$* 1 Miara-manao ny famoahana IndustriALL Global Union Sub-Sahara Africa Region www.industriALL-union.org Friedrich-Ebert-Stiftung(FES) Madagascar Villa Martrat, Ankadifotsy Lot IVC Ambatomitsangana Antananarivo 101, Madagascar Tel.:+261 20 22 344 24 E-Mail: info@fes.mg https://madagascar.fes.de/ Zo rehetra voatokana ©2023 Ny vokatra sy ny famakafakana ary ny fehinkevitra voambara anatin’ity tahirinkevtra ity dia tsy voatery hifanandrify amin’ny fihevitry ny IndustriAll global union na ny FriedrichEbert-Stiftung. Ny IndustriAll global union sy ny FES Madagascar dia tsy tomponandraikitra ny amin’ny fahamarinan’ny tarehimarika voasoratra ato amin’ny tahirinkevitra. Voarara ny fivarotana na ny fampiasana itadiavam-bola ny fitaovan-tserasera avoakan’ny IndustriAll global union sy ny FES raha tsy mahazo alalana an-tsoratra. FIZAHAN-TAKILA FINTINA.....................................................................................................................................5 LISITRY NY TABILAO..................................................................................................................9 LISITRY NY KISARY....................................................................................................................9 FANAFOHEZAN-TENY................................................................................................................9 1. FAMPIDIRANA..............................................................................................................10 2. FANAZAVANA FINTINA NY TETIKASA...........................................................................11 2.1. Tanjon’ny tetikasa..................................................................................................11 2.2. Ireo iantefany........................................................................................................11 2.2.1. Ireo iantefany mivantana................................................................................11 2.2.2. Ny mpisitraka farany sy ny orinasa nipoirany...................................................11 2.2.2.1. Mpisitraka.................................................................................................11 2.2.2.2. Orinasa nipoirany.......................................................................................11 2.3. Ny tondro..............................................................................................................12 2.3.1. Ireo tondro mamaritra ny habetsaky ny olona sy ny orinasa iantefana............. 12 2.3.2. Ireo tondro mifandraika amin’ny fahaiza-manao sendikàly..............................12 2.3.3. Ireo tondro manamarika ny fiovana andrasana...............................................13 3. FINTINA IREO DINGANA ARAHINA SY NY FITAOVANA NANAOVANA NY TOMBANA.... 13 3.1. Antonantony.........................................................................................................13 3.2. Fomba fiasa, fitaovana ary loharano.......................................................................14 3.2.1. Fanangonana sy fandinihana ireo antontan-taratasy.......................................14 3.2.2. Fanadihadiana................................................................................................14 3.2.3. Dinika anaty vondrona(Focus group)..............................................................14 3.2.4. Fitaovana........................................................................................................15 3.2.5. Loharano........................................................................................................15 4. NY VOKATRY NY TOMBANA ARAKA NY TANJONA TRATRARINA/NY VOKATRA/ NY TONDRO..............................................................................................................................15 4.1. Vokatry ny asa natao tamin’ireo iantefan’ny tetikasa..............................................15 4.1.1. Fampiofanana ireo tomponandraikitra sendikàly(25 hatramin’ny 30 ny isan’ireo tomponandraikitra, ka ny 40% dia vehivavy)................................................................15 4.1.2. Fanamafisana ny fidirana sendikà(Fampitomboana ny tahan’ny fidirana sendikà tao amin’ny ozinina 3 hatramin’ny 5 mamatsy ny orinasa iraisampirenena).................... 19 4.2. Vokatry ny hetsika fampivoarana ny fahaiza-manao sendikàly................................22 4.2.1. Ny zavamisy mahakasika ireo hetsika fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana iombonana hamahana ireo olana manan-danja eo amin’ny indostria22 4.2.2. Ny fisiana sy fivoaran'ny hetsika atao eo amin'ny sehatry ny fifampiraharahana iombonana...................................................................................................................22 3 4.2.2.1. Ny Komitin’ny orinasa sy ny Fifanarahana iombonana................................22 4.2.2.2. Ny fifampiraharahana iombonana amin’ny endriny hafa............................ 23 4.3. Fizohiana ny fampiharana na tsia ny GFA eto Madagasikara sy ny fanoloran’ny sendikà ny fepetra fanitsiana. Fizohiana ny fanajàna ny zo sendikàly.............................................24 4.3.1. Rafitra GFA.....................................................................................................24 4.3.2. Firafitra fitarainana GFA..................................................................................25 4.4. Fivoizana ny fifanarahana C190 an’ny OIT izay fanalahidy entina hanatevenana ny mpikambana sendikà anivon’ny orinasa misy vehivavy maro an’isa...................................25 5. FANDRAVONANA: FAHATRARANA NY TANJONA SY NY TONDRO................................26 5.1. Mahakasika ny fanamafisana ny asa sendikàly eny anivon’ny orinasa ao anatin’ny GFA ……………………………………………………………………………………………26 5.2. Mahakasika ny famaritana ny paikady ho an’ny dinika sosialy...............................26 5.3. Ny tondro..............................................................................................................26 6. FEHINY SY TOLOKEVITRA..............................................................................................30 6.1. Ho an'ny IndustrialALL- faritra Afrika, Atsimon’i Sahara........................................30 6.2. Ho an'ny IndustriALL Madagascar..........................................................................30 6.3. Ho an'ny Komity GFA sy ny Ivo GFA.......................................................................31 6.4. Ho an’ireo sendikà mikambana ao amin'ny IndustriALL..........................................31 6.5. Ho an’ny solotenan’ny mpiasa sy ireo solotenan’ny sendikà...................................31 6.6. Ho an'ny mpandrindra, mpandamina ary mpampiofana.........................................32 TOVANA- 1: FANONTANIANA HO AN’IREO TOMPONANDRAIKITRA EO ANIVON’NY SENDIKÀ FOIBE SY FARITRA....................................................................................................................33 TOVANA- 2: FANONTANIANA NAPETRAKA TAMIN’IREO SOLOTENA SENDIKÀLY, SOLOTENAN’NY MPIASA, MPIASA MPIKAMBANA AO AMIN’NY SENDIKÀ...............................36 TOVANA- 3: FANONTANIANA NAPETRAKA TAMIN’IREO MPITARIKA SENDIKÀ TAO ANATIN’NY DINIKA ANATY VONDRONA....................................................................................................41 TOVANA- 4: FANONTANIANA TAMIN’IREO SOLOTENA SENDIKÀLY, SOLOTENAN’NY MPIASA, SY IREO MPIASA MPIKAMBANA SENDIKÀ NANDRITRA NY DINIKA ANATY VONDRONA......... 43 TOVANA- 5: GFA NIFANEKEN’ INDUSTRIALL SY ASOS................................................................46 TOVANA- 6: TATITRA NATAON’NY SEMPIZOF MAHAKASIKA NY TRANGA-NA HERISETRA TAO AMIN’NY ANTA6.....................................................................................................................50 4 FINTINA 1. Tanjona sy votoatin’ny tombana Ny tanjon’ny tombana dia ny hahafahana mamantatra raha namaly ny zavatra nandrasan’ny olona iantefany sy ny mpandray anjara ary ny mpiara-miombon’antoka rehetra ny tetikasa, rehefa ampitahaina ny tondro napetraka sy ny tanjona tratra. Noho izany, ny tombana dia mifantoka kokoa amin’ny famaritana ireto manaraka ireto: vita tsara avokoa ve ny asa rehetra nokasaina hatao(ohatra, inona avy ny asa vita raha oharina amin’ireo izay nomanina ary voatrandraka avokoa ve ny lohahevitra napetraka rehetra); ahoana no ilazana fa ny vokatra nandrasana sy ny tanjona napetraka dia tratra avokoa, ary nisy vokatra azo tsapain-tànana ve izany teo amin’ny fiainan’ny sendikà sy ny faripiainan’ny mpiasa ary koa teo amin’ny sehatry ny asa; ahoana no handrefesana fa ny tanjona sy ny asa nofaritana dia mamaly ny tena filàn’ny mpisitraka sy ireo izay iantefan’ny tetikasa; nisy fahaiza-manao ara-tekinika voampita ve any amin’ireo mpandray anjara – mpisitraka; ary ny traikefa avy amin’ny tetikasa ve nahafahana nanavaka ny fomba fanao tsara indrindra sy ny fomba fanao ratsy indrindra. 2. Tanjon’ny tetikasa Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanamafy ireo hetsika ataon’ny sendikà malagasy mpikambana ao amin’ny IndustriALL Global Union, any anatin’ny ozinina mamokatra lamba sy zaitra ary hoditra izay mitondra ny Marika(anaran’ireo orinasa iraisampirenena) efa nanao sonia ny GFA(Global Framework Agreement na Fifanarahana lasitra iraisampirenena izay ifanarahan’ny Marika amin’ny IndustriALL araka ny toromarika napetraky ny OIT) ary voafehin'izany. Paikady miompana amin’ny dinika sosialy eny anivon’ny toeram-piasana sy ao amin’ny indostria no faritana sy apetraka amin’izany, indrindra ny mahakasika ny falalahan'ny sendikà, ny karama, ny tombontsoa aratsosialy ary ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy. Ankoatr’izay, ny asa lehibe nomanina hatao dia niompana indrindra tamin’ny fanomezana tantsoroka ara-tekinika ho an’ireo sendikà, indrindra tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny « coaching» izay mikendry ny hanamafisana ny falalahan'ny sendikà sy ny fifampiraharahana iombonana ary ny fanetsehana mahakasika ireo teboka mafonja, toy ny karama mahavelona sy ireo fepetra arak’asa, ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy, ny fanjohiana ny fampiharana ny GFA. 3. Ny fomba nanatanterahana azy Toy izao ny fomba nanatanterahana ny tombana: Nisy ny dingana fanangonana sy fanadihadiana ireo antontan-taratasy rehetra, izay nahafahana nanangona sy nifehy ireo fanazavana rehetra nilaina; Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandraikitra ara-tsendikàly, ireo solotena sendikàly, ireo solotenan’ny mpiasa, ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera GFA sy ny mpikambana ao amin’ny sendikà izay miasa eny anivon’ny orinasa voakasika. Andiampanontaniana samy hafa no narafitra ho amin’izany. Nisy ny atrikasa nanaovana fifanakalozana hanamafisana sy hamaritana tsara ary hanitsiana ny fanazavana rehetra voangona nandritra ny dingana teo aloha. Nomanina 5 ihany koa ny andiam-panontaniana nitarihana sy nanentanana ny dinidinika tamin’io asam-bondrona io. Ny loharano nahazoana ny fanazavana dia ireo sendikà, tamin’ny alalan’ireo mpikambana ao aminy sy ny tomponandraikitra voalohany ary ny mpitarika eny anivon’ny foibeny, ny mpandrindra ny tetikasa, ny mpiray antoka anaty GFA, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny tranokalany, ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Asa(OIT) amin’ny alalan’ny tranokalany, ny Biraomparitry ny Fisafoana ny Asa(Inspection de Travail) ao Antananarivo sy Antsirabe. 4. Tsoakevitra Miabo ny vokatra azo raha jerena ny androantokon’ny tondro rehetra, na dia misy aza ny mbola azo hatsaraina. Nisy fiovana hita tamin’ny fomba fanao. Ny fomba fanao vaovao dia nahitampahombiazana satria namaly ny tena filàn’ireo izay iantefan’ny tetikasa, azo tohizina ara-potoana, ary azo itarina any amin’ireo sendikà hafa na orinasa hafa. 4.1. Asa natao tamin’ireo iantefan’ny tetikasa 4.1.1. Fampiofanana ireo mpiandraikitra sendikàly Nisy atrikasa fito notanterahan’ny IndustriALL sy ny FES nandritra ny tetikasa. Izany dia nahafahan’ireo mpisitraka nahazo ny fahalalana ilaina sy tena azo ampiharina ao anatin’ny sendikà sy ao anatin’ny fifandraisana arak’asa. Ny fiofanana dia niompana tamin’ny fomba fitantanana ny fiainana ao anatin’ny sendikà, toy ny fanamafisana ny fidirana sendikà, ny fifampiraharahana iombonana, ny karama mahavelona, ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy, ny fitantanana sy ny toekaren’ny orinasa, ireo tekinika fanaovana fifampiraharahana, ny tekinikan-tserasera. Ny isan’ireo tomponandraikitra sendikàly nofaritana hahazo ny fiofanana dia tratra avokoa, nihoatra mihitsy aza, toy izany koa ny tanjona napetraka momba ny fitsinjaran’ny fandraisana anjaran’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahery ny telopolo ireo mpisitraka ary ny 50% eo ho eo dia vehivavy avokoa. Na izany aza anefa, ny fanamby dia mbola mipetraka eo amin’ny fizarana sy ny fampiharana ny zavatra noraisina. Ny fiovaovan’ny mpandray anjara dia tena nisongadina ary zary sakana tamin’ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ny rafitra sendikàly ifotony. 4.1.2. Fanamafisana ny fidirana sendikà Vokatry ny fampiharan’ireo rafitra sendikàly ifotony mpikambana amin’ny IndustriALL ny tantsoroka ara-tekinika àry dia ny fito tamin’ireo sivy avy amin’ny orinasa nanaovana fanadihadiana no nahitana fitomboan’ny mpikambana tao aminy nandritra ny tetikasa. Ny salanisan’ireo mpikambana rehetra tao amin’ireo federasiona sendikàly telo dia nitombo avo fito heny nandritra ny telo taona niasana. Tsy àry mitovy anefa ny tahan’ny fiakarana teo amin’izy ireo satria ny iray tamin’ireo sendikà telo ireo dia nilaza ny fihenan’ny isan’ny mpikambana tao anatin’ny orinasa anankiroa. Ireo sendikà telo mpikambana dia nahitana toe-javatra antsoina hoe« vase communiquant»: matetika dia ny mpiasa efa ao anaty sendikà no miala amin’ny fikambanana efa misy azy ka miditra amin’ny hafa. Vokatr’izay, tsy dia misongadina ny fialàna amin’ny sendikà na ny fidiran’ny mpikambana vaovao. 4.2. Fanamafisana ny fahaiza-manao sendikàly 4.2.1. Taorian’ny asa natao ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana iombonana no nahafahan’ny sendikà ifotony nanangana ekipa mpanao fifampiraharahana iombonana izay afaka mifampiresaka tsara amin’ny mpampiasa. Ny Komitin’ny orinasa dia tafapetraka tany amina orinasa roa farafahakeliny izay voafehin'ny GFA, ary sendikà iray farafahakeliny no mihevitra fa afaka manolotra fifanarahana iombonana ifampiraharahany amin’ny 6 mpampiasa. Hita araka izany ny fandrosoana na dia teo aza ny sakantsakana mahery vaika toy ny fandroahana mpiasa maro voaofana na ny fahasarotan’ny adihevitra mahakasika ny fanomezana karama araka ny asa vita. 4.2.2. Na dia tsy raikitra araka ny tokony ho izy aza ny fifanarahana iombonana dia nahavita nanao fifampiraharahana iombonana tamin’ny mpampiasa ihany ny sendikà teo amin’ny sehatra sasany ary nahazo vokatra azo tsapain-tanana toy ny fiakaran’ny vola solon-tsakafo(orinasa ABE5), ny fahazoana misitraka ny fialantsasatra isan-taona ho an’ireo« mpiasa an-tselika»(ABE5), na koa ny fitsaharan’ny fakana mpiantoka asa(sous-traitants) izay nataon’ireo orinasa sasany fehezin'ny GFA. 4.2.3. Hita taratra fa ny asa andavanandron’ireo solotenan’ny mpiasa izay mahazo tohana avy amin’ny solotena sendikàly dia manome hirika fanararaotra ho an’ny fifampiraharahana iombonana, na dia nisy fisalasalana aza teo amin’ny solotenan’ny mpiasa ny amin’ny fandrafetana fitakiana. Etsy ankilany ihany koa, tsy mamaly avy hatrany ny fitakiana rehetra voasoratra ao anatin’ny kahiempitarainana ny mpampiasa. 4.3. Fanjohiana ny fampiharana na tsia ny GFA ho an'ny eto Madagasikara sy ny fanoloran’ny sendikà fepetra hanitsiana izany 4.3.1. Ny fametrahana rafitra fanjohiana dia niatomboka tamin’ny fananganana ny Ivo GFA(point focal GFA) ao amin’ny orinasa: izany dia sendikàlista natao hiandraikitra ny fanangonana ny fitarainan’ny mpiasa. Teo ihany koa ny fananganana ny Komity GFA(Comité GFA) anivon’ny sendikà telo tonta: izy ireo kosa no misahana ny tranga fanitsakitsahana ny GFA ary mampita izany any amin’ny orinasa iraisampirenena(multinationale) voakasika. 4.3.2. Ny rafitra fanaovana fitorohana voafaritra ao anaty GFA dia nanomboka nampiasaina(tranga ANTA6 tamin’ny 2022), na dia mbola tsy voafehy tsara aza ny fombafomban’ny fitorohana, ary nampisalasala ny fahombiazan’izany. 4.4. Fivoizana ny Fifanarahana faha 190 an’ny OIT amin’ny maha-fanoitra fototra azy mba hanamafisana ny habetsaky ny sendikà any anivon’ny orinasa izay ahitana vehivavy maro an’isa Noho ireo fampahafantarana sy fampiofanana nataon’ny mpiantsehatra samihafa tao anatiny sy ivelan’ny tetikasa, ny sendikà dia manana fahalalana fototra momba ny Fifanarahana 190 an’ny OIT, toy izany koa ireo tomponandraikitra eny ifotony. Izany fifanarahana iraisampirenena izany dia mahakasika indrindra ny herisetra sy ny fanararaotana mianjady eny amin’ny sehatry ny asa. Na izany aza, tena hita miharihary fa ny fikambanan’ny mpampiasa dia mbola mandà ny fankatoavana io Fifanarahana io, ary mitsipaka ny fampidirana azy ao amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny asa. 5. Tolokevitra lehibe Azo fintinina toy izao manaraka izao ireo tolokevitra norafetina: 5.1. Ho an’ny IndustriALL- Faritra Afrika, Atsimon’ny Sahara: manohy sy manamafy ny tantsoroka omena ireo sendikà malagasy mpikambana amin’ny alàlan’ny fanairana ny mpiray antoka, noho ny maha-saropady ny fizohiana ny fitorohana ny fanitsakitsahana ny GFA. 5.2. Ho an’ny IndustriALL- Madagasikara: manaparitaka sy mampamokatra ireo fahalalana sy traikefa noraisina tamin’ny tetikasa, manamafy ny coaching eny amin’ny rafitra 7 ifotony, manome fahalalana(na mampiofana mihitsy) ireo mpikambana, momba ny lalàna sy ny fepetra takian’ny GFA. 5.3. Ho an’ny Komity GFA sy ireo Ivo GFA: mametraka firafitra mihodina tsara ho fizohiana maharitra ny fampiharana ny GFA, sy ho fanaovan-tatitra ara-potoana mankany amin’ny IndustriALL. 5.4. Ho an’ireo sendikà mpikambana ao amin’ny IndustriALL: mametraka firafitra entimanaraka sy manampy haingana sy mahomby kokoa ireo mpiasa mpikambana iharan’ny fanitsakitsahana ny zony; mampihatra ny toe-tsaina mampiaty ny mpiasa miasa ao amin’ireo orinasa valo« voahilika». 5.5. Ho an’ny solotenan’ny mpiasa sy ny solotena sendikàly: manamafy sy manome lanja ny loharanom-pahalalana ara-dalàna(ny fisafoana ny asa, ny fitsarana adin’asa, ny CNaPS, sns) sy ny fahaiza-mihaino ireo mpiasa solona tena. 5.6. Ho an’ireo mpandrindra, mpandamina sy mpampiofana: manaraka ny sendikà amin’ny fandrafetany ny drafitrasa ara-paikady, sy amin’ny fizohiana sy ny fanombanana ary ny fanaovana tatitra. 8 LISITRY NY TABILAO PEJY Tabilao 1: Fiofanana nomena ireo tomponandraikitry ny sendikà 15 Tabilao 2: Fivoaran’ny isan’ny mpikambana ao amin’ny rafitra sendikàly ifotony, 20 teo anelanelan’ny taona 2021 sy 2023 Tabilao 3: Tahan’ny fidirana sendikà isaky ny orinasa, tamin’ny 2023 22 Tabilao 4: Toroka narafitry ny solotenan’ny mpiasa ao amin’ny ANTA6, ANTA7, 23 ANTA3 Tabilao 5: Fanombanana ara-kalitao ny zava-bita araka ny tondro napetraka tao 26 amin’ny tetikasa LISITRY NY KISARY PEJY Kisary 1: Fitsinjarana araka ny mahalehilahy na mahavehivavy nandritra ny 19 fandraisana anjara tamin’ireo fiofanana rehetra Kisary 2 hatramin’ny 5: Fivoaran’ny fidirana sendikà eny ifotony 21 FANAFOHEZAN-TENY ASOS CEACR CNaPS FES GFA INDITEX OIT SEKRIMA SEMPIZOF SVS VHBG : AsSeenOnScreen : Commission d’Experts sur l’Application des Conventions et Recommandations : Caisse Nationale de Prévoyance Sociale : Friedrich-Ebert-Stiftung : Global Framework Agreement – Fifanarahana lasitra iraisampirenena : Industria de Diseño Textil, SA : Organisation Internationale du Travail : Sendikà Kristianina Malagasy : Sendikàn’ny Mpiasan’ny Zones Franches : Syndicalisme et Vie des Sociétés : Violence et Harcèlement Basés sur le Genre- Herisetra sy Fanararaotana mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy 9 1. FAMPIDIRANA Ny IndustriALL Global Union dia Federasiona sendikàly manerantany izay mampivondrona mpiasa miisa 50 tapitrisa manerantany, ary ny ankamaroan’izy ireo dia miasa amina orinasa iraisampirenena (multinationale) na koa miasa amin’ny Mpamatsy ireo orinasa ireo. Noho izany indrindra no nahatonga ny IndustriALL nametraka fomba fiarovana sy fampivoarana ny zo sy ny tombontsoan’ny mpiasa, izay mifototra indrindra amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa iraisampirenena ireo. Iray amin’izany endrika fiaraha-miasa izany ny fandraiketana sy fanatanterahana ireo fifanarahana antsoina hoe Fifanarahana lasitra iraisampirenena(Global Framework Agreement- GFA) 1 . Araka ny famaritana nomen’ny OIT tamin’ny 2007, ny GFA dia« fitaovana iray ifanarahan’ny orinasa iraisampirenena sy ny federasiona sendikàly manerantany mba hisian’ny fifandraisana mitohy eo amin’ny andaniny sy ny ankilany, ary koa ho fiantohana fa mitovy ny fenitra hajain’ny orinasa manerana ny firenena rehetra izay iasany»(OIT, 2007). Ny tanjon’ny GFA dia ny« hametrahana fenitra tsara indrindra mifandraika amin’ny zo sendikàly, ny fahasalamana, ny aroloza sy ny fiarovana ny tontolo iainana, ary koa ireo fepetra momba ny kalitaon’ny asa ao amin’ny orinasa manerana izao tontolo izao, na misy izany fenitra izany na tsia ao amin’ny firenena iray» 2 . Anisan’ny tombontsoa voalohany amin’ny GFA ny fisian’ny fepetra izay milaza fa ny orinasa mamatsy ny orinasa iraisampirenena dia voafatotry ny adidy avy amin’ny fifanarahana fototra ihany koa. Izany no mahatonga ny mpiasa an-tapitrisa miasa amina rohipamatsiana(chaîne d’approvisonnement) ho afaka manararaotra ny fepetra ao anatin’ny GFA mba ho voahaja ny zony. Ny ankamaroany moa dia hita any amin’ny firenena manana olana amin’ny fampiharana ny fenitra iraisampirenena sy ny fenitra nasionaly momba ny asa. Amin’ireo seha-pamokarana nanaovan’ny IndustriALL sy ny orinasa iraisampirenena GFA dia ahitana ny seha-pamokarana ny lamba, fitafiana, kiraro ary hoditra. Ho an’i Madagasikara misy amin'ireo orinasa misehatra amin’io seha-pamokarana io no mamokatra ho an’ny INDITEX sy ASOS, izay mifamatotra amin’ny GFA miaraka amin’ny IndustriALL. INDITEX dia ahitana orinasa maro manamboatra, mitsinjara ary mivarotra akanjo sy kojakoja. Ny ASOS kosa dia mifototra indrindra amin’ny varotra ampitain-davitra ireo akanjo, kiraro ary zavatra hafa maro momba ny lamaody. Nosoniavina tamin’ny 2007 ny GFA teo amin’ny IndustriALL sy INDITEX ary nohavaozina tamin’ny 2019 izany. Ny an’ny IndustriALL sy ASOS kosa dia nosoniavina tamin’ny 2017 2F 3 Ny tanjon’ireo GFA anankiroa ireo dia ny« hametraka fifandraisana sy fifanakalozana eo amin’ny mpiantsehatra, izay heverina hanamora ny falalahan’ny sendikà sy ny fampiharana ny zo sendikàly ary ny fifampiraharahana iombonana. Ireo dia samy fitaovana mampandroso sy mampaharitra ny vokatra, ka tokony homen-danja raha tiana ny hampihatra ireo zo fototra eo amin’ny asa, raha kendrena ny hamaha ireo fifanolanana eo amin’ny asa any anatin’ny ozinina Mpamatsy ao amin’ny rohi-pamatsiana… 4 ». Noho izany, ny fifanarahana dia azo adika ho fandraisana andraikitry ny orinasa iraisampirenena voakasika sy ireo Mpamatsy azy, ho fampanarahana ny lalàna nasionaly sy ny fenitra iraisampirenena izay mamaritra ny zon’ny mpiasa, indrindra ireo zo sy falalahana fototra. Ny fifanarahana dia mitsinjo indrindra ny mahazava-dehibe ny falalahanan’ny sendikà sy ny zo hanao fifampiraharahana iombonana izay fototra hametrahana rafitra matotra eo amin’ny fifandraisana arak’asa ao anatin’ny rohi-pamatsiana. Ny fifanarahana dia milaza ihany koa fa ny andaniny sy ny ankilany dia manaiky ny hampafantatra sy hihaona raha misy disadisa ny fampiharana izany. 1 Ny anarana amin’ny teny anglisy Global Framework Agreement(GFA) no noraisi’ny IndustriALL sy ny mpikambana ao aminy eto Madagasikara 2 https://www.IndustriALL-union.org/fr/accords-cadres-mondiaux-0 3 Jereo GFA ao amin’ny Tovana 5 4 Jereo§3.3 ao amin’ny GFA nifanarahan’ny ASOS sy IndustriALL Global Union ao amin’ny Tovana 5 10 Ny fanadihadiana natao tamin’ny 2021 tao Antananarivo sy Antsirabe tany amin’ireo orinasa mamokatra ho an’ny ASOS sy INDITEX dia nampivoitra ny olana sedrain’ny mpiasa vokatry ny fanosihosena ny zon’izy ireo, indrindra ny momba ny ora iasana, ny karama, ny herisetra sy ny antsojay eny amin’ny toeram-piasana, anisan’izany ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy, ny zon’ny vehivavy sy ny fiarovana azy raha mitondra vohoka na miteraka, ny falalahana sendikàly sy ny zo hanao ny fifampiraharahana iombonana. Io fanadihadiana io dia natao nandritra ny tetikasa“Organising in TGSL” na« Fandaminana ny mpikambana amin’ny sehapamokarana Lamba, Fitafiana, Kiraro ary Hoditra» izay notanterahana teto Madagasikara nandritra ny telo taona, ny 2021 hatramin’ny 2023. Ity tatitra ity dia miompana amin’ny fanombanana io tetikasa io. 2. FANAZAVANA FINTINA NY TETIKASA 2.1. Tanjon’ny tetikasa NY tanjon’ny tetikasa dia ny hanamafisana ny asa ataon’ny sendikà malagasy mpikambana ao amin’ny IndustriALL Global Union eny anivon’ny ozinina mamokatra ho an’ny Marika izay nanao fifanarahana GFA, ary ny hamelana ny sendikà hamaritra paikady hanaovana ny dinika sosialy any amin’ny toeram-piasana sy ny indostria, indrindra ho an’ny falalahana sendikàly, ny karama, ny tombontsoa ara-tsosialy sy ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy. 2.2. Ireo iantefany Misokajy roe ireo iantefan’ny tetikasa, ka anisan’izany: 2.2.1. Ireo iantefany mivantana Ny iantefany mivantana dia ny sendikàn’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Mpamatsy ireo Marika mpiray antoka amin’ny GFA, ny solotena sendikàly, ny solotenan’ny mpiasa izay natao hifampiresaka sy hanao fifampiraharahana iombonana miaraka amin’ny mpampiasa, mba hiaro sy hanatsara ny tombontsoan’ny mpiasa etsy andaniny, ary mba hohainoana ny feon’ny mpiasa ho fampandrosoana ny orinasa etsy ankilany. 2.2.2. Ny mpisitraka farany sy ny orinasa nipoirany 2.2.2.1. Mpisitraka Ny mpiasa ao amin’ny orinasa Mpamatsy ho an’ny orinasa fehezin’ny GFA. Ho an’ny tombontsoan’izy ireo indrindra no anatanterahan’ny sendikà ireo asa enti-manatratra ny tanjon’ny tetikasa araka ny andininy 2.1 eo ambony. 2.2.2.2. Orinasa nipoirany Mba ho fanajana ny fomba fanao sy ny fitanana ho tsiambaratelo ny toerana sy ny anaran’ny orinasa voakasika, dia famantarana na“codes” samihafa no ampiasaina amin’izao tombana izao, tahaka izay natao nandritra ny fanadihadiana tany amin’ny fiandohan’ny tetikasa. Tany am-boalohany, ny tetikasa dia nikasa ny hahatratra orinasa 10, ka 6 ao Antananarivo, ary 4 ao Antsirabe. Ity tombana ity kosa dia mahakasika orinasa miisa 4: ANTA3, ANTA6, ANTA7 ary ABE5. Nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa dia orinasa miisa 8 izay hita tao amin’ny fanadihadiana 2021 no tsy tafiditra instony tao amin’ny asa natao. Ho an’ny orinasa ao Antananarivo dia isan’izany ny ANTA1, ANTA2, ANTA4, ary ny ANTA5. Ho an’Antsirabe, ny orinasa rehetra izay nokendrena tamin’ny fanadihadiana dia“voahilika” avokoa tamin’ny asan’ny tetikasa(ABE1, ABE2, ABE3, ary 11 ABE4). Ankoatr’izay anefa dia orinasa miisa 2, izay tsy tafiditra tao anatin’ny fanadihadiana 2021, no nandray anjara tamin’ny asa fanatanterahana ny tetikasa, anisan’izany ANTA7 sy ABE5. Mitarika ho amin’ireto fanamarihana manaraka ireto izany fiovana teo amin’ny orinasa nanatanterahana ny asa izany: Ho an’ireo orinasa« voahilika»: nohazavain’ny mpikarakara fa ny fanapahankevitra tsy hampandray anjara ireo orinasa miisa 8 satria nijanona tsy tonga intsony ireo solotena tamin’ny fotoana nanaovana ny tetikasa, noho ny antony samihafa 4F 5 , ka tsy nandray anjara tamin’ny sahanasa intsony izy ireo ary tsy nampita ihany koa ny vaovao entina manao ny fizohiana ny fanatanterahana ny tetikasa. Raha Mpamatsy ny ASOS avokoa ireo orinasa efatra voafantina dia tsy midika ho niniana natao ny fanilihana ireo an’ny INDITEX, ary dia notsindrian’ny mpikarakara aza fa manatombo ny olan’ ireto farany mahakasika ny fisitrahana ny zo sasany indrindra ny zo sendikàly. Ny fanadihadiana tamin’ny 2021 dia namoaka fa hoan’ny orinasa ANTA1 sy ANTA5, dia nolavin’ny mpampiasa ny zo sendikàly sy ny zo hisolo tena ny mpiasa, ary izay indrindra no nahatonga ilay torohevitra ao amin’ny teboka 6.4 amin’ity tatitra ity. Mahakasika ny fampidirana ireo orinasa vaovao miisa 2 kosa dia noho izy ireo Mpamatsy ny Marika ASOS, sy noho ny fisian’ny sendikà mpikambana amin’ny IndustriALL ao anatiny. 2.3. Ny tondro Mivondrona ho telo ny tondro nofaritan’ny tetikasa ary ampiasaina izany ho fandrefy amin’ity tombana ity. Ankoatr’izay, ilaina ihany koa ny mampahatsiahy azy ireo etoana araka ny famaritana voarakitra ao amin’ny tetikasa: 2.3.1. Ireo tondro mamaritra ny habetsaky ny olona sy ny orinasa iantefana IndustriALL dia hanome tantsoroka ara-tekinika iray sy fampiofanana iray ho an’ny mpiandraikitra sendikàly 25 hatramin’ny 30 isa ka ny 40% dia vehivavy; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia hampiakatra ny tahan’ny mpikambana ao amin’ny sendikà any amin’ny ozinina 3 hatramin’ny 5 izay mamatsy amin’ny sehatra iraisampirenena; Farafahakeliny orinasa mpamokatra iray ao amin’ny faritra no iantefan’ny asa nasionaly sy ny fananganana tambajotra; 2.3.2. Ireo tondro mifandraika amin’ny fahaiza-manao sendikàly Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia mifototra indrindra amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fifampiraharahana iombonana: ny lafiny ara-drafitra(ekipan’ ny fifampiraharahana iombonana), ny lafiny tekinika(tohankevitra) ary ny lafiny fanentanana(serasera, fametrahana ny tambajotra sy fanetsehana), mba hiadiana amin’ireo olana nisongadina nandritra ny fanadihadiana, araka ny fomba famahana fifanolanana na fandrafetana fifanarahana iombonana iraisan’ny mpampiasa Mpamatsy; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia nampiditra ny resaka momba ny karama (ny karama mahavelona sy/na ny karama farany ambany izay ambony kokoa):(1) mahalala bebe kokoa ny firafitry ny karama, ny fifandraisan’ny karama sy ny fepetra arak’asa, anisan’izany ny ora iasana, ny fahaiza-manao, ny taha-pamokarana ary ny 5 Amin’ny ankapobeny dia noho ny tsy famelan’ny mpampiasa azy ireo handeha hiofana 12 fifanarahana arak’asa, ary indrindra ny fifamatoran’ny karama amin’ny fombafomba ara-barotra fanaon’ny Marika, ny fifanarahana momba ny karama ao amin’ny sehapamokarana;(2) mametraka paikady hanaovana ny fifanarahana momba ny karama ho an’ny seha-pamokarana,(3) mampitombo ny fampiasana ny paikadin-tserasera, ny fananganana tambajotra, ny hetsika iombonana(fangatahana an-tsoratra iombonana) ho an’ny fanetsehana momba ny karama; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia manjohy sy manao tatitra ny fampiharana na tsia ny GFA ao amin’ny orinasa eto Madagasikara araka ny tondrozotran’ny zo sy ny falalahana sendikàly; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia manavao ny zotran’ny fandaminana ny mpiasa sy ny fampidirana mpikambana ao amin’ny rohi-pamokarana, araka ny tondrozotran’ny zo sy ny falalahana sendikàly; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia manjohy sy manao tatitra any amin’ny IndustriALL ny fampiharana na tsia ny GFA ao amin’ireo orinasa eto Madagasikara ary manolotra fepetra hanitsiana izay tsy mety; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia manamafy ireo paikady sendikàly hisorohana sy hanafoanana ny herisetra sy ny antsojay mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy(VHBG): manamafy ny fahafantarany ny mahalehilahy sy mahavehivavy, ny herisetra sy ny antsojay mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy sy ny vokatr’izany; mametraka fitaovana fisorohana miainga amin’ny fanombanana ireo amban-doza mety hisian’ny herisetra sy antsojay mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy; mamolavola paikady hampidirana ny ady atao amin’ny VHBG ao anatin’ny politika eny anivon’ny toeram-piasana sy any anatin’ny fifanarahana iombonana. 2.3.3. Ireo tondro manamarika ny fiovana andrasana Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia nahitana fandrosoana tamin’ny fametrahana ny fifampiraharahana ao amin’ny seha-pamokarana, ka ny tondrozotra momba ny zo sy falalahana sendikàly sy ny firafitra famahana ny fifanolanana ary ny fifanarahana iombonana amin’ny orinasa Mpamatsy marolafy no niaingany tamin’izany; Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia nitohy tamin’ny fivoizana ny Fifanarahana 190 an’ny OIT mahakasika ny herisetra eny anivon’ny asa ho tahaka ny fanoitra lehibe hanatevenana ny isan’ny mpikambana ao amin’ny sendikà any amin’ny orinasa izay ahitana vevivavy maro an’isa. 3. FINTINA IREO DINGANA ARAHINA SY NY FITAOVANA NANAOVANA NY TOMBANA 3.1. Antonantony Ny tombana dia natao hamantarana: Raha toa ka tanteraka avokoa ireo asa nofaritana hatao(ohatra, inona avy ny asa vita miohatra amin’ireo nofaritana hatao, ary voadinika avokoa ve ny lohahevitra voafaritra rehetra); Hatraiza ny fahatrarana ny vokatra nandrasana sy ny tanjon’ny tetikasa, ary moa ve nisy fiantraikany tena azo tsapain-tànana teo amin’ny fiainan’ny sendikà sy teo amin’ny fepetra arak’asa ary teo amin’ny fiainan’ny mpiasa; Hatraiza ny fifandrifian’ny tanjona nofaritana amin’ny tena filàn’ireo mpisitraka sy iantefana (ny mpiasa sy ny sendikà); 13 Raha tafita any amin’ny mpandray anjara sy ny mpisitraka ny fahaiza-manao ara-tekinika; Raha nahafahana nanavaka ny fomba fanao mahomby sy tsy mahomby ny tetikasa. 3.2. Fomba fiasa, fitaovana ary loharano Araka ireo antonantony voalaza eo ambony ireo, ny tombana dia notanterahina araka izao fomba fiasa izao: 3.2.1. Fanangonana sy fandinihana ireo antontan-taratasy Ny fandinihana ny antontan-taratasy dia nahafahana nanambatra sy nifehy ireo torohay fototra mba Ho azo tsara ny fepetra sy fomba fiasan’ny GFA ary koa ireo endrika fizohiana ny fampiharana azy, ary ny dingana arahina amin’ny fametrahana fitarainana raha misy fanitsakitsahana ireo andininy hita ao anatiny. Noho izany dia nodinihina ireo andininy voarakitra ao amin’ny GFA, ary torak’izany koa ireo tondrozotra an’ny IndustriALL Global Union momba ny famintinana sy fampiharana ny GFA; Hifehezana ireo fenitra iraisampirenena sy nasionaly momba ny asa, indrindra ireo fepetra sy zo ifantohan’ny tetikasa, toy ny falalahana sendikàly, ny zo amin’ny fifampiraharahana iombonana, ny fepetra arak’asa, toy ny karama sy ny fotoana iasana, ny ady atao amin’ny herisetra sy ny antsojay mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy, ny fiarovana rehefa mitondra vohoka na miteraka; Hampivoitra izay tanteraka nandritra ny tetikasa miohatra amin’ireo noheverina hotanterahana. Ny drafitr’asan’ny GFA sy ny tatitry ny asa isan-karazany nataon’ny sendikà sy ny FES no notrandrahana ho amin'izany; Hamantarana ny fiantraikan’ny asa rehetra notanterahina tamin’ny alalan’ny fandinihana ny fitaovana fampiasan’ny solotenan’ny mpiasa toy ny« kahiem-pitarainana» sy ny « kahien’andraikitra», na tamin’ny alalan’ny fitrandrahana ireo antontan-taratasy noraisin’ny Fisafoana ny asa an-tànana momba ny fifanolanana nitranga tao anatin’ny orinasa voakasika. 3.2.2. Fanadihadiana Nisy ny fanadihadiana notanterahana: teo amin’ny mpiandraikitra sendikàly teto amin’ny foibe nasionaly sy tany amin’ny faritra, mba hahazoana fanazavana momba ny zava-bita sy ireo olana sasany izay manahirana mahakasika ny zo sendikàly; teo amin’ny solotenan’ny sendikà, ny solotenan’ny mpiasa, ny mpikambana ao amin’ny Komity GFA sy ny mpikambana ao anatin’ny sendikà fototra eny amin’ny orinasa voakasika, mba hanaovana tombana ny fahalalany ny tetikasa sy ireo tantsoroka tekinika nositrahan’ny sendikà nandritra ny tetikasa, ary koa ny fivoaran’ny fifandraisana arak’asa sy ny fepetra arak’asa nanomboka tamin’ny nametrahana ny tetikasa. 3.2.3. Dinika anaty vondrona(Focus group) Notanterahana ny marainan’ny 13 jolay 2023(jereo ny Tovana 2 sy 3) ny dinika anaty vondrona. Io no nahafahana nanamafy sy namaritra tsara, ary indraindray koa nanitsy, ny fanazavana voangona nandritra ny dingana teo aloha. Nisy ny fandraisana anjaran’ny mpitarika sendikà izay mpikambana ao amin’ny IndustriALL, ny solotena sendikàly, ny solotenan’ny mpiasa, ireo mpiasa ao amin’ny sendikà mpikambana, ary koa ny mpiandraikitra ny fisafoana ny asa. 14 3.2.4. Fitaovana Andiana fanontaniana roa samihafa no norafetina(jereo ny Tovana 1 sy 2): iray ho an’ny mpitarika sendikàly ary ny iray(nadika amin’ny teny Malagasy) ho an’ny solotena sendikàly sy ny solotenan’ny mpiasa, ary ny mpikambana anaty sendikà. Fanontaniana-tari-dàlana maromaro no nomanina mialoha mba hahamora ny fanentanana sy hampifantoka ny fifanakalozana amin’ireo lohahevitra ilaina hodinihina. Mahakasika ny fitaovana ara-solotsaina, Microsoft Word sy Excel no nampiasaina tamin’ny fanangonana sy fikirakirana ny angon-kevitra. 3.2.5. Loharano Ny loharano nakana ny torohay nilaina hanaovana ny tombana dia: Ireo sendikà eny ifotony, tamin’ny alalan’ny mpitarika, ny solotena sendikàly, ny solotenan’ny mpiasa, ary ny mpikambana anaty sehatra sendikàly ao anatin’ny orinasa voakasika; Ny mpitarika sendikàly eo anivon’ny faritra(Antsirabe sy Antananarivo) sy ao amin’ny foibe; Ny mpikarakara: solotena sendikàly foibe, FES; Ny mpiray antoka ao amin’ny GFA, tamin’ny alalan’ny tranokalany: IndustriALL Global Union, ASOS sy INDITEX; Ny OIT, tamin’ny alalan’ny tranokalany; Ny biraom-paritry ny Fisafoana ny Asa ao Antananarivo sy Antsirabe. 4. NY VOKATRY NY TOMBANA ARAKA NY TANJONA TRATRARINA/NY VOKATRA/ NY TONDRO 4.1. Vokatry ny asa natao tamin’ireo iantefan’ny tetikasa 4.1.1. Fampiofanana ireo tomponandraikitra sendikàly(25 hatramin’ny 30 ny isan’ireo tomponandraikitra, ka ny 40% dia vehivavy) Ity tabilao manaraka ity dia manazava ny fampiofanana ny tomponandraikitra sendikàly tao anatin’ny tetikasa, nomen’ny IndustriALL niaraka tamin’ny tantsoroka nataon’ny FES tamin’ny 2021, 2022, 2023: Tabilao 1: Fiofanana nomena ireo tomponandraikitra sendikàly MPANDRAY ANJARA Lah° FIOFANANA LOHAHEVITRA VEHIVAVY LEHILAHY MIARAK A Atrikasa(natrehana mivantana sy nampitain-davitra) nanaovana tatitra ireo vokatry ny fanadihadiana momba Tatitry ny vokatry ny fanadihadiana 1 ny“textile” momba ny“textile” natao tamin’ny 09 30 septambra 2021 2021 Hôtel Le Pavé Antananarivo 15 14 23 Lah° FIOFANANA LOHAHEVITRA MPANDRAY ANJARA VEHIVAVY LEHILAHY MIARAK A Atrikasa(natrehana mivantana sy nampitain-davitra) nanaovana fiofanana sy nandrafetana ny paikady Fiofanana sy fandrafetana ny paikady 2 sendikàly ao amin’ny orinasa sendikàly ao amin’ny orinasa 13 21-22-23 oktobra 2021 Hôtel Impérial Antsirabe Ireo fomba fanao tsara amin’ny Fiofanana tafiditra ao anatin’ny fifampiraharahana atrikasa voalohany ho fizohiana ny 3 fivoaran’ny vitriky ny sendikà Kolotsaina sendikàly 13 16-17 may 2022 Hôtel Le Pavé Antananarivo Sendikà miova/ miofo VHBG(herisetra sy antsojay mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy) Fahalalana fototra momba ny mahalehilahy na mahavehivavy sy ny VHBG Ny VHBG eo amin’ny sehatry ny asa 4 13-14-15 jolay 2022 17 Ny fisorohana ny amban-doza ateraky Sœurs Notre Dame du Cénacle ny VHBG sy ny andraikitry ny sendikà Ambohipo Antananarivo Ny paikady sy fomba tokony hapetraka eo amin’ny toeram-piasana mba hampitsaharana ny VHBG Paikady handaminana ny mpiasa sy hampidirana mpikambana anaty sendikà araka ny tondrozotra apetraky ny GFA sy ny FehezanFanetsehana hiditra sendikà dalàna momba ny Asa eto Madagasikara momba ny falalahana 5 15 – 17 martsa 2023 sendikàly 8 Sœurs Notre Dame du Cénacle Ambohipo Antananarivo Fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny sendikà amin’ny fifampiraharahana iombonana- Inona no atao hoe fifampiraharahana iombon? ana Inona avy ny dingana arahina? Aiza no tokony hanomboka? 20 33 14 27 18 35 9 17 16 Inona ireo rafitra (conciliation) sy (médiation)? fampihavanana fanelanelanana Inona avy no etikan’ny sendikà ary nahoana no ilaina izy ireny amin’ny fanatsarana ny endriky ny sendikà eo amin’ny fiaraha-monina? Mametraka ny hery sy fahefan’ny sendikà amin’ny alalan’ny firaisan’ny sendikà Fanetsehana ho an’ny karama mahavelona* Paikady ho an’ny hoavy sy ny zotra arahina Voafaritra ny fiorenan’ny fahefana itambarambe mifototra amin’ny mpikambana ao amin’ny sendikà(ny maha-izy azy). Napetraka ny taotsary ho tahaka ny fitaovana iray fanetsehana sy fizohiana ny fandraisana anjara mavitriky ny tanora sy ny vehivavy (taotsarin’ny orinasa). Nofaritana ny fiorenan’ny tsingerimpiovana(tsingerina). Coaching ho an’ ireo sendikà fototra Voavaka ny fihetsiky ny mpikambana 6 24 – 25 aprily 2023 sy izay mety ho mpikambana 6 Diantan’Hotel Antsirabe (taotsarin’ny fihetsika). Voaray ny rakibolana momba ny toekaren’ny orinasa(ny tahapamokarana sy ny fetra ahazoana tombom-barotra). Voakajy ny kaontin’ny vokatry ny orinasa. Mampihatra ny tekinikan-tserasera. Seho sehatra ho fampiharana ny tekinikan’ny fifampiraharahana iombonana. Coaching ho an’ireo sendikà fototra 7 25 – 26 may 2023 Sahala 8 Birao FES Antananarivo Loharano: tatitry ny asa nataon’ny sendikà sy ny FES 17 8 14 7 15 *karama mahavelona: Tsy ny fanetsehana momba ny“karama” amin’ny ankapobe no imasoan’ny IndustriALL fa ny “karama mahavelona” na“karama farany ambany mahavelona”. Vokatr’izany, ny karama mendrika dia mamaly ny filàna fototry ny mpiasa, ohatra sakafo, hofantrano, saram-pitaterana, sarampianarana, sns, mba tsy ho mpiasa mahantra izy ireo. Ny karama farany ambany voafaritry ny lalàna ankehitriny eto Madagasikara izay latsaky ny 300 000 Ariary dia tsy karama mendrika. Izany no nahatonga ny fanararaotana eo amin’ny ora fiasana, ny ora amboniampanga ary ny fanararaotana ara-nofo. Fanamarihana: (1) Fandinihana ny fandraisana anjara Raha jerena ny isan’ny mpandray anjara isaky ny atrikasa dia tratra na nihoarana aza ny tanjona napetraka: 25 hatramin’ny 30 ny isan’ireo tomponandraikitra sendikàly nofanina. Toy izany koa ny tahan’ny mahalehilahy na mahavehivavy teo amin’ireo mpandray anjara, satria ny taham-pandraisana anjaran’ny vehivavy dia nahatratra teo amin’ny 50%n’ny mpandray anjara rehetra. Ireo lohahevitra nodinihina kosa amin’ny ankapobeny dia namaly ny olana nisongadina tamin’ny fanadihadiana natao tamin’ny 2021 sy ireo tondro napetraky ny tetikasa mahakasika ny fanamafisana ny fidirana sendikà, ny fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana iombonana, ny fifehezana ny resaka momba ny karama sy ny fahaizana miatrika ny olana momba ny herisetra sy antsojay mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy. (2) Fizarana sy fampiharana izay norantovina Ny solotena sendikàly izay nanaraka ny fiofanana nomena nandritra ny tetikasa dia nahazo fahalalana momba ny lohahevitra noresahina. Ankoatr’izay, ny fampitàna ny fahalalana amin’ny mpiasa sy ny fampiharana ny fahaizana norantovina mba ho fiarovana sy fanatsarana ny zon’ny mpiasa dia tokony hojerena akaiky. Ny fanadihadiana natao mantsy dia nanamarika fa ny fisitrahana ny fizarana fahalalana momba ny zo dia loharanon’ny fahavitrihan’ny mpiasa ka manatsara sy mampaharitra ny firotsahana ao amin’ny sendikà. Araka izany dia nisongadina ireto toe-javatra manaraka ireto: Etsy andaniny, ny sendikà dia nilaza ny faniriany mba hisitrahan’ireo sendikà hafa tsy ao anatin’ny IndustriALL ihany koa ny fiofanana, mba hitovy tantana ny torohay sy ny fahaizamanaon’ny tomponandraikitry ny sendikà amin’ny dinika ifanaovana amin’ny mpampiasa. Ohatra amin’izany ny tranga tao amin’ny ABE6 izay solotenan’ny mpiasa iray monja tamin’ireo efatra no voafidy tamin’ny anaran’ny sendikà mpikambana ao amin’ny IndustriALL. Tao anatin’io orinasa io ihany, ny solotena sendikàly mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia niisa iraika amin’ny folo raha roa ambin’ny folo kosa ho an’ireo tsy mpikambana. Etsy ankilany, voamarina ny fahabangana izay nampiahiahy. Mpiasa mpikambana anaty sendikà iray no nilaza fa ny tomponandraikitry ny sendikà misy azy izay nanatrika fiiofanana dia tsy mbola nizara izany fahalalana izany tamin’ireo mpikambana hafa. Rehefa nanontaniana ireo tomponandraikitra sendikàly ireo dia nanazava fa misy sakana tsy ahafahany manao izany fizarana izany: eo ny fotoana(ny fotoana malalaka kely mba ananany amin’ny ankapobeny dia ny fotoana isakafoanana atoandro), ny enti-mihetsika(ahoana ny fomba hamoriana ny mpiasa any ivelan’ny orinasa aorian’ny ora fiasana), ny fahasarotan’ny fidirana ao anaty orinasa ho an’ireo mpitarika anivon’ny faritra sy ny foibe. Fanampin’izany, raha ny fampiharana ny fahaizana norantovina no asian-teny, dia ahitana lafiny tsara sy lafiny ratsy, arakaraka ny sehatra. Ohatra, ho hitantsika ao amin’ny tabilao 2 eo ambany fa tsara ny vokatra tamin’ny fampidirana mpikambana anaty sendikà tamin’ny alalan’ny fanendrena mpitarika mpanentana ny mpiasa isaky ny« section». Vao mainka mahomby kokoa io rafitra fampidirana mpikambana io rehefa mifanandrify amin’ny fifidianana solotenan’ny mpiasa ny fanetsehana. 18 Torak’izany ny amin’ny fifehezana ny serasera, voamarika ny fisian’ny vokatra tsara satria voalazan’ireo tomponandraikitra nofanina fa efa afaka mampita ny hafatra araka izay tokony ho izy amin’ireo mpiasa izy ireo, ohatra ny ilàna ny fidirana sendikà, ary etsy ankilany ihany koa dia mivoatra ny lojikan’ny fifandraisana amin’ny mpampiasa, ka ny fifanandrinana dia zary fifampidinihina, na firaisana antoka. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia tsikaritra ny lesoka eo amin’ny fanaovana drafitrasa (planification), indrindra ny drafitra ara-paikady(planification stratégique), satria ny iray amin’ireo sendikà telo mivondrona ao amin’ny IndustriALL ihany no nanambara fa manatanteraka izany anivon’ny foibeny. Manolotra programan’asa ny sendikà ifotony anivon’ny orinasa rehefa tonga ny fampielezan-kevitra ifidianana ny solotenan’ny mpiasa, kanefa toa mijanona ho fampanantenana ihany izany fa tsy tena drafitrasa mikendry asa sy vokatra maharitra. Farany, ny mpikarakara dia nahatsikaritra fa miovaova hatrany ny mpandray anjara isaky ny atrikasa izay notanterahina ka nampananosarotra ny fitohizan’ny ezaka nanamafisana ny fahaiza-manao ny sendikà. Voatery miverina amin’ny dingana efa vita hatrany mba hampitovy tantana ny torohay ananan’ny mpandray anjara rehetra. Kisary 1: Fitsinjarana araka ny mahalehilahy na mahavehivavy ireo mpandray anjara tamin’ireo fiofanana rehetra FANDRAISANA ANJARA AMIN’IREO ATRIKASA FIOFANANA ARAKA NY MIRALENTA 25 20 15 10 5 0 A S T E R S IK SI A O S N A 1 A S T E R S IK S A IO SA N 2 2 A S T E R S IK SI A O S N A 3 A S T E R S IK S A IO SA N 4 4 VEHIVAVY LEHILAHY A S T E R S IK SI A O S N A 5 A S T E R S IK S A IO SA N 6 6 A S T E R S IK S A IO SA N 7 7 4.1.2. Fanamafisana ny fidirana sendikà(Fampitomboana ny tahan’ny fidirana sendikà tao amin’ny ozinina 3 hatramin’ny 5 mamatsy ny orinasa iraisampirenena) Ny Tabilao 2 sy ny sary 2 ka hatramin'ny 5 etsy ambany dia maneho ny fivoaran'ny mpikambana ao amin'ny sendikà fototra miisa 9 amin'ny orinasa miisa 4: SEMPIZOF(ANTA3, ABE5, ANTA7, ANTA6), SEKRIMA(ANTA6, ANTA7, ANTA3, ABE5), SVS(ANTA6). 19 Tabilao 2: Ny fivoaran’ny mpikambana tao amin'ny sendikà fototra teo anelanelan’ny 2021 sy 2023 SENDIKÀ ANTA6 2021 2023 ANTA3 ABE5 2021 2023 2021 2023 ANTA7 2021 2023 SVS(2022-2023) 11 300 NA NA NA NA NA NA SEMPIZOF 16 57 70 240 22 30 (2022) (2022) 63 120 SEKRIMA 0 10 171 120 20 150 NC 78 (talohan’ny 2018:<200) Loharano: fanadihadiana ireo sendikà fototra namafisina tamin’ny vokatry ny dinika anaty vondrona *NC: tsy fantatra;**NA: tsy azo ampiharina(tsy misy sendikà ao amin’ny orinasa) Fanamarihana: Ny 7 amin'ireo sampana sendikàly miisa 9 no mitatitra ny fitomboan'ny isan'ny mpikambana ao aminy. Raha jerena ny tabilao dia hita fa nitombo efa ho enina heny ny salan’isan’ny mpikambana ao amin’ny sendikà telo mitambatra nandritra ny telo taona nanaovana ny fandinihana. Na izany aza, ny SEKRIMA dia nanamarika tranga izay tokony hohamarinina sy hodinihina. Indraindray, ny fitomboana na ny fihenana voarakitra ao amin'ny sendikà fototra dia tsy misy fiantraikany amin'ny isan'ny mpiasa tafiditra sendikà ao amin'ny orinasa. Nanazava ny SEKRIMA fa ny fihenan'ny isan'ny mpikambana ao amin'ny ANTA3 sy ANTA7, ohatra, dia tsy voatery hidika ho fanalàna ny mpiasa tsy ho sendikà. Torak'izany koa, ny fitomboan'ny isan'ny mpikambana ao amin'ireo sendikà fototra dia tsy voatery avy amin'ny fidiran’ny mpiasa vaovao anaty sendikà. Raha ny marina, dia miala fotsiny avy amin'ny sendikà iray ny ankamaroan’ny mpiasa ary miditra anaty sendikà iray hafa. Araka ny torohay avy amin'ny tomponandraikitra ao amin'ny sendikà fototra dia tsy nahitana fitarana lehibe ihany koa ireo sendikà tsy mpikambana ao amin’ny IndustriALL nandritra izay vanim-potoana izay. Izany rehetra izany dia toa manondro ankolaka fa ao amin'ireo orinasa roa izay nahitan'ny SEKRIMA ny fihenan'ny isan'ny mpikambana ao aminy ireo dia nifindra sy nampitombo isa ny SEMPIZOF izy ireo. Na izany aza, azo lazaina fa vokatra tsara no azo noho ny hetsika fanentanana sy fampidirana mpikambana natao teo amin'ny orinasa, na dia voafetra ihany aza ny fahafaha-manao ireo hetsika ireo. Izany fetra izany ihany koa dia manakana ny sendikà tsy hamaritra ny tena paikady fampidirana mpikambana. 20 Kisary 2 hatramin’ny 5: Ny fivoaran’ny fidirana sendikà eny ifotony ANTA 6 lah.2 300 200 250 150 200 150 100 100 50 50 0 2021 0 2023 SVS(2022-2023) SEMPIZOF SEKRIMA ANTA 3 lah.3 2021 SEMPIZOF 2023 SEKRIMA ABE 5 lah.4 ABE 7 lah.5 250 250 200 200 150 150 100 100 50 50 0 0 2021 2023 2021 2023 SEMPIZOF SEKRIMA SEMPIZOF SEKRIMA Ny Tabilao sy ireo kisary etsy ambony dia manasongadina ihany koa ny ezaka nandraiketana antsoratra ireo mpikambana ao amin’ny sendikà hatramin’ny nanatanterahana ny tetikasa. Kanefa, toa tsy azo antoka ny fahamarinan'ny torohay momba ny isan’ny mpikambana rehefa fakafakaina ireo tarehimariky ny fanisana nomen'ny sendikà fototra andaniny, sy ny sendikà foibe ankilany. Ohatra: Ho an’ny SEKRIMA: mpikambana vaovao miisa 37 no voarakitra an-tsoratra tao amin’ny foibe nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa 5F 6 Kanefa, araka ny filazan'ny solotenan'ny mpiasa sy ny solotena sendikàly dia nahitana fihenana 51 ny isan’ny mpikambana ao amin'ny sendikà fototra SEKRIMA ao amin'ny ANTA3, ary nahitana mpikambana vaovao 130 kosa ny sendikà fototra ao amin'ny ABE5, izany hoe miisa 79 ny mpikambana vaovao. Ho an’ny SEMPIZOF: raha 48 sy 210 ny mpikambana vaovao varakitra an-tsoratra ao amin’ny sendikà fototra ANTA3 sy ABE5, dia 50 sy 250 kosa no mpikambana vaovao voarakitra ao amin’ny sendikà foibe. Farany, na dia eo aza ireo fandrosoana azo tsapain-tànana, dia mbola ambany ihany ny tahan’ny fidirana sendikà ho an’ireo mpikambana IndustriALL amin’ireo orinasa roa izay fantatra ny isan’ny mpiasa ao aminy, araka ny asehon’ny tabilao etsy ambany. Na izany aza, mba ho marin-toerana kokoa ny famakafakana dia mety raha tohanana amin’ny fampitahana ny tahan'ny fidirana sendikà sy ny isan’ny mpiasa manontolo, izay indrisy fa tsy afaka natao. Toy izany koa, mba hamantarana ny zotran’ny fivoarana dia ilaina ny manana torohay momba ny tahan'ny fidirana sendikà talohan'ny 6 Tatitra SEKRIMA, 2023 21 fametrahana ny tetikasa, saingy tsy fantatra ny isan'ny mpiasa efa anaty sendikà tamin'izany fotoana izany. Tabilao 3: Tahan’ny fidirana sendikà isaky ny orinasa(araka ny sendikà mpikambana), taona 2023 ORINASA TONTALIN’ISAN’NY MPIASA MPIASA MPIKAMBANA AO AMIN’IREO SENDIKÀ TELO TAHAN’NY FIDIRANA SENDIKÀ ANTA6 NC 367 NC ANTA3 1400 190 13,57% ABE5 1430 390 27,27% ANTA7 NC 198 NC Loharano: sendikà fototra NC: tsy fantatra Fanamarihana: Araka ny angon-drakitra avy amin'ny solotena sendikàly sy ny solotenan'ny mpiasa dia manodidina ny 60 ka hatramin'ny 70% ny ampahanisan’ny vehivavy ao anatin’ny mpikambana rehetra. Izany dia manamafy ny tatitra tamin'ny fanadihadiana 2021 ary, mety manamarika ny fitombon’ny firotsahan’ny mpiasa vehivavy raha oharina amin'ny zava-nisy tamin'izany. 4.2. Vokatry ny hetsika fampivoarana ny fahaiza-manao sendikàly 4.2.1. Ny zavamisy mahakasika ireo hetsika fampivoarana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana iombonana hamahana ireo olana manan-danja eo amin’ny indostria Noho ny fiofanana nomena nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa dia afaka manangana ekipa manao ny fifampiraharahana iombonana ny sendikà(na ny eo anivon’ny sendikà foibe, na ny isaparitra, na ireo anivon’ny orinasa). Afaka mifampiresaka amin’ny mpampiasa izy ireo mahakasika ny fifampiraharahana ho amin'ny fifanarahana iombonana, na ho an’ny fandrafetana fifanarahana iombonana amin’ny endriny hafa izay mikendry ny fanatsarana ny fifandraisana arak’asa sy ny fepetra arak’ asa, ary ny famahana ny fifanolanana itambarambe. Marihina anefa fa ao amin’ny orinasa iray farafahakeliny(ANTA6), ireo mpiasa voaofana dia noroahina na naato. Izany dia manakana ny fifampiraharahana iombonana ataon’ny sendikà. 4.2.2. Ny fisiana sy fivoaran'ny hetsika atao eo amin'ny sehatry ny fifampiraharahana iombonana 4.2.2.1. Ny Komitin’ny orinasa sy ny Fifanarahana iombonana (a) Ao amin'ny orinasa iray(ABE5), ny sendikà dia nilaza fa manana tolokevitra ho fifanarahana iombonana izay heveriny hifampidinihany miaraka amin'ny mpampiasa rehefa mihodina ny Komitin’ny orinasa. Marihina fa araka ny lalàna mifehy ny asa, ny fifanarahana iombonana dia ifampiraharahana eo anivon’ny Komitin’ny orinasa ao amin’ireo orinasa manana mpiasa miisa dimampolo na mihoatra. Marihina ihany koa fa vao tsy ela izay(7 jolay 2023) no nifidianana ny solotenan’ny mpiasa ho ao amin’ny Komitin’ny orinasa. 22 (b) Ny orinasa iray hafa(ANTA3) dia miroso amin’ny dingana fanavaozana ny fifanarahana iombonana(izay efa nisy nandritra ny roapolo taona farafahakeliny). Ny sendikà mavitrika ao amin’izany orinasa izany dia mitatitra fa sahirana izy ireo amin'ny fandresen-dahatra ny mpampiasa mba hampiditra ho isan’ny fepetra anaovana fanitsiana ny momba ny firafitry ny karama. Ny orinasa dia mampihatra ny firafitra“tarigetra” amin’ny fandoavan-karama, ary amin’izany dia faritany isanandro ny habetsaky ny vokatra tsy maintsy vokarin’ny mpiasa ahafahany misitraka ny karama farany ambany. Ambaran’ireo sendikà fototra anefa fa asondrotry ny mpampiasa ihany koa izany fenitry ny vokatra tsy maintsy tratrarina isanandro izany rehefa misy fisondrotana io karama farany ambany io(SME). Vokatr'izany dia tsy misy fiantraikany amin'ny karama raisin’ny mpiasa ny fisondrota-karama ofisialy, ary indraindray aza io fomba fanaon’ny orinasa io dia mety hahatonga ny karama raisin'ny mpiasa ho latsaky ny karama farany ambany(ilana fitandremana ny fahamarinan’izany). Ao anatin'izao fifampiraharahana izao dia miezaka mampiditra fepetra tsara kokoa ho ao anaty fifanarahana iombonana ny sendikà, saingy miaiky izy ireo fa mankadiry ny fanamby. (c) Raha ny mahakasika ny Komitin’ny orinasa kosa, dia orinasa efatra no nanatanterahan’ny sendikà ny fametrahana izany. Ny roa dia voakasiky ny tetikasa mivantana(ABE1 sy ANTA3) ary ny roa hafa dia tsy voakasika ary tsy voaraikitra ao anatin’ity tatitra ity. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia manameloka ireo orinasa sasany ihany ny sendikà, satria misy amin’izy ireo no manangana ny Komitin’ny orinasa ho fanehoany ny fanajany ny lalàna amin’ny endriny ivelany fotsiny ihany, ka manadino ny mampihatra ny dinika sosialy izay antompisian’ny Komitin’ny orinasa. 4.2.2.2. Ny fifampiraharahana iombonana amin’ny endriny hafa (a) Ao anatin'ny andraikitry ny solotenan’ny mpiasa Ny Tabilao etsy ambany dia mamintina ny fampiasan’ny solotenan’ny mpiasa ny kahiem-pitarainana anivon’ireto orinasa telo ireto(ANTA3, ANTA6 ary ANTA7). Marihina fa tsy misy intsony izany kahie izany ho an’ny ANTA6 ny taona 2021. Tabilao 4: Fitarainana norafetin’ireo solotenan’ny mpiasa ANTA3, ANTA6 ary ANTA7 ANTONY 2021 TAONA 2022 2023 KARAMA 15 21 16 FIFANARAHANA IOMBONANA KOMITIN'NY ORINASA 3 2 4 VHBG 0 0 0 ZON’NY VEHIVAVY BEVOHOKA 0 2 2 FEPETRA HAFA MAHAKASIKA NY ASA 29 21 41 FITAMBARANY 47 46 63 Loharano: kahiem-pitarainana an’ny solotenan’ny mpiasa FITAMBARANY 52 9 0 4 91 156 23 Fanamarihana: Ny fanaramana no tena mampitaraina ny mpiasa. Ny fangatahana sy ny fitakiana mibahantoerana dia mifandraka amin'ny karama sy ireo pitsopisony tokony hifanaraka amin’izany. Araka izany, dia tsy niova ireo olan’ny mpiasa notaterin’ny fanadihadiana natao tamin’ny taona 2021. Ireo fangatahana momba ny fifampiraharahana iombonana dia miompana amin’ny fananganana ny Komitin’ny orinasa sy ny fifampiraharahana ho an’ny fandrafetana fifanarahana iombonana izay norafetin’ny solotenan’ny mpiasa ao amin’ny ANTA6 sy ANTA7. Araka izay dia tsara ny vokatra ao amin’ity farany. Na dia tsy manoratra ao anaty kahiem-pitarainana aza ireo solotenan’ny mpiasa dia tsy midika izany fa tsy misy ny herisetra mihatra amin’ny mahalehilahy sy mahavehivavy. Ny tomponandraikitry ny sendikà any amin’ny orinasa hafa dia manamarika fa misy ny trangana herisetra mihatra amin’ny vehivavy kanefa mandà ny hitoroka izy ireo. Ny foibe sendikàly iray dia manamafy ny fisalasalan’ny solotenan’ny mpiasa hanoratra ny fitarainana. Voamarina izany satria vitsy ny fitarainana voarakitra isan-taona. Mety ho ny fahakiviana manoloana ny tsy fahazoana valiny no mahatonga izany. Marihina tokoa fa zara raha mamaly ao anatin'ny kahiem-pitarainana ny mpampiasa; Indraindray dia mandritra ny fivoriana ara-potoana fanao isam-bolana no anomezany ny valin-teniny. Tsy voatahiry anefa ny PV voapeta-drindrina, ka tsy manana dika mitovy ny solotenan’ny mpiasa. (b) Hetsika ataon’ny sendikà ho amin'ny fifampiraharahana iombonana Raha tsy misy aza ny fifanarahana iombonana ara-dalàna, izay tena tanjona fototra, dia mahavita manao fifampiraharahana iombonana amin’ny mpampiasa ihany ny sendikà mahakasika zavatra voafaritra. Izany no nitranga tao amin’ny ABE5 ka nahavitan’ny sendikà nifampiraharaha ny fanavaozana ny solon-tsakafo. Tao amin’io orinasa io ihany dia nahazo fialan-tsasatra ireo mpiasa an-tselika, vokatry ny fifampiraharahana nataon’ireo sendikà mpikambana ao amin’ny IndustriALL(SEMPIZOF sy SEKRIMA) tamin’ny mpampiasa. Ankoatr’izay, araka ny tatitry ny SEKRIMA, noho ny asa nataon'ny sendikà, dia misy orinasa vitsivitsy izay fehezin'ny GFA no nanajanona ny fiantohana(“sous-traitance”). 4.3. Fizohiana ny fampiharana na tsia ny GFA eto Madagasikara sy ny fanoloran’ny sendikà ny fepetra fanitsiana. Fizohiana ny fanajàna ny zo sendikàly 4.3.1. Rafitra GFA Natsangana ny Ivo GFA(point focal GFA) ao Antsirabe, izay miandraikitra ny fampitana ny fitarainan’ny mpiasa ao amin’y orinasa voakasika mankamin’ny Komity GFA(comité GFA). Solotena roa mpilatsaka an-tsitrapo no mandrafitra ny Ivo GFA, dia ny avy amin’ny sendikà SEMPIZOF sy ny sendikà SEKRIMA. Ny Komity GFA kosa dia ahitana ireo tomponandraikitra anivon’ny foibe sendikàly. Na dia eo aza ireo rafitra ireo, ary na dia misy aza ny fitakiana voarafitra mifanandrify amin’ny andraikitry ny orinasa araka ny fepetran’ny GFA, dia tsy voarakitra ao amin’ny tatitra ataon’ny sendikà ny fizohiana tsy tapaka ny fanatanterahana izany GFA izany. Kanefa: Ny fandinihina ireo fitarainana ataon’ny solotenan’ny mpiasa araka izay voalaza etsy ambony (§4.2.2.2) dia maneho ny fahabangana, momba ny fifampiraharahana iombonana ohatra, izay ilaina homarihina; 24 Misy tranga hafa izay mendrika ny hokarakaraina amin'ny fampiasana io rafitra io. Azontsika raisina ohatra ny raharaha nisian’ny herisetra ara-batana sy am-bava nataon’ny mpitantana orinasa tamina solotenan’ny mpiasa vehivavy tao amin’ny orinasa ABE4. Noho ny tsy fisian’ny fanarahana araka ny tokony ho izy angamba anefa dia voaroaka ihany ilay mpiasa rehefa tsy nahazo rariny tany ami’ny fitsarana ady heloka. 4.3.2. Firafitra fitarainana GFA Raha tsiahivina, dia indray mandeha ihany no nampiasana io firafitra fitarainana napetraky ny GFA io tao anatin’ny fifanolanana itambarambe tao amin’ny orinasa ANTA6 tamin'ny taona 2022. Ny tsy fifanarahana mahakasika ny fampivoarana ny sokajinasa no fototry ny olana, ary nohararaotin’ny sendikà niaraka tamin’izay ny fitorohana ny tranga VHBG. Nitokona ny mpiasa teo anivon’ny orinasa, nolazain’ny mpampiasa fa tsy ara-dalàna anefa izany ka ampolony maro no voasazy na voaroaka, izay nahitana mpitarika sendikà sy mpikambana ihany koa. Nitoroka tamin’ny IndustriALL ny sendikà, araka ny firafitra GFA, kanefa hatramin’izao dia mbola miandry ny tohiny. Araka ny vaovao voaray avy tamin’ny tomponandraikitry ny IndustriALL dia nangataka ny ASOS ny mba hitazonana ho tsiambaratelo ny tohin’ny raharaha hatreto. Ny sendikà kosa anefa dia mangataka ny hanomezana azy ireo ny vaovao momba izany raharaha izany mba hampitany izany amin’ireo mpiasa voakasika. Niharatsy rahateo ny fifandraisana arak’asa ao anivon’io orinasa io. 4.4. Fivoizana ny fifanarahana C190 an’ny OIT izay fanalahidy entina hanatevenana ny mpikambana sendikà anivon’ny orinasa misy vehivavy maro an’isa Noho ny asa maro sosona fampahafantarana sy fiofanana nataon'ireo mpisehatra isan-karazany ao anatin’ny tetikasa sy ivelan’ny tetikasa dia mahalala tsara ny mahakasika ny Fifanarahana Iraisampirenena momba ny herisetra eo amin’ny asa araka ny C190 an’ny OIT ny sendikà, hatramin’ireo tomponandraikitra eny ifotony. Miisa roa anefa ny sakana tsy ahafahana tena mampiroborobo io fitaovana io ao amin’ny seha-pamokarana: Amin'ny lafiny iray, nanomboka tamin'ny taona 2022, dia nisy ny fifampidinihan’ny telo tonta izay notarihan’ny Governemanta mba ho fanamafisana(ratification) io fifanarahana io ho an’i Madagasikara. Ankehitriny dia mifanehatra amin’ny fanoherana mafy avy amin’ny vondron’ny mpampiasa ny tolokevitra. Ny fanamafisana ihany anefa no hahatonga ny firenena ho tsy maintsy mampihatra izany, na ao amin’ny lalàna, na amin’ny fomba fanao. Etsy ankilany, ho fitsinjovana izay fanamafisana izay dia nampidirina avy hatrany tao anatin’ny volavola Fehezan-dalàna mifehy ny Asa ireo fitsipika napetraky ny C190. Efa am-bolana maro anefa izao no natolotra ny Governemanta ny volavolan-dalàna kanefa tsy mbola nankatoaviny. Voalaza fa isan’ny sakana lehibe ny mahakasika ny herisetra sy ny antsojay. Ary nandritra ny fifampidinihana momba izany fehezan-dalàna momba ny asa izany moa dia tena fatra-panohitra tokoa ny vondron’ny mpampiasa na tao amin’ny Filankevitra Nasionaly momba ny Asa(Conseil National du Travail), na tao amin’ny Vaomiera momba ny fanavaozana ny didy aman-dalàna mifehy ny fandraharahana(Commission de Réforme du Droit des Affaires- CRDA). Na izany aza dia tsara ny manamarika fa efa misy rafitra iraisampirenena sy lalàna nasionaly 7 hafa izay mifehy ny momba ny herisetra amin’ny mahalehilahy na maha-vehivavy izay azon’ny sendikà sy ny mpiasa ampiasaina mba hiarovany ny zony. 7 Ohatra:(1) Tolokevitry ny OIT lah.12, 19& 35;(2) Ny Fanambarana tamin’ny 1993 mahakasika ny fanafoanana ny herisetra mihatra amin’ny vehivavy;(3) ny Fehezan-dalàna famaizana(and.331.332);(4) Ny lalàna lah.201900 tamin’ny 16 janoary, 2020, mahakasika ny ady amin’ny herisetra(VHBG). 25 5. FANDRAVONANA: FAHATRARANA NY TANJONA SY NY TONDRO 5.1. Mahakasika ny fanamafisana ny asa sendikàly eny anivon’ny orinasa ao anatin’ny GFA Mitombo isa ireo mpiasa mpikambana sendikà eny anivon’ny orinasa. Ireo sendikà telo mivondrona ao amin’ny IndustriALL dia samy nirakitra ny fitomboan’ny isan’ny mpikambana. Mbola voafetra ihany anefa izany raha ampitahaina amin’ny isan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa. Misalasala ny mpiasa tsy mirohotra miditra sendikà. Azo heverina fa satria tsy hita soritra mazava ny paikadin’ny sendikà tsirairay hanamafisana ny fampidirana mpikambana. Kanefa azo heverina ihany koa fa ambany ny fahalianan’ny mpiasa sy ny Malagasy amin’ny ankapobeny amin’ny sendikà, na ny fikambanana hafa, isan’izany ny antoko politika. Araka ny tatitry ny asan’ny sendikà dia mitombo isa ireo orinasa izay ananganan'izy ireo sendikà fototra sy anendreny solotena sendikàly. Izany dia maneho ny finiavan’izy ireo hifampidinika amin’ny mpampiasa, na dia misy aza ireo orinasa izay tsy manaiky ny hifampidinika amin’ny mpiasa sy amin’ny sendikà. 5.2. Mahakasika ny famaritana ny paikady ho an’ny dinika sosialy Na dia tsy hita soritra ao anatin’ny fandaharahanasa sy ny tatitra ataon’ny sendikà aza ny momba ny paikadin’ny sendikà tsirairay na iombonan’ny sendikà, dia tsy azo lavina fa miroso amin’ny fametrahana rafitra ho an’ny dinika sosialy sy ny fifampiraharahana iombonana ny sendikà. Isan’ny zava-bita ny fananganana ny Komitin’ny orinasa, ny fametrahana ny Ivo GFA, ary koa ny fifampiraharahana ho an’ny fandrafetana fifanarahana iombonana. Fiantombohan’ny fametrahana paikady izany. 5.3. Ny tondro Mananosarotra ny mandrefy ny ankabeazan’ireo tondro, ny tabilao eo ambany no andeha hanombanana ny zava-bita. Tabilao 5: Tombana ny fahatrarana ny tondro VONDRONA TONDRO LAFINY TSARA Tondro mifandraika amin'ny tanjona Ny IndustriALL dia manohana aratekinika sy mampiofana tomponandraikitra sendikàly miisa 25-30, ary vehivavy ny 40%. - Nisy ny fanofanana natao ho an’ireo mpitarika sendikà efa ho telopolo isa, izay vehivavy ny 50% eo ho eo. Tratra ny tondro amin’ny ampahany betsaka. - Nisy fiantraikany tena tsara nomarihin’ireo solotenan’ny mpiasa, dia ny fitomboana sy fihatsaran’ny fifanakalozana amin’ny mpampiasa(ohatra: rahoviana no LAFINY HATSARAINA 26 hifampiraharaha ary rahoviana no hitaky?) Nahitana fiakarana ny tahan’ny fidirana ho mpikambana ao amin’ireo sendikà mivondrona ao amin’ny IndustriALL, ao amina orinasa 3-5 mamatsy orinasa iraisampirenena. - Ireo sendikà telo dia samy nahitàna fiakarana goavana avokoa teo amin’ny isan’ny mpikambana. Tsy dia azo antoka loatra ny fahamarinan’ny tatitra azo momba ny isan’ny mpikambana. Farafahakeliny dia mpamokatra rezionaly iray no kendrena hanatanterahana asa sy ananganana tambajotra. - Miasa ny Ivo GFA anivon’ny orinasa sy ny Komity GFA. Mbola tsy voatsangana ny tambajotra. Tondro mifandraika amin'ny fahaizamanaon’ny sendikà Ireo sendikà mivondrona ao amin’ny IndustriALL dia mifantoka amin’ny fampitomboana ny fahaizamanao ny fifampiraharahana iombonana amin’ny lafiny aradrafitra(ekipan’ny fifampiraharahana mahasolotena tsara), ara-tekinika(tohankevitra) ary ho an’ny fanetsehana (serasera, tambajotra, fanetsehana) mba tena hifototra amin'ny famahana ireo olana lehibe misy, mahakasika ny karama, herisetra atao amin’ny vehivavy,... fandalinana ny fombafomba famahana fifanolanana na fandrafetana fifanarahana iombonana amin’ny orinasa Mpamatsy sy mpampiasa marolafy. - Ireo solotena sendikàly nandray anjara tamin’ireo atrikasa mahakasika ny fanamafisana ny fahaizamanao dia afaka manangana ekipan’ny fifampiraharahana iombonana. - Nahafahany nitombo kokoa ny fanofanana azy ireo amin'ny lafiny tekinika (ohatra: zo arak’asa, fitantanana sy toekaren’ny orinasa, serasera). Tsy mbola afaka nanao tambajotra sy nanao fanetsehana iombonana ny sendikà. Ny sendikà mivondrona ao amin’ny IndustriALL dia mandroso ny olana momba ny karama(karama mahavelona sy/na karama farany ambany avo kokoa):(1) mahatakatra tsara kokoa ny firafitry ny karama sy ny fifandraisan’ny karama amin'ireo fepetra arak’asa rehetra, anisan’izany ny ora fiasana, ny fahafehezana ny asa, ny tahapamokarana sy ny fifanarahana arak’asa. Eo ihany koa ny fifandraisan’ny karama amin’ny fombafomba ara-barotra fanaon’ny Marika sy ny - Sendikà iray no manambara fa manana tolokevitra fifanarahana iombonana izay hifampiraharahany amin'ny mpampiasa rehefa miasa ny Komitin’ny orinasa. - Misy zotra hanavaozana ny fifanarahana iombonana (izay efa nisy nandritra ny 20 taona) ao amin’ny orinasa iray. - Manangana ny Komitin’ny orinasa ny orinasa roa voakasiky ny tetikasa. Ny tatitra momba ny zava-bita tamin’ny alalan’ny tetikasa dia tsy manamarika ny fisian’ny fandalinana ny firafitry ny karama, na ny fisian’ny paikady ho an’ny sehapamokarana, na an’ny tsirairay na iombonana Ny tatitra avy amin’ny sendikà momba ny fanatanterahana ny tetikasa dia tsy maneho zava-bita 27 fifanarahana momba ny karama iraisan’ny seha-pamokarana iray. (2) mamolavola paikady ho an’ny fifanarahan’ny seha-pamokarana momba ny karama (3) mampitombo ny fampiasana ny serasera miainga amin’ny paikady, ny tambajotra, ny hetsika itabarambe(fitakiana itambarambe atao an-tsoratra) ho an’ny fanetsehana momba ny karama. momba ny fanetsehana momba ny karama. Ireo sendikà mikambana anivon’ny IndustriALL dia mamerina mandinika ny fomba ho enti-mandamina sy mampiditra mpikambana eo amin’ny rohi-pamatsiana, araka ny tondrozotra momba ny zo sy falalahana sendikàly. Fampiharana izay norantovina tamin’ny coaching: - fanendrena mpitarika isaky departemanta hanao fampidirana mpikambana. - ny fampiasana tekinikampifandraisana vaovao. Tsy misy torohay nomena mahakasika ny fijerena indray ireo fomba tokony hatao entina hampidirana mpikambana. Ny mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia manjohy sy manao tatitra mankany amin’ny IndrustriAll mahakasika ny fampiharana na tsia ny GFA ao amin’ny seha-pamokarana eto Madagasikara, ary manolotra fepetra fanitsiana. - Natsangana ao Antsirabe ny Ivo GFA, izay miandraikitra ny fampitana ireo fitarainan’ny mpiasa eny anivon’ny orinasa amin’ireo komity GFA ivondronan’ireo foibe sendikàly. - Nampiasaina indray mandeha ny rafitra fitarainana GFA tamin’ny fifanolanana itambarambe tao amin’ny ANTA6 ny taona 2022. - Najoro ny rafitra fizohiana ny fampiharana ny GFA nandritra ny atrikasa tao Antsirabe. - Ny sendikà dia manamarika tranga fandikàn-dalàna, saingy tsy misy tatitra ara-potoana izany 7F 8 - Mbola miandry ny valin'ny raharaha ANTA6 avy amin'ny ASOS ny sendikà. Ny sendikà mpikambana ao amin’ny IndustriALL dia manamafy ny paikady sendikàly ho fisorohana sy ho fampitsaharana ny VHBG: manamafy ny fahalalana - Ny sendikà sasany dia manana Ivo GFA izay tomponandraikitra manjohy ny momba ny VHBG. Ny fifampiraharahana iombonana marefo dia sakana amin’ny fampidirana ny ady hatao amin'ny VHBG ao amin’ny politika sy 8 Jereo ny Tovana 1 ka hatramin'ny 4 28 mahakasika ny herisetra sy ny antsojay atao noho ny mahalehilahy na mahavehivavy (VHBG) sy ny vokany; manana ny fitaovana enti-manombana ny amban-doza VHBG; mamolavola drafitra hampidirana ny VHBG ao amin'ny politikan'ny asa eo anivon’ny toeram-piasana sy ao anaty fifanarahana iombonana. ny sata eo amin’ny toeram-piasana ary ny fifanarahana iombonana. Tondro mifandraika amin'ny fiovana andrasana Ny sendikà mpikambana ao ami’ny IndustriALL dia nahitana fandrosoana mankamin’ny fifampiraharahana isa-tsehapamokarana momba ny zo sy ny falalahana sendikàly, ny rafitra famahana fifanolanana na fandrafetana fifanarahana iombonana amin’ny mpampiasa marolafy avy amin’ny orinasa mamokatra ho an’ny Marika voafehin’ny GFA. Tsy mbola misy ny fifanarahana eo anivon’ny sehapamokarana mahakasika ireo lafiny ireo. Marihana fa efa tamin’ny taona 2009 – 2010 no nisy ny volavola fifanarahana iombonana izay nifanaovan’ny sendikà tamin’ny Groupement des entreprises franches et partenaires(GEFP) - fikambanan’ireo Orinasa afak’aba, saingy tsy mbola niverina nifampiraharaha hatramin’izao. Ny sendikà mpikambana ao amin’ny IndrustriAll dia manohy hatrany ny fivoizana ny fifanarahana C190 an’ny OIT momba ny herisetra amin'ny asa izay heverina ho andry sy fototra ahafahana manatevina ny isan’ny mpikambana sendikà ao amin’ny indostria izay maro an’isa ny vehivavy mpiasa. - Samy mahalala tsara ny C190 mahakasika ny herisetra sy antsojay eo anivon’ny tontolon’ny asa ny sendikà, hatramin’ireo tomponandraikitra eny ifotony. - Ireo fitsipika voalazan’ny fifanarahana C190 dia noraisina ho isan’ny zo fototra ao amin’ny volavolan-dalàna nanavaozana ny fehezandalàna mifehy ny asa. - Misy ny asa ataon’ny sendikà hampiroboroboana ny C190 na dia tsy voasoritra anaty drafitrasa aza izany. Aiza ny sakana: 1°) tsy tanteraka ireo adidy satria tsy mbola nosoniavin’i Madagasikara ny fifanarahana C190; 2°) tsy mitoroka no fanapahakevitr’ireo iharan’y herisetra ka tsy afaka miasa mandray ny andraikiny ny Ivo GFA. 29 6. FEHINY SY TOLOKEVITRA Araka izay voalaza teo dia tsara ny manamarika fa ny fe-potoana 2021-2023 izay nanatanterahana ny tetikasa dia azo heverina ho fanombohana ihany, nahafahana nanamafy orina ny fisiana sy ny asan’ny sendikà anivon’ireo orinasa miasa eto Madagasikara izay voafehin‘ny GFA. Ny tombanezaka dia maneho fa ny asa notanterahana(i) dia mamaly ny filàn’ireo nokendrena(ii) ary niteraka vokatra eo amin’ny fahaiza-manaon’ny sendikà izay tsara hamafisina, sy zaraina ary itarina amin’ny orinasa hafa. Ny fiofanana nomena dia namaly ny filàna satria tsy nahakasika ny zon’ny mpiasa ihany, fa nitrandraka ihany koa ireo lohahevitra miompana amin’ny fiainana andavanadro sy ny fiainampikambanana, toy ny tekinikam-pifandraisana na fifampiraharahana. Ny mahafantatra ny zo sy ny fomba hahatanteraka izany dia antony lehibe mampahasarika ny sendikà. Na dia mbola mibadabada aza ny fampiharana ny fahaizana amam-pahalalana norantovina tamin’ny fiofanana sy ny coaching dia efa misy fiantraikany tsara izay azo hakana lesona sy fomba fiasa hampahomby ny fampitomboana ny isan’ny mpikambana any amin’ny sendikà ifotony sy ny fifampiraharahana iombonana. Misy fanombohana fametrahana rafitra fizohiana ny fampiharana ny GFA. Ny tokony ho tohin’izany dia ny fifehezana ny zo sy ny adidy ary ny fombafomba apetraky ny GFA, indrindra mahakasika ny tatitry ny fizohiana sy ny rafitra fitarainana raha misy ny tsy fandikan-dalàna. Noho izany, mba hanamafisana sy hanatsarana ny zava-bita dia ireto tolokevitra ireto no aroso: 6.1. Ho an'ny IndustrialALL- faritra Afrika, Atsimon’i Sahara Manohana ireo mpikambana hanamafisany ny fahaizany mifehy ny fombafomba, ohatra: momba ny fitarainana noho ny fanitsakitsahana ny GFA; Manitatra araka izay azo atao ny asa mahakasika ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny sendikà, na tsy mpikambana ao amin’ny InustriALL aza kanefa miasa ao amin’ny orinasa izay voafehin’ny GFA, mba hitovy ny fahalalana sy fahaiza-manaon’ny sendikà rehetra ary hirindra ny fiaraha-miasa; Manaraka akaiky ny resaka antok’asa(sous-traitance). 6.2. Ho an'ny IndustriALL Madagascar Manangana rafitra fifampizaràna fahalalana amin'ny mpikambana ao amin'ny sendikà izay tsy nandray anjara tamin'ny fampiofanana sy ny atrikasa nampivoarana ny fahaiza-manao; Mampahafantatra(na manofana mihitsy aza) ny mpikambana momba ny zo sy andraikitra ateraky ny GFA; Manao laharam-pahamehana ny coaching mba hanaovana fanarahana akaiky sy araka ny filàna ho an’ny mpitarika ifotony; Fanamarihana: Ny tranga iray izay niteraka hetsika teo amin’ny sehatra iraisampirenena sy ny sehatra nasionaly dia tsara arahina, na dia tsy orinasa fehezin’ny GFA aza no voakasik’izany. Solotena lefitra an’ny sendikà SVS no voaheloky ny fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo higadra roa ambin'ny folo volana an-tranomaizina, noho ny namoahany vaovao tamin’ny Facebook izay noheverin'ny orinasa ho raharaha anatiny. Nahazo fampihenana telo volana ny sazy roa ambin'ny folo volana noho ny famotsoran-keloka avy amin'ny filohanny Repoblika. Rehefa niala ny fonja izy, dia nampiakatra fitsarana ambony, ary ny 21 Jolay 2023 izao ny fifanatrehana. Tsy mbola nisy ny fahatapahan’ny fifanarahana arak’asa, saingy mbola mihantona izany noho ireo antony ery ambony. Tsy mbola miverina 30 miasa izy araka izany, nefa koa tsy mbola nisy fandroahana azy tsy ho isan’ny mpiasa intsony avy amin’ny mpampiasa. Samy miandry ny didim-pitsarana momba ny fampiakarana ny raharaha ny roa tonta, nefa atahorana ho voaroaka ny mpiasa raha toa ka mihatra aminy ny fanapahankevitry ny mpitsara ambony. Araka ny tolokevitry ny OIT amin'ny alalan'ny Komitin'ny manam-pahaizana momba ny fampiharana ny fifanarahana sy ny tolokevitra (CEACR), dia mila manaraka akaiky ny famahana ny raharaha ny IndustriALL Madagascar. 6.3. Ho an'ny Komity GFA sy ny Ivo GFA Mametraka rafitra sy fomba fiasa mizotra tsara amin’ny fizohiana mitohy ny fampiharana ny GFA sy ny fanaovana tatitra tsy tapaka amin'ny IndustriALL. 6.4. Ho an’ireo sendikà mikambana ao amin'ny IndustriALL Mametraka rafitra ahafahana manaraka sy manampy haingana sy mifanaraka amin’ny filàna ireo mpiasa mpikambana izay iharan’ny fanitsakitsahana ny zony; Manao ho lohalaharana amin’ny asa hotanterahana ny famolavolana drafitrasa ara-paikady mahakasika ny fampidirana ho mpikambana, ny fifampiraharahana iombonana ary ny mahakasika ny karama; Manao adisisika ho an’ny fanamafisan’i Madagasikara ny fifanarahana C190 an’ny OIT, ary koa ny mba hankatoavana ny lalàna mifehy ny asa vaovao; Manamafy ny fiaraha-miasa amin’ireo sendikà hafa, isan’izany ireo sendikà tsy mikambana amin’ny IndustriALL, ary indrindra ao amin’ireo orinasa ahitana sendikà maro; Mampifandrindra ny vaovao eo amin’ny sendikà fototra sy ny sendikà foibe, indrindra ny fikirakirana ny isan’ny mpikambana; Raha mitombina ny famakafakana nataon’ny SEKRIMA, mahakasika ny fisian’ny“vase communicant”(jereo Tabilao 2) dia tena ilaina ny hamaliana ireto fanontaniana ireto:(1) nahoana no misy mpiasa miala amin’ny sendikà iray dia miditra amin’ny sendikà hafa indray? (2) ahoana ny fomba hatao mba hahatamana ny mpikambana?(3) inona no fomba entina hisintonana mpiasa vaovao tsy mbola mpikambana mba hiditra ao amin’ny sendikà? Manara-maso akaiky ny fanitsakitsahana ny zo eo anivon’ny ireo orinasa valo mifandray amin’ny GFA miaraka amin’ny IndustriALL, indrindra ny fahafahana misitraka ny zo sendikàly sy ny zon’ny mpiasa hanana solotena – Mety hilaina ny hanamafisana ny fanarahana ny mpiasa voakasika amin’ny fanaovany fitakiana manoloana ny Fisafoana ny asa sy ny Fitsarana. Manamafy ny fahaiza-manaon’ny Komitin’ny orinasa. 6.5. Ho an’ny solotenan’ny mpiasa sy ireo solotena sendikàly Manamafy sy mampihatra ny fomba fiasa miainga amin’ny vaovao ofisialy(Fisafoana ny asa, Fitsarana adin’asa, CNaPS, sns …), indrindra amin’ny lafiny zo sy andraikitra eo amin’ny fifandraisana arak’asa; Mametraka rafitra akaiky kokoa ifampihainoana sy ifanoloran-kevitra ary iambenana, mba ho voaaraka ny toe-javatra izay mety hipoaka; Mametraka fifandraisana mirindra amin’ny Komity GFA; Mahafehy ny fombafomba famahana ny fifanolanana isambatanolona na itambarambe mba isorohana ny fitokonana tsy voafehy; Mahafehy ireo haiteny tekinika mahakasika ny toekaren’ny orinasa; Manamafy ny fahaizamanao amin’ny fifampiraharahana mahakasika ny karama; 31 Manaraka ny fifampiraharahana sy ny fandrafetana ny fifanarahana iombonana izay ataon’ny Komitin’ny orinasa; Manatsara ny tekinikam-pifandraisana amin’ny mpiasa, vehivavy sy lehilahy, ary amin’ny mpampiasa; Mampihatra hatrany ireo traikefa azo tamin’ny fiofanana mba hanomezana torohevitra mahomby ho an’ny mpiasa ary hampilamina ny fifandraisana amin’ny mpampiasa. 6.6. Ho an'ny mpandrindra, mpandamina ary mpampiofana Manaraka ny sendikà amin’ny fandrafetany ny drafitrasa ara-paikady, sy amin’ny fizohiana sy ny fanombanana ary ny fanaovana tatitra. 32 TOVANA- 1: FANONTANIANA HO AN’IREO TOMPONANDRAIKITRA EO ANIVON’NY SENDIKÀ FOIBE SY FARITRA ANARANA SY FANAMPINY: ANDRAIKITRA EO ANIVON’NY SENDIKÀ: I. TAN-TSOROKA ARA-TEKINIKA SY FAMPIOFANANA NY MPIANDRAIKITRA NY SENDIKÀ, IZAY TOLOTRA AVY AMIN’NY INDUSTRIALL 1. Efa nanome tohana ara-tekinika ho an'ny sendikànao ve ny IndustriALL? 2. Teo amin’ny sehatra inona no nanaovana io tohana ara-tekinika io? 3. Manao ahoana ny fandraisanao ny tan-tsoroka natolotry ny IndustriALL ny sendikà misy anao? 4. Ao anatin’io tetikasa io, anisan’ireo nisitraka ny fampiofanana natolotry ny IndustriALL ve ny sendikà misy anao? 5. Iza no nandray anjara? 6. Tamin’ny sehatra inona? Inona no lohahevitra tamin’izany? 7. Iza avy ireo mpampiofana? 8. Oviana ary taiza? 9. Fiofanana nampitain-davitra ve sa natrehana? 10. Afa-po tamin’ireo fiofanana ireo ve ianao? Tamin’ny lafiny inona? II. FANAMAFISANA NY FAMPIDIRANA SENDIKÀ 1. Ao anatin’io tetikasa io, nanao fanentanana na hetsika hafa mikendry ny hampidirana mpikambana vaovao ve ny sendikà misy anao? 2. Lazao hoe inona ireo hetsika ireo? 3. Firy ny isan'ny mpiasa tonga/ nanatrika? 4. Firy ny isan’ny mpikambana tao amin’ny sendikà misy anao talohan’io hetsika/fanetsehana io? Firy ny vehivavy? Firy kosa ny lehilahy? 5. Firy kosa ny isan’ny mpikambana eo amin’ny sendikà misy anao ankehitriny? 6. Ahoana ny fahitanao ny vokatry ny hetsika/fanetsehana? III. FANATANTERAHANA HETSIKA NASIONALY SY FANANGANANA TAMBAJOTRA(FARAFAHAKELINY 1 AMIN’IREO MPAMOKATRA REJIONALY) 1. Tafapetraka ve io tambajotra nokasaina hapetraka io? Orinasa firy no tafiditra ao? IV. NY ZAVAMISY MOMBA NY HETSIKA FANAMAFISANA NY TRAIKEFA EO AMIN’NY FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA HAHAFAHANA MITONDRA IREO FANONTANIANA TOKONY HAPETRAKA EO AMIN’NY SEHA-PAMOKARANA: FIOFANANA, FAMETRAHANA PAIKADY 1. Nahomby ve ny sendikànao tamin'ny fananganana ekipa mahakasika ny fifampiraharahana iombonana tamin’io tetikasa io? 2. Nisy fiaraha-miasa tamin’ny sendikà hafa ve tamin’izany? Iza ireo sendikà ireo? 3. Iza avy ireo solotenan’ny sendikà tamin’io ekipa io? 4. Ahoana no nanendrena azy ireo? 5. Efa nahazo fiofanana momba ny tekinikan’ny fifampiraharahana sy ny tekinika fiatrehana fifanolanana ve ny sendikànao tao anatin’io tetikasa io? 33 6. Mahakasika ny inona ilay fiofanana? 7. Taiza ary oviana? 8. Iza no nikarakara ny fiofanana? 9. Iza avy ireo mpampiofana? 10. Iza avy ireo nandray anjara? 11. Nisitraka fiofanana mahakasika ny fifampiraharahana iombonana ve ny sendikànao tao anatin’io tetikasa io? 12. Mahakasika ny inona ilay fiofanana? 13. Taiza ary oviana? 14. Iza no nikarakara ny fiofanana? 15. Iza avy ireo mpampiofana? 16. Iza avy ireo nandray anjara? V. TETIKA ARA-TSERASERA SY TAMBAJOTRA 1. Moa ve ny sendikà misy anao manana paikady momba ny serasera sy ny tambajotra tamin’io tetikasa io? 2. Nisy rafi-pifandraisana napetraka ve tamin’izany? Iza no tomponandraikitra/mpikambana? 3. Nisy zavatra vita ve? Inona? VI. FISIANA SY FANDROSOAN’NY ASA NATAO MAHAKASIKA NY FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA, INDRINDRA MAHAKASIKA NY KARAMA SY NY FEPETRAN’NY ASA, NY FALALAHANA SENDIKÀLY, ARY NY ADY ATAO AMIN’NY HERISETRA SY ANTSOJAY(VHBG) 1. Ao amin’io tetikasa io, nandray anjara tamin’ny fifampiraharahana ho an’ny fametrahana fifanarahana iombonana na endri-pifanarahana hafa ve ny sendikànao? Iza ilay orinasa? 2. Raha eny, inona no vokany? 3. Raha tsy misy ny fifanarahana na fifanekena tanteraka na koa vao eo an-dalana anaovana ny fifampiraharahana, nahavita nandrafitra volavola sy nanolotra izany tamin’ny mpampiasa ve ny sendikànao? 4. Raha tsia? Inona no sakana tsy nahafahana manatanteraka ilay fifanarahana na fifanekena iombonana? 5. Manana drafitra momba ny ady sy fanafoanana ny VHBG ve ianareo? 6. Fantatry ny mpiasa ve izany? 7. Azo atao tsara ve izany? 8. Raha tsia, inona no sakana? VII. FANDROSOANA MANKANY AMIN’NY FAHATANTERAHAN’NY FIFAMPIRAHARAHANA ANIVON’NY SEHA-PAMOKARANA: FALALAHANA SENDIKÀLY, FIFANARAHANA IOMBONANA IRAISAN’NY MPAMPIASA MAROLAFY, FOMBA FAMAHANA OLANA 1. Misy ve ny fifampiraharahana anivon’ny seha-pamokarana? Mahakasika ny inona avy? 2. Misokatra amin'ny fifampiraharahana sy ny dinika ve ireo orinasa fehezin’ny GFA? 3. Afaka manolotra fifanarahana na fifanekena ho an’ny seha-pamokarana ve ny sendikànao? Misy volavola azo atolotra ireo orinasa ve? VIII. FANAMAFISANA NY FIVOIZANA NY C190 1. Manana drafitra hanamafisana ny fivoizana ny C190 an’ny OIT mahakasika ny herisetra sy antsojay atao eo amin’ny tontolon’ny asa ve ny sendikànao? 34 2. Inona no hetsika natao tamin'io toe-javatra io? 3. Manana paikady ve ny sendikànao hampidirana ny ady sy ny fanafoanana ny VHBG ao amin’ny politika anivon’ny toeram-piasana na ao amin’ny fifanarahana iombonana? IX. ZON'NY VEHIVAVY 1. Ireo hetsika natao tao anatin’ny tetikasa ve nahafahan’ny mpiasa: (a) hahafantarana bebe kokoa ny zon’ny vehivavy(indrindra, ny zon’ny vehivavy mahakasika ny fiterahana)? (b) hahafantatra ny fomba atao raha hitaky ny fanajana ny zo? 2. Inona avy ireo tranga azo resahina mahakasika izany? X. FIZOHIANA NY FANATANTERAHANA NA TSIA NY GFA, TOLOKEVITRA FANITSIANA 1. Voahaja ve ny GFA amin'ireo orinasa misy azy? 2. Manana rafitra manjohy ny fametrahana ny GFA ve ny sendikà? 3. Efa nanao tatitra tamin’ny IndustriALL ve ny sendikànao momba ny fanatanterahana na tsia ny GFA? 4. Inona avy ny zavatra tsapa hatramin’izao? 5. Efa nisy fepetra fanitsiana natolotra ny IndustriALL ve? XI. NY AZO LAZAINA ANKAPOBENY MAHAKASIKA NY FIANTRAIKAN’NY TETIKASA 1. Nampitombo ny isan’ny mpikambana ao amin’ny sendikà misy anao ve ny tetikasa? Firy ny tahan’izany? 2. Nampandroso ny falalahana ara-tsendikàly ve ny tetikasa? Misy ohatra azo lazaina ve? 3. Nampiroborobo ny zo amin’ny fifampiraharahana iombonana ve ny tetikasa? Misy ohatra azo lazaina? 4. Nahitàna fandrosoana ve ny mahakasika ny fifampiraharahana ara-karama, ny fahazoana ny dikan’ny karama, ny fanatsarana ny karama? Misy ohatra azo lazaina ve? 5. Moa ve nitondra fanatsarana teo amin’ny sehatra hafa mahakasika ny fepetran’ny asa ny tetikasa? Ny faharetan’ny ora iasana sy ny ora amboniampanga, ny zo hiala sasatra, ny aroloza sy ny fahasalamana eo amin’ny asa, ny fiarovana ny maha-reny? 6. Nitondra fahombiazana amin'ny ady atao amin'ny VHBG ve ny tetikasa? Inona avy ireo ohatra mivaingana azo lazaina? IREO TOMPONANDRAIKITRA EO ANIVON’NY SENDIKÀ FOIBE NANAOVANA NY FANADIHADIANA: - Rtoa Malalatiana Lovasoa FETRARINORO, Sekretera Jeneraly SEMPIZOF - Atoa Barson RAKOTOMANGA, Filoha SVS - Atoa Rémi Henri BOUTOUDI, Sekretera Jeneraly lefitra SEKRIMA 35 TOVANA- 2: FANONTANIANA NAPETRAKA TAMIN’IREO SOLOTENA SENDIKÀLY, SOLOTENAN’NY MPIASA, MPIASA MPIKAMBANA AO AMIN’NY SENDIKÀ I. MOMBAMOMBA NY OLONA ANAOVANA FANADIHADIANA Anarana sy fanampiny: Lehilahy – Vehivavy: Taona: Sendikà ikambanana: Andraikitra ao amin’ny sendikà: I. FANONTANIANA SAVARANONANDO 1. Fantatrao ve ny fisian’ny tetikasa fanamafisana ny fiainan'ny sendikà izay iarahan’ny IndustriALL sy ny FES manatanteraka? 2. Azonao lazaina ve izay fantatrao momba io tetikasa io? II. TAN-TSOROKA ARA-TEKINIKA SY FANOFANANA NY TOMPONANDRAKITRY NY SENDIKÀ 1. Fantatrao ve ny fisian’ny tan-tsoroka ara-tekinika omen’ny IndustriALL ny Sendikà misy anao? Raha eny, ahoana ny fomba nahafantaranao azy? 2. Tamin’ny sehatra inona no nahazoan’ny sendikà misy anao izany tan-tsoroka ara-tekinika izany? 3. Inona no vokatra azo? 4. Ahoana ny fihevitrao momba ny tan-tsoroka omen’ny IndustriALL ny sendikà misy anao? 5. Nahazo fampiofanana avy amin’ny IndustriALL ve ny sendikà misy anao hatramin’ny taona 2021 noho mankaty? 6. Iza no nandray anjara tamin’ny fiofanana? 7. Inona avy ireo sehatra na lohahevitra niofanana? 8. Iza no mpampiofana? 9. Oviana ary taiza? 10. Fiofanana nampitain-davitra sa natrehina? 11. Afa-po tamin’ireo fiofanana ireo ve ianao? III. FANAMAFISANA NY FIDIRANA SENDIKÀ 1. Hatramin’ny taona 2021 noho mankaty, nisy ve hetsika nataon’ny sendikà misy anao mba hampirisihana ny fidiran’ny mpikambana vaovao? 2. Inona avy ireo zavatra natao tamin’izany? Oviana ary taiza? 3. Mpiasa firy no tonga na nokendrena? 4. Firy ny isan’ny mpikambana tao amin’ny sendikà misy anao talohan’ireo hetsika ireo? 5. Firy kosa izany ankehitriny? 6. Ahoana ny fahitanao ny vokatr’ireo hetsika/fanetsehana natao ireo? 36 IV. ZAVAMISY MOMBA NY FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO NY FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA MBA HIATREHANA IREO OLANA MANAN-DANJA AO ANATIN’NY SEHA-PAMOKARANA: FIOFANANA – FAMETRAHANA PAIKADY 1. Nahavita nanangana ekipa mpanao fifampiraharahana iombonana ve ny sendikà misy anao nanomboka tamin’ny taona 2021? 2. Misy fiaraha-miasa amin’ny sendikà hafa ve momba izany? Iza avy ireo sendikà hafa ireo? 3. Iza ireo solotenan’ny sendikà tsirairay ao anatin’ny ekipa? 4. Ahoana no fomba nanendrena ireo solotena ireo? 5. Nahazo fiofanana momba ny tekinika fifampiraharahana sy ny fiatrehana fifanolanana ve ny sendikà misy anao tao anatin’ity tetikasa ity? 6. Omeo ny votoatin’ny fiofanana. 7. Taiza ary oviana? 8. Iza no nikarakara ny fiofanana? 9. Iza ny mpampiofana? 10. Iza avy no nandray anjara? 11. Nahazo fiofanana momba ny fifampiraharahana iombonana ve ny sendikà misy anao nandritra ny tetikasa? 12. Omeo ny votoatin’ny fiofanana. 13. Taiza ary oviana? 14. Iza no nikarakara ny fiofanana? 15. Iza ny mpampiofana? 16. Iza avy no nandray anjara? V. FISIANA SY DINGANA VITA AMIN’NY FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA, INDRINDRA MAHAKASIKA NY KARAMA SY NY FEPETRA IASANA, NY FALALAHANA SENDIKÀLY, NY ADY AMIN’NY HERISETRA SY NY ANTSOJAY(INDRINDRA VHBG) 1. Hatramin’ny taona 2021 noho mankaty, efa nanao na nandray anjara tamina fifampiraharahana ametrahana fifanarahana iombonana na endrika fifanarahana hafa ve ny sendikà misy anao? Iza ny orinasa nanaovana izany? 2. Raha eny, inona ny vokatra azo? 3. Raha tsy misy fifanarahana iombonana na endrika fifanarahana hafa eo andalam-pifampiraharahana, nahavita nandrafitra volavola azo atolotra ifampiraharahana amin’ny mpampiasa ve ny sendikà misy anao? 4. Raha tsia, inona avy ireo sakana tsy ahafahana mamolavola sy mifampiraharaha fifanarahana iombonana? 5. Manana paikady hoentina misoroka sy mandringana ny herisetra sy antsojay mifototra amin’ny maha-lahy na vavy ve ny sendikà misy anao? 6. Fantatry ny mpiasa ve izany paikady izany? 7. Tena ampiharina ve ilay paikady? 8. Raha tsia, inona ny sakana? 9. Manana paikady hampidirana ny ady amin’ny herisetra sy antsojay ao anatin’ireo politikan’ny toeram-piasana na ny fifanarahana iombonana ve ny sendikà misy anao? 37 VI. FANDROSOANA MANKAMIN’NY FIFAMPIRAHARAHANA MAHENIKA NY SEHA-PAMOKARANA: FALALAHANA SENDIKÀLY, FIFANARAHANA IOMBONANA MAHAKASIKA MPAMPIASA MARO, RAFIPAMAHANA FIFANOLANANA 1. Misy fifampiarahana iombonana araka ny fenitra na ivelan’ny fenitra ve ao amin’ny orinasa iasanao? 2. Mampiseho fisokafana amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana ve ny orinasa iasanao? 3. Mahavita manolotra fifanarahana mahenika ny seha-pamokarana ve ny sendikà misy anao amin’izao fotoana izao? VII. FANAMAFISANA NY FIVOIZANA NY C190 1. Manana paikady hanamafisana ny fivoizana ny C190 ve ny sendikà misy anao? 2. Inona avy ireo zavatra efa natao tamin’izany? VIII. ZON’NY VEHIVAVY 1. Moa ve ireo zava-bita nandritra ny tetikasa nahafahan’ny mpiasa: (a) nahalala misimisy kokoa ny zon’ny vehivavy? (b) nahalala ny fomba fitakiana ny fanajana izany zo izany? 2. Misy tranga azo tsapain-tanana azonao resahina ve momba izany? X. FIZOHIANA NY FAMPIHARANA NA TSIA NY GFA 1. Fantatrao ve ny GFA? 2. Voahaja ve ny GFA ao amin’ny orinasa iasanao? Manomeza tranga azo tsapain-tanana. XI. FAHITANA ANKAPOBENY NY FIANTRAIKAN’NY TETIKASA 1. Nahafahana nampitombo isa ny mpikambana ao amin’ny sendikà misy anao ve ny tetikasa? Firy ny tahampitomboana? 2. Nahafahana nampivoatra ny falalahana sendikàly ve ny tetikasa? Inona ny ohatra mivaingana azo raisina? 3. Nampivoatra ny fanajana ny zo hanao fifampiraharahana iombonana ve ny tetikasa? Inona ny ohatra mivaingana azo raisina? 4. N ahazoana fandrosoana eo amin’ny lafiny fifampiraharahana momba ny karama sy ny fanatsarana ny karama ve ny tetikasa? Inona ny ohatra mivaingana azo raisina? 5. Nahafahana nandroso eo amin’ny sehatry ny ady amin’ny herisetra ve ny tetikasa? Inona ny ohatra mivaingana azo raisina? 38 SOLOTENAN’NY MPIASA SY MPIKAMBANA SENDIKÀ NOHADIHADIANA ORINASA ANTA7 ANTA7 ANTA7 ANTA7 ANTA3 ANTA3 ANTA6 ABE5 ABE5 ABE5 ABE5 SENDIKÀ/ANDRAIKITRA LEHILAHY/VEHIVAVY SEKRIMA/ Solotenan’ny mpiasa V SEKRIMA/ Solotenan’ny mpiasa L SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa V SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa L SEKRIMA/ Mpikambana V SEKRIMA/ Solotena sendikàly L SVS/ Mpikambana- Birao L SEMPIZOF/ Solotena sendikàly – Mpikambana/Birao V SEKRIMA/ Mpikambana L SEKRIMA/ Solotena sendikàly V SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa- Filohan'ny V fikambanana 39 NALAINA TAMIN’IREO KAHIE MIRAKITRA NY FI TAR AINANA 7. 8. 9. 10. 11. 12. 13. 14. 15. 16. 40 TOVANA- 3: FANONTANIANA NAPETRAKA TAMIN’IREO MPITARIKA SENDIKÀ TAO ANATIN’NY DINIKA ANATY VONDRONA I. TAN-TSOROKA ARA-TEKINIKA SY FIOFANANA 1. Iza no nandray anjara tamin’ireo fiofanana natolotra ireo? 2. Nisy endrika tan-tsoroka hafa nokasaina natao ve ankoatr’ireo fiofanana ireo? II. FANAMAFISANA NY FAMPIDIRANA SENDIKÀ 1. Tao amin’io tetikasa io, nanao hetsika na fanentanana hafa hampidirana mpikambana vaovao ve ny sendikànao? 2. Lazao hoe inona izay hetsika izay. 3. Firy ny mpiasa tonga nanatrika/kinendry? 4. Firy ny isan’ny mpikambana ao amin’ny sendikà misy anao talohan’io hetsika io? Firy ny vehivavy ary firy ny lehilahy? 5. Firy ny isan’ny mpikambana ao amin’ny sendikànao ankehitriny? Firy ny vehivavy ary firy ny lehilahy? 6. Ahoana ny fahitanao izany vokatra izany? 7. Azo ampiharina araka ny toe-java-mitranga eto amin’ny firenena ve ny vokatra azo tamin’ireo karazana fiofanana fiketrehana paikady ireo? Tena nampiasaina ve? Nisy sakana ve? Inona no tolo-kevitra na fanitsiana nentinao? III. FIKARAKARANA IREO HETSIKA NASIONALY SY FANANGANANA TAMBAJOTRA(FARAFAHAKELINY 1 AMIN’IREO MPAMOKATRA REZIONALY) 1. Tafapetraka ve ny tambajotra? 2. Iza avy ireo orinasa ao? IV. ZAVAMISY MOMBA NY FANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO NY FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA MBA HIATREHANA IREO OLANA MANAN-DANJA AO ANATIN’NY SEHA-PAMOKARANA: FIOFANANA – FAMETRAHANA PAIKADY 1. Nahavita nanangana ekipan’ny fifampiraharahana iombonana ve ny sendikànao tao anatin’io tetikasa io? 2. Misy fiaraha-miasa amin’ny sendikà hafa ve amin’izany? Iza ireo sendikà ireo? 3. Iza avy ireo solotenan’ireo sendikà ireo tamin’io ekipa io? 4. Ahoana ny fomba nanendrena azy ireo? 5. Nisitraka fiofanana mahakasika ny fifampiraharahana iombonana ve ny sendikànao tao anatin’io tetikasa io? 6. Mahakasika ny inona ilay fiofanana? 7. Oviana ary taiza? 8. Iza no nikarakara ny fiofanana? 9. Iza avy ireo nandray anjara? 10. Inona no ataonareo enti-mandresy lahatra ny mpampiasa mba hahafahana (a) manangana ny Komitin’ny orinasa? (b) mifampiraharaha sy mandraikitra ny fifanarahana iombonana? 41 V. PAIKADY ARA-TSERASERA SY HO AN’NY TAMBAJOTRA 1. Manana paikady ara-tserasera sy ho an’ny tambajotra ve ny sendikànao ao anatin’io tetikasa io? 2. Misy tambajotra mipetraka ve? Iza no tomponandraikitra/mpikambana? 3. Inona no vokatra azo tamin’ny alalan’io rafitra io? VI. VHBG 1. Afaka nampahafantatra ny mpiasa ny mahakasika ny VHBG ve ianao? Ireo tokony hatao raha sendra misy tranga ary ny hisorohana izany? 2. Manana paikady hisorohana na hanafoanana ny VHBG ve ianao? 3. Fantatry ny mpiasa ve izany? 4. Raha tsia, inona no sakana? VII. FIROSOANA MANKANY AMIN’NY FIFAMPIRAHARAHANA MAHENIKA NY SEHA-PAMOKARANA: FALALAHANA SENDIKÀLY, FIFANARAHANA IOMBONANA MAHAKASIKA MPAMPIASA MARO, RAFIPAMAHANA FIFANOLANANA 1. Mampiseho fisokafana amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana ve ny orinasa fehezin’ny GFA? 2. Amin’izao fotoana izao, mahavita manolotra fifanarahana iombonana mahenika ny seha-pamokarana ve ny sendikà misy anao? Misy volavola azo atolotra ny orinasa ve? IX. ZON’NY VEHIVAVY 1. Ireo hetsika notanterahana tao anatin’io tetikasa io ve nahafahan’ny mpiasa: (a) nahazo fahalalana mahakasika ny zon’ny vehivavy? (b) nahazo fahalalana ny amin’ny fomba fitakiana ny fanajana ny zo? 2. Misy tranga azo tsapain-tanana azo lazaina ve? X. FIZOHIANA NY FAMPIHARANA NA TSIA NY GFA. IREO TOLOKEVI-PANITSIANA 1. Voahaja ve ny GFA any anivon’ny orinasa misy anao? 2. Inona no sakana na fepetra fanitsiana? XI. FIANTRAIKAN’NY TETIKASA AMIN’NY ANKAPOBENY 1. Nampiroborobo ny falalahana sendikàly ve ny tetikasa? Misy ohatra azo tsapain-tanana ve? 2. Nitondra fampivoarana teo amin’ny lafiny ady atao amin’ny VHBG ve ny tetikasa? Misy ohatra azo tsapaintanana ve? IREO MPITARIKA NY SENDIKÀ FOIBE NANDRAY ANJARA TAMIN’NY DINIKA ANATY VONDRONA: - Rtoa Malalatiana Lovasoa FETRARINORO, Sekretera Jeneraly SEMPIZOF - Atoa Rémi Henri BOUTOUDI, Sekretera Jeneraly lefitra SEKRIMA 42 TOVANA- 4: FANONTANIANA TAMIN’IREO SOLOTENA SENDIKÀLY, SOLOTENAN’NY MPIASA, SY IREO MPIASA MPIKAMBANA SENDIKÀ NANDRITRA NY DINIKA ANATY VONDRONA I. TAN-TSOROKA SY FIOFANANA AVY AMIN’NY INDUSTRIALL 1. Manana filàna hafa ankoatry ny fiofanana ve ny sendikànao? 2. Taorian’ny fiofanana, nisy hetsika natao ka nahafahana nampihatra ny lesona azo ve(fahaiza-manao entina hampiharana ny traikefa azo)? 3. Azo ampiharina amin’ny zava-misy eto Madagasikara ve ny fiofanana azo(fifampiraharahana iombonana, ady atao amin’ny VHBG)? II. FANAMAFISANA NY FAMPIDIRANA SENDIKÀ 1. Nanomboka ny taona 2021, nisy hetsika na fanentanana nataon’ny sendikànao ve nikendrena hampidirana mpikambana vaovao? 2. Amin’ny maha-mpikambana anao ao amin’ny sendikà, afaka mahazo vaovao momba ny isan’ny mpikambana ve ianao? 3. Inona no lamina azonao aroso mba hampirindra tsara ny asa fampidirana mpikambana taorian’izay fiofanana izay? 4. Inona no mety ho sakana avy amin’ny sendikà, ny mpampiasa na ny rafitra hafa raha hampihatra ny tekinika sy ny fomba fiasa voaray avy tamin’ny fiofanana momba ny fampidirana sendikà? III. NY ZAVAMISY MAHAKASIKA IREO HETSIKA ANAMAFISANA NY FAHAIZA-MANAO NY FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA MBA HAHAFAHANA MANDROSO IREO OLANA MANAN-DANJA EO AMIN’NY SEHA-PAMOKARANA: FIOFANANA, FAMETRAHANA PAIKADY 1. Nahavita nanangana ekipa ho amin’ny fifampiraharahana iombonana ve ny sendikànao nanomboka ny taona 2021? 2. Inona sakana tsy nahafahana nanangana ekipa? 3. Misy fiaraha-miasa amin’ny sendikà hafa ve amin’izany? 4. Raha eny, iza avy ireo sendikà ireo? 5. Raha tsia, inona ny antony? 6. Raha toa ka ilaina, vonona ny hifanampy amin’ny hafa ve ny sendikànao amin’ny fifampiraharahana? IV. FIFAMPIRAHARAHANA IOMBONANA 1. Nanomboka ny taona 2021, efa nitarika na nandray anjara tamina fifampiraharahana handrafetana fifanarahana iombonana na endrika fifanekena iombonana hafa ve ny sendikànao? Tamin’ny orinasa taiza? 2. Manana volavola fifanarahana iombonana ve ny sendikànao? 3. Rahoviana no ahafahana mandroso io volavola io ho amin’ny fifampiraharahana? 4. Misokatra amin’ny fifampidinihana sy ny fifampiraharahana ve ny mpampiasa anao? Raha eny, Inona no sakana amin’ny fifampiresahana mahakasika ny fifanarahana iombonana? 5. Raha toa ka tsy misy fifanarahana na fifanekena iraisana vita, na koa vao an-dalana ny fifampiraharahana, manana volavola hatolotra ny mpampiasa ve ny sendikànao amin’ny fifampiraharahana? 6. Inona avy ireo paikady ampiasain’ny sendikànao amin’izao mba hampahomby ny fandraiketana ny fifanarahana iombonana? 43 V. VHBG 1. Manana paikady enti-miady hanafoanana ny VHBG ve ianareo? 2. Fantatry ny mpiasa ve izany? 3. Tena hampiharina ve izy io? 4. Misy toromarika avy amin’ny birao foibe ve omena ny solotena sendikàly sy ny solotenan’ny mpiasa mba hanampiana azy ireo hitondra ny raharaha herisetra eo amin’ny toeram-piasana? 5. Ahoana no hampahafantarana ny mpiasa ny paikady hoenti-misoraka sy manafoana ny tranga VHBG? 6. Afaka mandray an-tanana ny tranga-na VHBG ve ny solotenan’ny mpiasa sy ny solotena sendikàly? 7. Manana paikady hampidirana ny ady hanafoanana ny VHBG ao amin’ny politika momba ny toeram-piasana na ao amin’ny fifanarahana iombonana ve ny sendikànao? 8. Ny Fitsipika anaty(RI) misy amin’izao ve ahitana sazy ho an’ny fanaovana VHBG? Raha tsia, manana tolokevitra mahakasika ny sazy ve ny sendikà? VI. FANAMAFISANA NY FIVOIZANA NY C190 1. Manana paikady entina manamafy ny fivoizana ny fifanarahana C190 an’ny OIT mahakasika ny herisetra sy antsojay eo amin’ny tontolon’ny asa ve ny sendikànao? 2. Efa nanao adisisika teo anivon’ny rafitra maro samihafa mba hankatoavana io fifanarahana C190 ny OIT io ve ny sendikànao na ny vondrom-ben’ny sendikà? VII. ZON’NY VEHIVAVY 1. Ireo hetsika notanterahina tamin’io tetikasa io ve nahafahan’ny mpiasa: (a) nahafantatra ny zon’ny vehivavy? (b) nahafantarana hoe ahoana izany mitaky ny fanajana ny zo izany? 2. Mipetraka tsara ve ny fotodrafitrasa eo amin’ny orinasa misy anao ahafahana mampiroborobo ny zon’ny vehivavy araka ny fenitra takiana? VIII. FIZOHIANA NY FAMPIHARANA NA NY TSIA NY GFA 1. Fantatrao ve ny fifandraisana eo amin’ny orinasa misy anao sy ny GFA? Raha eny, ahoana no nahafantaranao izany? 2. Voahaja ve ny GFA ao amin’ny orinasa misy anao? Afaka manome ohatra mivaingana ve ianao? 3. Raha voahitsakitraka ny GFA, vonona ny hanetsika ireo fitaovana entina hitorohana izany ve ianao? IX. FAHITANA NY FIANTRAIKAN’NY TETIKASA AMIN’NY ANKAPOBENY 1. Nampisy fitomboana isa teo amin’ny mpikambana ao amin’ny sendikà misy anao ve ny tetikasa? Eo amin’ny firy eo ny tahan’izany? 2. Mety hisy fandrosoana azo tsapain-tanana ve amin’ny fiafaran’ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny falalahana sendikàly, fifampiraharahana, ady atao amin’ny VHBG ary ny fampidirana ho mpikambana? SOLOTENAN’NY MPIASA NANDRAY ANJARA TAMIN’NY DINIKA ANATY VONDRONA ORINASA SENDIKÀ/ANDRAIKITRA LAHY/VAVY ABE5 SEKRIMA/ Komitin’ny orinasa L 44 ABE5 ABE5 ANTA3 ANTA7 ABE5 ABE5 ABE5 ANTA3 ANTA4-II ANTA4-II ANTA7 ANTA4-I ANTA4-I ANTA6 ANTA6 ANTA4-II SEKRIMA/ Solotena sendikàly – Mpisarika L SEKRIMA/ Solotena sendikàly V SEKRIMA/ Solotena sendikàly L SEKRIMA/ Solotenan’ny mpiasa L SEMPIZOF/ Komitin’ny orinasa – Mpisarika V SEMPIZOF/ Solotena sendikàly L SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa V SEMPIZOF/ Solotena sendikàly V SEMPIZOF/ Solotena sendikàly V SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa L SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa L SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa V SEMPIZOF/ Solotenan’ny mpiasa L SVS/ Mpikambana L SVS/ Voaroaka tamin’ny asa V SVS/ Mpikambana L 45 TOVANA- 5: GFA NIFANEKEN’ INDUSTRIALL SY ASOS Fifanarahana teo amin’ny ASOS.com Limited Orinasa nosokafana tao Angletera sy Pays de Galles mitondra ny laharan'ny orinasa 3584121 ary ny birao foibe dia ao Greater London House, Hampstead Road, Londres, NW1 7FB(“ASOS”) Andaniny Sy IndustriALL Global Union Fikambanana nosokafana tao Soisa izay manana birao foibe ao amin'ny 54bis, Route des Acacias, 1227 Genève("IndustriALL Global Union") Ankilany Ny tsirairay dia atao hoe"Ankolafiny" ary izy miaraka dia antsoina hoe"Ny Andaniny sy Ankilany”. SAVARANONANDO ASOS dia orinasa mikirakira lamaody amin’ny fomba ampitain-davitra, mivarotra akanjom-behivavy, akanjon-dehilahy, kiraro, kojakoja, fanomezana ary vokatra fikarakarana tarehy sy vatana amin’ny alalan’ny tranokala asos.com ho an'ireo tanora tia lamaody antapitrisany amin’izao taona 2020 sy ny manodidina izao, manerana ny tany sy ny firenena miisa 231. ASOS dia mirotsaka amin’ny fanajana, ny fiarovana ary ny fampanjakàna ny zon'olombelona ho an'ireo mpiasa mamokatra lamba, kiraro ary akanjo manerantany. Ny ASOS dia manaiky ny andraikiny ho fampanajana ny zon'ny mpiasa ary manohana ny mangarahara ao anatin’ny rojo-pamatsiana. Ity Fifanarahana ity dia mampafantatra ny anjara toerana fototra tanan’ny falalahan’ny sendikà sy ny fifampiraharahana iombonana hampandehanana tsara ny fifandraisana arak’asa ao anivon’ny indostria. Araka izany dia mety ny mametraka rafitra ifandraisana amin'ireo fikambanana sendikàly, izay misolo tena ny mpiasa ao anatin'ny rojo-pamatsiana lamba, kiraro ary akanjo. IndustriALL Global Union dia misolo tena ny mpiasa 50 tapitrisa any amin'ny firenena 140 manerantany amin'ny alalan'ny sendikà 600 mahery, anisan'izany ireo mpiasa ao amin’ny indostria manao lamba, akanjo, kiraro ary hoditra. Ny andraikiny dia ny fiarovana ny zo sy ny tombontsoan'ny mpiasa eo amin'ny sehatra manerantany, isa-paritra ary eny amin’ny zanaparitra, anisan'izany ny fivoizana ny fenitra iraisampirenena momba ny asa ao anatin’ny rojo-pamatsiana manerantany. Amin'ny alàlan'ity GFA ity(antsoina eto hoe"Fifanarahana"), ny ASOS sy ny IndustriALL Global Union(antsoina hoe"Ny Andaniny sy ny Ankilany") dia maniry ny hampanara-dalàna ny fiaraha-miasa izay napetraka tato anatin'ny taona vitsivitsy izao ary hiditra amina fiaraha-miasa stratejika. Ny Andaniny sy ny Ankilany amin'ity fifanarahana ity dia samy mahalala fa ny tanjona voalohany dia ny hampatanjaka ny fifampitondrana ifotony eo amin’ny fifandraisana arak’asa ao amin’ireo toera-pamokarana izay isan’ny rojo-pamatsiana ASOS. Manaiky ihany koa izy ireo fa tanteraka ny tanjaky ny fifampitondrana ifotony rehefa manan-jo hiditra fikambanana an-kalalahana sy hanao fifampiraharahana iombonana ny mpiasa ao anatin'ny rojo-pamatsiana, ary izany ihany no fomba maharitra hanatrarana sy hihazonana ny zo fototry ny mpiasa sy ny asa mendrika. Fifanarahana sy Fenitra ASOS sy IndustriALL Global Union dia samy manaiky sy miara-miasa mba hiantohana ny fampiharana ny Fenitry ny Fikambanana Iraisampirenena Momba ny Asa(antsoina eto hoe"OIT"), ao anatin'izany ny Fanambaran'ny OIT tamin’ny 1998 momba ny Fepetra sy ny zo fototra eo amin'ny asa, ny Fifanarahana sy ny tolo-kevitry ny OIT ary ireo fenitra sy ny fifanarahana hafa ekena eo amin'ny iraisampirenena araka ny voalaza ao amin'ny Tovana 1 amin’ity fifanarahana ity. Ny Andaniny sy ny Ankilany dia miara-manaiky, araka ny voalaza ao amin'ny Fenitra etikan’ny Mpamatsy ASOS hita ao amin'ny Tovana 2 amin'ity fifanarahana ity, fa ny fifanarahana sy ny fenitra voalaza ao amin'ny Tovana 1, ary koa ireo fepetra avy amin’ny traikefan’ny OIT, ireo ihany no mihatra manoloana ny lalàna nasionaly raha toa ka latsa-danja kokoa izany lalàna nasionaly izany ho an’ny mpiasa. 46 Sehatra ampiharana Ity fifanarahana ity dia mahakasika ireo mpiasa ao amin’ny Mpamatsy nanaovan’ny ASOS fifanarahana mba hamatsy lamba sy kiraro ary akanjo mitondra ny Marika ASOS ao anatin’ny rojo-pamatsiana. Ny tanjon'ity Fifanarahana ity dia ny hametraka fifampitondrana ahafahana manamora ny falalahana sendikàly sy ny fifampiraharahana iombonana mba ho fomba fiasa lohalaharana sy mampaharitra ny fampiharana ny zo fototra amin'ny asa, sy ho famahana ny adin'ny mpiasa ao amin'ny orinasa Mpamatsy anatin’ny rojo-pamatsiana ASOS. Ny vokatra mitondra ny Marika ASOS manokana dia novolavolain’i ASOS, ary vokarin'ny Mpamatsy sy ny orinasa("Mpamatsy"). ASOS dia nandrafitra taotsary momba azy ireo araka izao voafaritra manaraka izao: ANARANA Mpamatsy 1 Mpamatsy 2 Mpamatsy 3 FAMARITANA Fototra Zotra voalohany Mpiantoka asa mivantana (contractant) Zotra faharoa Mpiantoka asa ivelany(soustraitants) OHATRA Orinasa mandidy sy manjaitra ary manao finition araka ny fenitra ASOS Mpamatsy miandraikitra dingana iray na maro, ohatra: manindrizaitra, mandidy, manao anaty fonosana, manara-maso ny kalitao, mametraka anaty trano fitehirizana Mpamatsy miandraikitra dingana iray na maro, ohatra: manoratra na manisy sary, mandoko, manasa lamba, manao petakofehy SATA Tafiditra amin’ny ampahany anaty taotsary – vita tamin’ny 2017/18 Tafiditra amin’ny ampahany anaty taotsary – vita tamin’ny 2017/18 Araka ny fepetran'ity fifanarahana ity, ny ASOS dia manaiky ny adidiny manoloana ny mpiasa momba ireo fepetra famokarana ao amin’ny indostria, ary ireo adidy ireo dia mitatra hatrany amin'ny mpiasa rehetra mamokatra ho an'ny ASOS, na isan’ny mpiasa ao amin'ny ASOS izy ireo na tsia. Mba hanatanterahana ireo adidy ireo, ny mpanao sonia dia hijery akaiky sy hitaky amin’ireo mpiantoka asa mivantana(contractants) na ivelany(sous-traitants) ary ny Mpamatsy fototra mba hanaja ny fenitra eken'ny sehatra iraisampirenena araka ny voalaza ao amin'ny Tovana 1 sy 2 amin'ity fifanarahana ity. Ity Fifanarahana lasitra ity dia natao hanamora ny fifampiraharahana momba ny andinindinin’ny Fifanarahana iombonana eo amin'ny sendikà eo an-toerana sy ny mpamatsin’ny ASOS rehetra eo amin'ny sehatra nasionaly na hafa. Izany dia tokony ho fototra manan-danja hampiroboroboana firafi-pifandraisana arak’asa matotra ao anatin'ny orinasa tsirairay sy manerana ny rojopamatsian'ny orinasa tsirairay. Arak'izany, ny fepetra voarakitra ato dia ampiharina manerantany, na aiza na aiza toerana arajeografia, na inona na inona sehatry ny indostria, na manahaoana na manahoana ny haben'ny orinasa. Ny fepetra amin'ity fifanarahana ity dia ampiharina amin'ireo toeram-piasana voasahan’ity fifanarahana ity, kanefa tsy mikambana amin'ny IndustriALL Global Union ny fikambanana izay misolo tena ny mpiasa. IndustriALL sy ASOS dia miandraikitra ny fampahafantarana an’ireo fikambanana ireo ny fepetra voarakitr’ity Fifanarahana ity. Ity Fifanarahana ity dia ampiharina amin'ny Mpamatsy ny Marika ASOS sy ny Marika fanampiny rehetra, izay an'ny ASOS. Tsy mihatra amin'ny Marika fahatelo hafa, izay amidy amin'ny tranokala ASOS ity. Fampiharana/ Rafitra sy Fandaminana Ny Andaniny sy ny Ankilany amin'ity Fifanarahana ity dia manaiky ny maha-zava-dehibe ny falalahana sendikàly sy ny fifampiraharahana iombonana araka ny voarakitra ao amin'ny fifanarahana faha-87, 98, 135 an’ny OIT sy ny tolokevitra 143, izay tena fototra ho an’ny fanarahan-dalàna maharitra ao amin'ireo orinasa mamatsy ny ASOS. Ny falalahana sendikàlysy ny fifampiraharahana iombonana dia manome fitaovana ho an'ny mpiasa hizohiana sy hampiharana ny zony amin'ny asa, ary izany dia ampiasaina ho fototra hananganana sy hiantohana ny fanajana ireo zon'ny mpiasa hafa. Eken'ny Andaniny sy ny Ankilany amin'ity fifanarahana ity fa ny asa tanterahana ho an’izany falalahana sendikàly izany dia tsy vitan'ny fametrahana tontolo ahafahan'ny mpiasa sy ny mpitantana mahalala ny zon'ny mpiasa sy ny fomba fampiharana azy fotsiny, fa mitaky ihany koa ny fampiharana andiana politika sy fombafomba mba hiarovana ireo zo ireo sy hisorohana ny fanararaotana. Miaraka amin'ny lndustriALL, ASOS dia manolotena amin’ny: Fametrahana firafitra ahafahana mampifandray ireo mpikambana ao amin'ny lndustriALL Global Union amin’ny mpiasan'ny ASOS any amin’ny firenena ianisany mba hampiharana ny fifanarahana; 47 Famolavolana paikady hampivelatra tontolo ahafahana mivondrona sy manao fifampiraharahana iombonana; Famolavolana sy fanatanterahana ny fahafahan’ny mpiasa manao antso maika an-telefaonina mba hiantohana ny hahatafidiran'ny mpiasa amin’ny famahana olana; Fanatanterahana fandaharam-panofanana ho an'ny mpiasa sy ny mpitantana ny orinasa, ary koa ho an’ny Mpamatsy mba hametrahana tontolo mahafa-po ho an'ny falalahana sendikàly sy hananganana fifanakalozan-kevitra maharitra ao anatin’ny orinasa; Fiarahana mamolavola fomba hanombanana ara-potoana ny fiantraikan'ny fomba fanao amin'ny vidy sy varotra eo amin’ny mpiasa ao anatin’ny rojo-pamatsiana; ASOS dia manao izay hahatontosa ny falalahana sendikàly amin'ny alàlan'ny fitakiany amin’ny Mpamatsy ny hananan’izy ireo fomba fiasa miabo, misokatra ary mifanaraka amin'ny asan'ny sendikà; Mba hanamora ny fampiharana ity Fifanarahana ity, ny ASOS dia tokony hampafantatra indroa isan-taona an’ny IndustriALL Global Union ireo toerana misy ny Mpamatsy azy sy ireo Marika fanampiny rehetra ananany; ASOS dia miandraikitra ny hampangarahara ireo loharanom-baovaony, na ampahibemaso na ho an'ny IndustriALL Global Union manokana; ASOS dia miandraikitra ny hampafatatra ireo Marika fanampiny rehetra izay azy manokana ka voasahan’ny sehatra ampiharana ity fifanarahana ity. IndustriALL Global Union sy ny mpikambana ao aminy dia tsy hampiasa ity torohay ity afa-tsy ho amin’ny fampiroboroboana ny fepetran'ny fifanarahana sy ny fampivoarana ny fifanakalozan-kevitra ara-tsosialy miaraka amin'ireo Mpamatsy ao amin'ny rojopamatsiana ASOS. ASOS dia hiantoka ny fandikana ny Fifanarahana amin'ny fiteny rehetra ilàna izany, ary ifanarahany amin’ny IndustriALL Global Union izany. Raha toa ka tsy misy rafitra hita maso ho an'ny dinika sosialy ao anatin'ny ampahany amin'ny rojo-pamatsiana, ny ASOS dia hanombana ny mpitantana sy ny mpiasa araka ny fepetran'ity Fifanarahana ity. Izany dia mety ho amin'ny endrika fivoriana sy/na fanofanana iarahana(ny mpanatanteraka sy ny votoatin’ireo dia hofaritan'ny Andaniny sy ny Ankilany amin'ity Fifanarahana ity). ASOS dia hampiasa ny ezaka rehetra ataony mba hahafahan’ny IndustriALL Global Union sy ny sendikà eo an-toerana, nasionaly ary isa-paritra mifandray mivantana amin'ny Mpamatsy sy ny orinasa ao anatin'ny rojo-pamatsiana ASOS. Izany fahazoana mifandray mivantana izany dia mifototra amina rafitra izay heverin'ny mpitantana ny IndustriALL Global Union sy ny ASOS fa ilaina. Ny IndustriALL Global Union dia mahalala sy manaiky fa ny fahafahan’ny sendikà miditra ao amin’ny toeram-piasan’ny Mpamatsy ny ASOS dia miankina amin’ny faneken'ny Mpamatsy ny ASOS izany. Noho izany, manaiky daholo ny Andaniny sy Ankilany fa raha te-hihaona amin'ny mpiasa ao amin'ny Mpamatsy ny ASOS ny IndustriALL Global Union na ny sendikà mpikambana ao aminy, dia manao fangatahana any amin’ny ASOS izy ireo mba hahazoana ny faneken'ny Mpamatsy. Ho an’ny tranga izay tsy mazava tsara raha mandika ny Fifanarahana ny fanao iray na tsia dia ny fenitrz iraisampirenena momba ny asa izay napetraky ny OIT no raisina ho teboka fanondroana. Raha voafaritra ny fisian’ny toe-javatra tahaka izany, ny ASOS dia manaiky ny hampafantatra sy hifampidinika amin'ny IndustrialALL Global Union. Fampafantarana sy fahazoana miditra Asa sy andraikitry ny Andaniny sy ny Ankilany: Ny Andaniny sy ny Ankilany amin'ity Fifanarahana ity dia mametraka sy mitazona fomba fiasa hampita tsy tapaka ny angondrakitra sy ny torohay hafa momba ny fanatanterahana mifanaraka amin'ny fepetra takian'ity Fifanarahana ity, ao anatin'izany, fa tsy voafetra ho amin'izany, ny vokatry ny fandinihana ny fitantanana sy ny asa fizohiana. Misy vondrona iraisana izay hivory indroa isan-taona handinika ny fampiharana ity Fifanarahana ity sy ireo olana mifandraika amin'izany. Ny mpikambana ao amin'ity vondrona iraisana ity dia ahitana solotenan'ny ASOS, ny IndustriALL Global Union ao anatin'izany ny Talen'ny sehatry ny famokarana lamba, akanjo, hoditra ary kiraro, ary raha ilaina, ny solotena avy amin'ny faritra iasan’ny IndustriALL Global Union. Ankoatry ny asa hafa mety hosahaniny, ity vondrona ity dia: Mampiroborobo ny fomba fanao tsara indrindra amin'ny fifandraisana indostrialy ao anatin'ny rojo-pamatsiana ASOS; Manangana firafitra anaovana tatitra momba ny fanitsakitsahana ny fepetran'ny fifanarahana araka ny voalaza ao amin'ny Tovana 1 sy 2; 48 Mamaritra sy manadio ny fomba fidirana an-tsehatra sy famahana ny fifandirana eo amin'ny sehatra; Manao fikarohana momba ny olana manokana; Manara-maso ny fivoaran'ny politikan'ny Mpamatsy momba ny falalahana sendikàly; Manara-maso ny fampivoarana ny programa fanofanana; Mamaritra ny zotra fampiharana manokana ity Fifanarahana ity ho an'ny firenena. Ny Andaniny sy ny Ankilany dia samy manaiky ny hifandray mivantana tsy misy hatakandro raha misy fifandirana na fanitsakitsahana ny Fifanarahana, mba hitadiavana vahaolana iraisana. IndustriALL Global Union dia manaiky ny hanome ny antsipirian'ity Fifanarahana ity ho an'ny mpikambany izay manadanja rehetra ary hampirisika ny fampiharana izany manerana ny rojo-pamatsiana ASOS, miaraka amin'ireo mpikambana ao aminy sy ireo fikambanana isa-paritra; IndustriALL Global Union dia hanao fanombanana isan-taona ny fiantraikan'ny Fifanarahana, ary hametraka fomba fiasa mba hahazoana antoka fa mitondra tombontsoa ho an'ireo mpiasa voakasika izany, manatsara ny fifandraisana, manampy amin'ny fisorohana sy ny famahana ny disadisa ary mampiroborobo ny dinika sosialy. Ny herin’ity Fifanarahana ity dia miankina amin'ny fahalalana ny votoatin’izany ao anivon’ny ASOS sy ireo Mpamatsy ary ny mpiasa. Ny fampahafantarana sy ny fampiofanana momba ny teny sy ny dikan'ity fifanarahana ity eo amin’ireo mpiantsehatra ireo dia andraikitra iombonan’ny ASOS sy ny IndustriALL Global Union. Na ny IndustriALL Global Union, na ny ASOS dia samy hanao izay hampiroborobo ny fametrahana ny politika sy ny programa fampiofanana momba ny falalahana sendikàly. ASOS dia hiantoka ny fandaniana amin'ny fanatanterahana ny programa sy ny fivoriana mifandraika amin'ity Fifanarahana ity. Firaketana sy fe-potoanan'ny fifanarahana Ity Fifanarahana ity dia manan-kery manomboka amin'ny fanasoniavana azy ary havaozina ao anatin'ny 2 taona aorian’ny datin'ity Fifanarahana ity. Ny roa tonta dia samy mandray anjara mavitrika amin'ny fanohanana ny fanatanterahana izany, ary manambara ny fahavononany hiara-hiasa amin'ny fisorohana sy ny fanarenana izay mety ho fandikan-dalàna. Ny fanontaniana mahakasika ny fandikana ity Fifanarahana ity dia hovaliana anatin’ny fifampidinihana eo amin'ireo mpanao sonia. Atao ny ezaka rehetra mba hahatongavana amina fifanarahana iombonana saingy raha tsy azo tanterahana izany, ny Andaniny sy ny Ankilany amin’ity Fifanarahana ity dia hangataka torohevitra avy amin’ny manampahaizan’ny OIT, ao amin’izay ambaratonga voakasik’izany. Izy ireo dia samy manaiky ny hanaraka ny tolokevitra farany ataon'ny OIT. Nosoniavin’ ASOS.COM LIMITED Londres, 2 Oktobra 2017 Nosoniavin’ny lndustriALL Global Union Londres, 2 Oktobra 2017 Filoha Tale Jeneraly 49 Valter Sanches Tale Mpitan-tsoratra TOVANA- 6: TATITRA NATAON’NY SEMPIZOF MAHAKASIKA NY TRANGA-NA HERISETRA TAO AMIN’NY ANTA6 Salama Kamarady, Mino aho fa salama tsara ianao. Iaraha-mahita ny zava-misy ao amin’ny Orinasa Afak’haba eto Madagasikara; ny ANTA6 dia anisan'ny ireo orinasa 10 izay tsy maintsy hiasantsika mandritra ny telo taona; nisedra olana goavana ny mpiasa, indrindra fa ny mpikirakira ny masinina, ka ny sabotsy teo no natao ny farany tamin’ireo dinidinika nialoha ny fandroahana. Nanomboka ny 18 ka hatramin’ny 25 mey, mpiasa 350, Mpiasa mikirakira ny masinina avy ao amin’ny ANTA6, no nanomboka nampiato ny asa teny an-toerana, taorian’ny filazana avy amin’ireo mpitantana. Ny filazana dia nampahafantatra ny“ Mpiasa ao amin'ny sampan-draharahan'ny famokarana fa vita ny tetikasa fampifanarahana ny sokajin’asan’ny mpiasa. Mampahatsiahy izahay fa ity tetikasa ity dia valin’ny fitarainana avy amin'ny solotenan’ny mpiasa izay niantefa tamin'ny Mpitantana, ary nangataka ny hanaovana Famakafakana sy fanavaozana ny fanasokajiana ny asa matihanina, araka ny lesoka hita tamin'ny asa mitovy saingy samihafa ny fanasokajiana,.............................. Mahakasika manokana ny Sampana Make UP(Mpikirakira masinina). Tianay ihany koa ny manamafy fa efa eo am-panatanterahana ny tetikasa momba ny fanombanana ny asan’izy ireo/ny sokajin’asany miohatra amin'ny zava-bitany, mety haharitra volana maromaro izany. Ny Mpitantana dia hampafantatra ny antsipiriany momba ity tetikasa ity ao aoriana kely" Nahatezitra ny mpiasa ny filazana, indrindra fa ny mpikirakira masinina, izay nitaky ny fanatsarana ny sandan'ny fahaiza-manaony nanomboka tamin'ny taon-dasa. Nitatitra tokoa mantsy ireo mpikirakira masinina fa ny ANTA6 dia manakarama mpiasa vaovao manana sokajy matihanina ambony noho ny mpiasa izay efa niasa mihoatra ny 10 taona, no sady mampianatra azy ireo ny asany. Araka ireo dinidinika notanterahan'ny Sempizof, mpikambana ao amin'ny IndustriALL Global Union, dia voamarika fa ny solotenan'ny mpiasa(DP) ao amin'ny Fisemare, izay sendikà manana solotenan’ny mpiasa betsaka indrindra ao amin’ny orinasa nanomboka tamin'ny taona 2021, no nanoro hevitra ny mpiasa ny paikadin'ny fampiatoana ny asa eny an-toerana, 72 ora aorian’ny fametrahana fitarainana tany amin'ny Fisafoana ny asa, ka dia noraisin’ny ANTA6 ho fitokonana tsy ara-dalàna izany. Heverin’ny ankamaroan’ny mpiasa ho fihantsiana, indrindra fa ho an’ny mpikirakira masinina, ny vaovao momba ny fanondrotana manokana ny karama ho an’ny sampana iray. Nandritra ny fitokonana, ankoatry ny politikan'ny karama, izay heverina ho fanavakavahana, dia niampanga ny antsojay ara-nofo atao amin’ny vehivavy sy ny fandraisana mpiasa amin'ny fandoavana tsolotra ny mpiasa ary nitaky ny fandroahana ireo Mpanara-maso/Mpiandraikitra. Ny fanadihadiana farany nataon'ny FES sy ny IndustriALL momba ny fanajana ny zon'ny mpiasa ao amin'ny orinasa Mpamatsy ny orinasa iraisampirenena izay nandraikitra GFA tamin’ny IndustriALL dia naneho ny fisian’ireo fanao ratsy ireo. Izany dia hita ao amin'ireo orinasa nanaovana fanadihadiana, ary anisan'izany ny ANTA6. Amin’izao fotoana izao, ny sendikà Fisemare dia nisafidy ny tsy hisolo tena ireo mpiasa notorian’ny ANTA6. Ny mpikambana ao amin’ny Sempizof sy ireo mpiasa tsy mpikambana hafa dia nitodika tamin’ny Sempizof mba hahazoana fanampiana sy fiarovana taorian’ny nilazan’ny ANTA6 fa tsy ara-dalàna ny fitokonana. Na dia tsy voafidy hisolo tena ny mpiasa aza ny Sempizof dia ekena ny fisiany ao amin’ny orinasa ary manana solotena sendikàly izy. Amin'izao fotoana izao, ireo mpiasa voarohirohy amin'ny fitokonana dia tsy maintsy manatrika tsirairay ny dinika amin'ny mpampiasa noho ny fitokonana tsy nisy fampilazana mialoha izay niteraka fanakorontanana sy fatiantoka ho an'ny orinasa. Nanomboka ny fombafomba fandroahana ny mpampiasa tamin'ny dinika mialoha ny fandroahana ho an’ireo nandray anjara. Ny hafa kosa dia nantsoina hanatrika dinika momba ny fampiharana ny fitsipi-pifehezana ivelan’ny ANTA6. Ireo mpiasa izay nanaraka am-pahatsorana ny toromarika napetraky ny sendikà mpisolotena mba hampafantarana ny fitarainany, dia matahotra ny ho very asa ankehitriny no sady tezitra amin’ny politikan’ny fanavakavahana ataon’ny ANTA6. Tamin’ireo dinika roa ireo dia nanampy ireo mpiasa voakasika ny solotenan’ny SEMPIZOF ary nanatrika ny dinika. Noho izany, ny antsasany mahery amin’ireo mpiasa voakasiky ny sazy toy ny fampihantonana mandritra ny 3 andro sy ny hafa dia miandry ny Fanapahana avy amin’ny mpitantana taorian’ny dinika mialoha ny fandroahana natao ny alarobia 15 jona 2022. 50 Tonga teny an-toerana ihany koa ny SVS. Raha ny fantatra dia tsy nanana sendikà voasoratra tao amin’ny ANTA6 ny SVS tamin’ny fotoana nisian’ny hetsika. Alefako aminao ity tatitra ity, ho fanampiana sy ho fidirana an-tsehatry ny IndustriALL satria manahy izahay sao ho lasa tsy an'asa ny mpiasa maro. Mirary anao hanam-paharetana eo am-pamakiana, LOVA SG/SEMPIZOF 51