anefa ny fikambanana sendikaly, ary mampalemy ny hetsika izany, fa tsy manamafy azy. Misy ny ezaka tsikaritra mba hampivondronana ny sendikà, sy mba hametrahana ny CTM amin’ny toeran’ny federasionina matanjaka. 7.2 Ny Fandaminana anatiny sy ny famatsiam-bola Tokony hiorina amin’ny hevitra fototry ny demokrasia anatiny ny fandaminana ny sendikà, izany hoe, amin’ny ambaratonga samihafa, dia fidina ny delege hapetraka amin’ny ambaratonga ambony manaraka. Iadian-kevitra eo anivon’ny samy delege aloha ny asa sendikaly, avy eo dia aroso hankatoavin’ny fivoriambe ary farany dia aroso amin’ny birao voafidy. Ny latsakemboky ny mpikambana izay matetika aloa isam-bolana, no famatsiambolan’ny sendikà. Zava-misy eto Madagasikara: Voafetra ny fidirambolan’ny sendikà, satria tsy marin-toerana ny rafitra. Eto Madagasikara, dia ny foibe sendikaly izay manana 20 fandaminana aty am-bovonana, ary mandrakotra rantsana samihafa no tena fahita matetika indrindra. Araka ny rafi-pandaminana dia mivangongo aty an-tampony ny fahefana, ka manana toerana matanjaka ny Filohan’ny sendika amin’izay fotoana izay. Malemy kokoa kosa anefa ireo rafitra mipariaka any anivon’ny orinasa sy any amin’ny faritra, nefa ireo no tokony hampiaina ny demokrasia anaty, ary hanamafy orina ny fahefan’ny Filohan’ny sendika. Misy ny ezaka tsikaritra amin’ny fananganana sendikà isan-tsehatra, mba hanakaikezana bebe kokoa ny mpikambana, sy mba hiarovana ny tombontsoan’ny sokajin’asa tsirairay. 7.3 Ny asa ataon’ny sendikà ho an’ny mpikambana Ny fanaovana fifampiraharahana iombonana no asa tena manan-danja indrindra ataon’ny sendikà ho an’ny mpikambana, izay ahitan’izy ireo tombontsoa mivantana mikasika ny karama, ny ora iasana sy ny faharetan’ny asa, sy ny fotoana ialantsasatra. Mahazo fampiofanana mitohy amin’ny lafiny maro ihany koa, na ny mpikambana amin’ny sendika, na ny mpiasan’ny sendika, mba hahafahan’izy ireo misahana ny adidy aman’andraikiny. Manao fampahafantarana mikasika ny lalàna vaovao sy ny fiantohana amin’ny loza amin’ny fotoana andehanana mamonjy asa sy eo amin’ny toeram-piasana ihany koa ny sendikà. Zava-misy eto Madagasikara: Matetika dia malemy ny sendikà Malagasy eo amin’ny fifandanjan-kery amin’ny fifampiraharahana iombonana, noho ny taha ambony loatra amin’ny tsy fananana asa, sy ny fahalemena amin’ny fandaminana, ary ny fahavitsian’ny mpikambana. Amin’izao fotoana izao dia vitsy ny fampiofanana sy ny fanohanana mitohy ho an’ny mpikambana, satria misedra olana ara-bola ny sendikà. Tsy misy antontan’isa na vaovao azo antoka mikasika ny tahan’ny fidirana sendika; tamin’ny taona 2007, dia latsaky ny 5 isan-jaton’ny mpiasa izany. 8. NY ASA SENDIKALY EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAMPIRENENA 8.1 Ny fivondronan’ny sendikà eo amin’ny faritra atsimon’i Afrika: SATUCC Ny SATUCC(Filankevitry ny fandrindrana ny sendika ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika) dia fikambanam-paritra izay miorina ao Afrika Atsimo. Mivondrona ao amin’ny SATUCC daholo ny sendikà izay miasa ao amin’ny faritry ny SADC. Niforona tamin’ny 1983 ny SATUCC, ary, toy ny SADC, dia ao Gaborone renivohitr’i Botswana no misy ny foibeny. Ny tanjona kendreny dia ny fanamafisana orina ny firaisankina eo amin’ny sendika isa-pirenena. Noho ny lanja politika ananan’ny SADC dia mety hahitan’ny mpiasa tombontsoa bebe kokoa io fifandraisan-tendrom-paritra aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika io. Ny kendrena 21 amin’izany dia ny fampandrosoana ara toekarena izay tsy amin’ny fotoana fohy ezaka ihany, fa mikendry ihany koa ny fanajana ny zon’olombelona fototra, ny zon’ny sendika sy ny fiarovana ara sosialy. Isan’ny fahombiazana hitan’ny SATUCC ny fankatoavan’ny SADC ny dinan’ny lalàna sosialy. Torak’izany, dia manao ezaka ny SATUCC mba hampahafantarana ampahibemaso ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona amin’ny firerenana samihafa, ho fandraisany anjara amin’ny firosoana mankany amin’ny demokrasia. Manao fivoriana isan-taona andinihana ny fivoaran’ny fifandraisan-tendrom-paritra ny SATUCC, izany dia andraisan’ny solontenan’ny SADC anjara, miaraka amin’ny mpikatroka avy amin’ny sendikà avy amin’ny firenena rehetra ao amin’ny faritra atsimon’i Afrika. 8.2 Ny Kaonfederasionina Iraisam-pirenenan’ny Sendikà: CSI Tamin’ny taona 2006, dia nivondrona anatin’ny konfederasionina iraisampirenan’ny sendikà(CSI) ireo fivondronan’ny sendika lehibe eo amin’ny sehatra iraisampirenena: isan’izany ny konfederasionina iraisampirenenan’ny sendikà tsy miankina(CISL), sy ny konfederasionina iraisampirenenan’ny mpiasa(CMT). Voalohany tamin’ny tantaran’ny sendikà no nahitana fivondronana iraisampirenena izay iraisan’ny sendikà avy amin’ny firenena samyihafa, ka ahafahan’izy ireo mampiray ny feony, ary mahazo hery noho ny firaisany. Te hiatrika ny fanatontoloana ara toekarena ny sendikà amin’ny alalan’ny fisoloana tena ny mpiasa, vehivavy sy lehilahy, eo amin’ny sehatra maneran-tany. Misolo tena mpiasa, vehivavy sy lehilahy, miisa 168 tapitrisa io fivondronana io, ary fikambanana 305 izay avy amin’ny sy firenena 153. Ho an’i Madagasikara, dia tafiditra amin’izany ny FIraisan’ny SEndikàn’ny mpiasan’i MAdagasikara (FISEMA), ny Fivondronamben’ny Mpiasa Malagasy(FMM), ny SEndikà KRIstianina Malagasy(SEKRIMA), ny fivondronan’ny sendikà tsy miankina Malagasy(USAM) izay samy manana solontena ao amin’io fivondronambe io aokoa. Manao hetsika amin’ny sehatra iraisampirenena ny CSI, ary manao asa fiarovana ny tombontsoan’ny mpiasa eo anivon’ny andry sy fikambanana manan-danja manerantany. Isan’ny sehatra iasany ny fiarovana ny zon’ny sendika, ny zon’olombelona, ny toekarena, ny fiarahamonina sy ny asa, ny fitoviana sy ny ady amin’ny fanavakavahana, ary ny firaisankina iraisampirenena. Manohana ny mpikatroka vehivavy sy lehilahy amin’ny sendikà izay enjehina sy iharan’ny fampijaliana amin’ny firenena misy azy ny CSI. Ny sendika izay miditra ho mpikambana ao amin’ny CSI dia mitazona ny fahaleovantenany, ary tsy mandray baiko avy aminy. Isan’ny fepetra takiana amin’ny sendikà miditra ho mpikambana anefa ny fahafahana manaja ny demokrasia ao anatin’ny fikambanana. 22 Isaky ny efatra taona no anaovana ny kongresin’ny CSI; eo anelanelan’izany fotoana izany, dia manao ny asany ny Birao sy ny komisionina mpitantana azy. Ny Sekretera Jeneraly no mpisolo tena manana ny toerana ambony indrindra. 8.3 Ny Fikambanana iraisampirenena misahana ny asa: OIT Ny Fikambanana iraisampirenena momba ny asa(OIT) dia fikambanana manokan’ny Firenena mikambana izay miasa mba hisian’ny fepetra iasana azo ekena sy ahafahana mamokatra, ary mampifantoka ny asany amin’ny lohahevitry ny fahafahana, ny fitoviana, ny fiarovana amin’ny loza, ary ny fanajana ny maha olombelona. Voaresaka amin’izany ny zon’ny mpiasa vehivavy sy lehilahy, ny fepetra iasana azo ekena, ny fiarovana sosialy, ny dinika sosialy amin’ny lohahevitra rehetra mahakasika ny tsenan’ny asa. Tompon’andraikitra amin’ny famaritana sy fanarahamaso ny lalàna iraisampirenena mifehy ny asa ny OIT. Ahitana ny farimbotelo ny fandaminan’ny OIT, dia ny solontenan’ny firenena mpikambana, ny solontenan’ny mpiasa sy ny mpampiasa izay voasolo tena ao amin’ny rafitry ny fikambanana. Ny OIT no hany fikambanana iraisampirenena tantanan’ny telo tonta. Isaky ny volana Jiona isan-taona no anaovana ny Kaoferansy iraisampirenena momba ny asa, izay atao ao Genève, toerana misy ny foibeny. Samy mandefa solontena ny firenena 185 mpikambana ao amin’ny OIT, ary isan’izany i Madagasikara. Izany dia ahitana solontenan’ny Fanjakana roa, solontena iray avy amin’ny fikambanan’ny mpiasa, ary iray avy amin’ny fikambanan’ny mpampiasa. Malalaka ny fanapahan-kevitra, ary midika izany fa ny fanapahan-kevitra dia tsy raisina ararakaraky ny tombontsoan’ny firenena iray, fa araky ny tombontsoan’ny fikambanana manana solotena ao amin’ny Kaoferansy. Ny kaoferansa no mifidy ny Filankevipitantanana, izay fivoriambe mpanatanteraky ny OIT. Solontena 28 avy amin’ny Fanjakana, 14 avy amin’ny solontenan’ny mpiasa ary 14 avy amin’ny solontenan’ny mpampiasa no mpisolo tena ao amin’ny Filankevipitantanana. Ny Birao iraisampirenena momba ny asa ao Genève no miandraikitra ny asa fitanana antsoratra maharitra sy fanohanana ny asan’ny OIT. Amin’ny alalan’ny fifanarahana sy ny toromarika no iasan’ny OIT. Tokony hankatoavina ary hosoniavin’ny firenena mpikambana ao amin’ny OIT ny fifanarahana, ary manana ny lanjan’ny lalàna izy amin’izay fotoana izay; ny toromarika kosa dia natao hanoritana ny lalana tokony hizorana amin’ny politika. Tokony hanao tatitra tsy tapaka any amin’ny OIT mikasika ny fampiharana ny fifanarahana nosoniaviny, ny fivoaran’ny lalàna mifehy ny asa sy ny fiarovana ny asa eo amin’ny fireneny ny firenena mpikambana. Ankoatry ny famaritana ny fenitra iraisampirenena momba ny asa, ny OIT dia manome fanohanana ara tekinika ho an’ireo firenena mpikambana mikasika ny 23 fanatanterahana ny fanatsarana ny lalàna mifehy ny asa, ny fanohanana ny Sampandraharaham-panjakana momba ny asa amin’ny fahaiza-mifehy ny fifanolanana eo amin’ny asa, ny fanamafisana orina ny fikambanan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, ny fanaovana ireo hetsika ofisialy. Tafiditra amin’ny sehatra iasany ihany koa ny fampiofanana, ny politikan’ny asa, ny fepetra iasana, ny fiarovana sosialy, ny antontan’isa mikasika ny asa, ny ady amin’ny fahantrana, ny fisorohana ny loza sy ny fahasalamana eo anivon’ny toeram-piasana. Araky ny famaritana ny dikanteny omen’ny OIT, ny asa dia tokony hahafahana mahazo karama hahafahana miaina ao anatin’ny fahaleovantena. Tokony hahafahana misoroka ny fahantrana ny haavon’ny karama. Noho ny fandaminan’ny farimbotelo, dia isan’ny lafiny lehibe amin’ny fifandraisan’ny mpiasa, ny mpampiasa sy ny Fanjakana ny dinika sosialy. Voafaoka amin’izany ny fifampiraharahana, ny fakana hevitra sy ny fifampitana vaovao isankarazany. Araka izany, ny OIT dia miasa mba hisian’ny fanajana ny zo hiditra sendikà sy hanao fifampiraharahana iombonana, ho amin’ny tombontsoan’ny hetsika matanjaka sy mahaleotana ataon’ny fikambanan’ny mpiasa sy ny mpampiasa, sy ho amin’ny fanohanan’ny Fanjakana ny dinika sosialy. 9. FEHINY: NAHOANA NO ZAVA-DEHIBE NY FIROTSAHANA HO MPIKAMBANA AMIN’NY SENDIKA? Araka ny famaritan’ny« Education Internationale», ny sendikà dia« rafitra izay manampisiana maharitra sy mateza, atsangan’ny Mpiasa mba hiarovany ny tombontsoany, izay hiezahany hanatsarana ny fepetra iasany sy fiainany amin’ny alalan’ny fifampiraharahana iombonanana sy ny fananana sehatra hanehoany ny HEVINY mikasika ireo olana atrehan’ny fiarahamonina». Araka izany dia tsy azo eritreretina ny hisian’ny tontolon’ny asa marina, izay anajana ny zon’ny mpiasa raha tsy misy sendikà matanjaka. Ary rehefa anjakan’ny fahamarinana ny tontolon’ny asa dia misy fiantraikany amin’ny fiarahamonina amin’ny ankapobeny izany. Raha toa ka mahazo karama mendrika hanaovana asa voakaly tsara ny mpiasa, dia manana fidiram-bola ampy hivelomany izy sy ny fianakaviany. Tsy hisedra olana ara-bola hiantohana ny fianaran-janany intsony ny ray amandreny. Ary mbola maro ny lafin-javatra hafa miankina amin’ny vola. Farany, dia tsy afaka miaina ao anatin’ny faharimanana sy ny fandosoana maharitra ny firenena raha toa ka tsy mandray anjara amin’izany ny mpiasa vehivavy sy lehilahy. Amin’ny alalan’ny fanomezana karama mendrika no anaovana izany, ary koa amin’ny alalan’ireo zo maro isan-karazany momba ny fandraisana anjaran’ny sendika izay voaresaka etsy ambony. 24 Ny sendikà matanjaka no afaka manampy an’i Madagasikara hampivelatra ny toekarena amin’ny fomba maharitra, ary hampiakatra ny faripiainan’ny mpiarabelona rehetra. Izany dia ny sendikà miorina amin’ny fototra matanjaka, manana mpikambana maro izay tena mandray anjara mavitrika amin’ny asan’ny fikambanana sy ny fiainan’ny orinasa, afaka mampanaja ny zon’ny mpiasa hilaza ny heviny, mampiroborobo ny asa sendikaly, ary mampiseho tsy tapaka amin’ny mpiara miasa amin’izy ireo, na vehivavy na lehilahy, ny tombontsoa azo amin’ny filatsahana ho mpikambana amin’ny sendikà. Manantena izahay fa hahatonga ny tsirairay ho resy lahatra amin’ny antony ilàn’i Madagasikara sendikà matanjaka ity bokikely ity, ary hahatsapa fa“mahaleo ny sarany ny vidiny” raha miady ho amin’izany. 25 LOHARANON-KEVITRA: DIOP, Assane(2008): La campagne de l‘OIT pour constituer une couverture universelle de sécurité sociale: nouvelles alliances, stratégies et nouveaux partenariats. Bonn: Friedrich-Ebert-Stiftung. http://library.fes.de/pdffiles/iez/05428.pdf Friedrich-Ebert-Stiftung(2005): Mondialisation et justice sociale. La promotion des syndicats dans la coopération internationale. RALAMBONDRAINY, Nelly Rakotobe; nisian’ny fiaraha-miasa tamin’ Atoa Ignace RAKOTO(2006): Droit Malgache du Travail. Les Relations Individuelles du Travail. Jurid’ika. SCHILLINGER, Hubert René(2005): Schwach und doch gefürchtet: Gewerkschaften in Afrika.(en allemand) Bonn: Friedrich-Ebert-Stiftung. http://library.fes.de/pdf-files/iez/02683.pdf (trad. titre: Faibles et pourtant craints: les syndicats en Afrique) TRAUB-MERZ, Rudolf; ECKL, Jürgen(2007): Mouvement syndical international: fusions et contradictions. Bonn: Friedrich-Ebert-Stiftung. http://library.fes.de/pdffiles/iez/04962.pdf WEBSTER, Edward(2008): Syndicats et partis politiques en Afrique: nouvelles alliances, stratégies et nouveaux partenariats. Bonn: Friedrich-Ebert-Stiftung. http://library.fes.de/pdf-files/iez/05429.pdf Confédération Syndicale Internationale: csi.org/spip.php?rubrique1&lang=fr Torohay momba ny tantara sy hetsika ataon’ny CSI http://www.itucOrganisation Internationale du Travail(OIT): http://www.ilo.org/global/langfr/index.htm Torohay momba ny asa sahanin’ny OIT 26