-
- INONA NO ATAO HOE DEMOKRASIA?
-
-
-
-
-
- Mpanoratra (rijan-teny amin’ny teny alema):
- Paula Becker (Bachelor of Arts, Siansa Politika, Oniversite Hamburg)
- sy
- Dr. Jean-Aimé A. Raveloson
-
-
-
-
-
-
-
- Mpanatontosa: KMF-CNOE sy NOVA STELLA,
- niaraka tamin’ny Friedrich-Ebert-Stiftung (FES)
- Nandika teny avy amin’ny teny frantsay: Foiben’ny Teny, Akademia Malagasy
- Mpandrindra: Jean-Aimé A. Raveloson
- Antananarivo, septembre 2008
- Laza vontoatiny
-
-
-
-
-
-
-
- Teny fampidirana
- Amin' ireo firenena 193 ankatoavin'ny Firenena Mikambana ny fijoroany, dia 123 no azo isaina ho demôkratika (www.freedomhouse.org). Araka izany, dia mihoatra ny antsasan’ireo Firenena mijoro no nanangana endri-pitondram-panjakana manaja ny firotsahana an-tsehatra amin'ny endriny samihafa ataon'ny mponina. Inona no zavatra tokony hotakarina ary, raha miresaka demôkrasia? Ny tsirairay avy dia azo inoana fa samy manana izay fomba hieritreretany ny mety ho dikan'ny atao hoe "demôkrasia": fa ahoana no tena hanaz
- Ity kiboky ity dia mandalina ireo fanontaniana ireo sy fanontaniana hafa ihany koa. Miezaka izy, noho izany, ny hitondra sombim-panazavana ao anatin’ny tontolon’ny torohay somary manjavozavo mikasika ity lohahevitra "demôkrasia" ity. Ity boky ity dia natao manokana ho an'ireo "zaza vao" izay maniry ny hahita zorony amin'ny "demôkrasia" amin'ny ankapobeny.
- Aorian'ny fanazavana atao mikasika io voambolana io, atao ho fampidiran-dresaka, dia hofaritana amin'ny antsipiriany ireo singa fototra izay mamaritra ny demôkrasia.
- Ao amin’ny fizarana manaraka no hitondrana fanazavana mikasika ny fomba hikolokoloana sy hanamafisana orina ny demôkrasia efa tena mijoro. Izany dia tsy ho azo tanterahana raha tsy misy ny fampandraisana anjara ny vahoaka. Noho izany indrindra no mahatonga ny maha zava-dehibe ny tokony hahazoanao fahalalana, amin'ny maha mpikambana tanora mavitrika anao ao anatin'ny fiarahamonina izay misy anao.
- Eny am-pamaranana ary dia apetraka ny fanontaniana hoe “ny demôkrasia ve no tompon'ny ho avy?”.
- Manantena izahay fa mahaliana anao ny tohiny. Koa dia mahazoa fahafinaretana eto am-pamakiana!
- 1. Inona moa no atao hoe demôkrasia?
- Ny teny hoe "demôkrasia" dia avy amin'ny teny grika ary azo avy amin'ny fanambarana teny anankiroa demos = vahoaka sy kratein = mitondra, mitantana. Ny teny hoe "demôkrasia" izany dia azo adika ara-bakiteny hoe fitondran'ny vahoaka na fitondran'ny maro an'isa. Ny demôkrasia, amin’ny maha endri-pitondram-panjakana azy, dia miasa mba hialana amin’ny mônarsia/fanjakan’olon-tokana, ny aristôkrasia/fanjakan’andriana ary ny jadona. Mety ho efa nandre ny famaritana mahazatra ny atao hoe demôkrasia angamba ianao :
-
-
- 2. Ireo singa fototry ny Fanjakana miorina amin’ny fenitra demôkratika
- 2.1 Fahalalahana fototra sy Zo fototra
- Ny zon'olombelona dia zava-dehibe tokoa fa tsy zary singa tsotra mandrafitra fotsiny ihany ny demôkrasia. Izy ireo no fepetra tsy azo ihodivirana mba hampahomby ny fampanjariana ny rafitra demôkratika. Ny fivelarana sy fivoaran'ny zon'olombelona dia tsy mety ho tontosa raha tsy miaina eo anivon'ny demôkrasia ny olona, satria ao amin'io rafitra io ihany izy no afaka hamolavola ireo lalàna handrindra sy hamehy ampahibemaso ireo fahefana telo : fahefana mpanao lalàna (fahefana hanolotra sy handany ny lalàna :
- Fa efa afaka manazava izay tena hevitry ny atao hoe Zon'olombelona ve ianao, avy amin'izany ? Ny famaritana hentitra iray dia hanoritsoritra izany ho toy ny zo mifanandrify amin'ny maha-izy ny tsirairay, ho fiarovana ny tenany amin’izay mety ho fikasan'ny fanjakana hanohintohina azy. Ny olona dia mizaka ireo zo ireo raha vao teraka, ary ny fanjakana dia tsy afaka hanafoana izany eo aminy. Izany dia fototra iorenan’ny fifandraisan’ny samy olombelona ary mandrindra ny fiainana eo amin'ny fiarahamonina, na iza
- Ny zon'ny isam-batanolona no fototry ny zon'olombelona satria tafiditra ao amin'izany, ohatra, ny zo hiaina sy ny zo hivelatra an-kalalahana. Vokatr'ireo zo ireo, ny olona, ohatra, dia azo arovana manoloana ny fanaovana herisetra mihatra amin'ny tenany sy hitandro ny fahamarinana sy ny hasina maha olona.
- Ny zo politika sy zon'ny olom-pirenena dia natao mba hiantohana fa ny olom-pirenena tsirairay dia afaka mandray anjara tsy misy fepetra amin'ny fiainana politikan'ny vondrona misy azy. Izany dia midika fa tsy tokony hanan-tahotra amin'izay mety ho fanasaziana tsy ombam-porofo azy izy. Amin'izay lafiny izay, ny zo manan-danja indrindra dia mahakasika ny fahalalahana haneho hevitra, ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana hivory sy hanangana fikambanana.
- Ho fanajana ny zo sôsialy sy toekarena dia tokony ho voaantoka ny fidiram-bola farany ambany mahavelona hoenti-miatrika ny fitohizam-piainan'ny olombelona. Tafiditra amin'izany ny zo hobeazina, satria ny olona rehetra dia tokony hahazo fanofanana mba tsy hahatonga azy ho refona sy tsy hanan-kohanina any aoriana any.
- Misy zo tena vaovao nanampiana an'io lisitra io, dia ny zo mahakasika ny taranaka fahatelo izany. Natao izy ireo mba hanehoana fa ny zon'olombelona dia afaka mivoatra fa tsy hoe efa raikitra hatrany am-piandohana ka ty miovaova intsony. Anisan’ireny, ohatra, ny zo mikasika ny fampandrosoana, izay mikendry ny hampihena ny hantsana manasaraka ny mpanana sy ny mahantra. Ny zo momba ny tontolo iainana dia nanampiana izany mba hiantohana ireo zavaboahary iankinan'ny ain'ny olombelona, mba tsy ho simba na ho po
- Toa mahafinaritra tokoa ny fitanisana natao teo, ary azo antoka fa manontany tena ianao hoe ahoana no hatao mba hahatonga ireny zo ireny ho tena azo hampiharina, satria ny fomba filazan-javatra poakaty dia tsy hanampy antsika mihitsy.
- Tena marina tokoa ny voalazanao ary misy fitsipika vitsivitsy momba izany: tamin’ny taona 1945, tamin'ny alalan'ny fandrisihana nataon'ny Fanjakana vitsivitsy dia natsangana ny Firenena Mikambana. Amin'izao androntsika izao, ny ankabeazan'ny Fanjakana maneran-tany dia mpikambana ao amin'io andry iombonam-pirenena io. Tamin’ny taona 1948 no navoakany ny "Fanambarana iraisam-pirenena momba ny Zon'olombelona" izay tsy nitsahatra nivoatra hatramin'izay. Mba hitandroana ny fahombiazany dia nisy kômisiona vitsivi
- Fikambanana Tsy Miankina amin’ny Fanjakana, afohezina hoe FTMF na ONG na NGO, maro dia maro no manohana ny Firenena Mikambana. Ireny fikambanana ireny, amin'ny alalan'ny firotsahana antsehatr'ireo mpikatroka mavitrika eo amin'ny fiarovana ny zon'olombelona, dia afaka mandrafitra sy manaparitaka rapaoro mikasika ny endrika samihafa isehoan’ny fanohintohinana zo. Azon’izy ireny atao ny mandresy lahatra Fitondram-panjakana mba tsy hilefitra manoloana ny fanararaotana misy.
- Etsy an-daniny dia misy ihany koa fifanarahana isam-paritra maro izay ny tanjony dia ny fiarovana ny zon'olombelona. Ohatra, ny Dinan'ny Afrikanina mikasika ny zon'olombelona sy ny zon'ny vahoaka (http://www.africa-union.org/About_AU/au_in_a_nutshell.htm). Tamin'ny taona 1981 no nandaniana izany teo anivon'ny Vondron'ny firenena afrikanina, izay novana anarana ho Firaisambe Afrikanina taty aoriana. Ary amin’izany dia tsy azo odian-tsy hita ny satan'ny kolontsaina afrikanina. Mba tena hampanan-kery io fifana
- Eto Madagasikara dia misy FTMF maro sy fikambanana maro samy hafa mirotsaka eo amin'ny sehatry ny fanaraha-maso ny fanajana ny zon'olombelona.
- Ny fifidianana dia iray amin’ireo andry vaventy iorenan’ny demôkrasia. Ny rijanteny an'ny Didy aman-dalàna momba ny fifidianana no mametra sy mamaritra mazava, na ny fandaminana ny fifidianana, na ny fomba enti-manatanteraka ny fanisam-bato mba handaminana ny fanomezana ny toerana mifanaraka amin’izany. Misy ny lalànan'ny fifidianana ho an’ny mpifidy ary misy ny lalànan'ny fifidianana ho an’ireo fidiana. Ny olom-pirenena manana zo hifidy dia manan-jo handatsa-bato ary izay manana zo hofidiana dia manan-jo h
- Malalaka ny fifidianana demôkratika, raha toa ny olom-pirenena ka manana zo hifidy amin'ny kandidà maro na antoko izay afaka nirotsaka hofidina tsy misy sakantsakana. Tokony halalaka amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ihany koa izy ireo raha te-hampihatra ny zony handatsa-bato na tsy handatsa-bato.
- Ara-drariny ny fifidianana demôkratika, raha toa ny olom-pirenena manan-jo hifidy ka manana vato iray, ary raha toa ka tsy manana fiantraikany mihitsy amin'ny fanombanana ny lanjan'ny safidiny ny fiaviany, ny maha lahy na maha vavy azy, ny teniny, ny vola miditra aminy na ny fananany, ny asany, ny sokajy na ny saranga misy azy ao amin'ny fiarahamonina, ny fiofanana azony, ny antokom-pinoana arahiny na ny firehan-kevitra politika ijoroany.
- Amin'ny fifidianana demôkratika dia tsy tokony ho taratra mihitsy ny antoko politika na ny kandidà manokana nomen’ny olom-pirenena iray ny vatom-pifidianany. Atao hoe miafina ny fanatanterahana izany, raha toa ny olom-pirenena tsirairay afaka nametraka ny vatom-pifidianany tao anaty valopy, tsy nisy nanara-maso, na tsy nisy teritery, tao amin'ny toerana fisainana, ary, toraka izany koa, afaka nandrotsaka ny valopim-pifidianany tao anaty vata fandatsaham-bato izy.
- Ny fifidianana demôkratika, vokatr'izany, dia andraisan'ny besinimaro anjara sy mangarahara. Izany dia midika, etsy andaniny, fa ny olom-pirenena tsirairay avy dia manana zo hanatrika ny fanisam-bato amin'ny fanokafana ny vata fandatsaham-bato; izany dia midika ihany koa, ankilany, fa azo atao ny manaraka tanteraka ny lalana rehetra nozohin’ny vaton’ny mpifidy: manomboka eo amin'ny fandatsahana ny biletà ao amin'ny vata fandatsaham-bato ka hatrany amin'ny fanisana farany mba hikajiana izay mety ho fitsinj
- Ankoatra ireo fepetra notanisaina ireo, dia zava-dehibe ihany koa ny fanaovana fifidianana ao anatin’ny fanajana ny elanelam-potoana sy fem-potoana voafaritra ho amin’izany, ka ho fantatry ny rehetra mialoha ny datin'ny fifidianana manaraka mba hahazoana miomana ara-potoana. Izany dia fomba hahazoana miantoka fa ny fahefan’ny mpitondra dia voafetra ara-potoana hatrany, ary ny vahoaka dia afaka manaisotra ny mpitondra eo amin'ny toerany. Ny fitambaran’ny mpifidy dia tokony hahasolo tena ny vahoaka iray man
- Ary farany, ny vato nalatsaky ny mpifidy dia tsy tokony hovana intsony; izany dia midika fa ampiharina avy hatrany ny voka-pifidianana; mitory koa izany fa ireo vokatra ireo dia eken’ny rehetra fa ara-drariny.
- Eo amin’ny fizotry ny fifidianana dia ahitana firafitra roa miavaka tsara: ny fifidianana mampandany izay nahazo vato antsasa-manila sy ny mihoatra, ny fifidianana mampandany izay nahazo ny ampaham-bato be indrindra. Tena manana anjara toerana lehibe izy roa ireo satria sady misy fiantraikany amin'ny rafitra politika no misy fiantraikany koa eo amin'ny fiforonan’ny zotram-piniavana politika. Eo amin’ny fisafidianana ny firafi-pifidianana tiana ampiharna, dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny riba politika
- Ao amin'ny rafitra ampiharana ny antsasa-manila, ny fari-pifidianana dia ho voazara ho fari-piadidiam-pifidianana maro araka izay ilaina ary arakaraka ny toerana hotsinjaraina (ao amin'ny Antenimiera ohatra). Ny toerana misy kosa dia hotsinjaraina amin'ny kandidà na ny lisitry ny kandidà izay nahazo vato be indrindra ao amin'ny fari-pifidianana misy azy. Ahazoana tombondahiny maro io firafi-pifidianana io :
- Miezaka mandresy lahatra ny mponina amin’ny alalan’ny programan’asany ny kandidà isan’isany avy mba hahazoany ampaham-bato betsaka amin’izany. Vokatr’izany dia misongadina ny adihevitra mahakasika ny vontoatin-javatra, ary tsy manjaka ny fifanipahan-kevitra tafahoatra.
- Tokony tsy hataon'ny mpitondra ambanin-javatra ihany koa ny fisian'ireo antoko politika hafa, noho ny fihariharian'ny maroanisa efa miavaka mazava tsara. Amin'io endri-pitondrana io dia manan-danja lehibe manoloana ny fitondram-panjakana ny mpifidy ; ny fiasany dia mifamatotra amin’ny fisian’ny antoko roa mifanandrina.
- Mampiisy fifandraisana hety dia hety eo amin'ny Antenimiera sy ny fari-piadidiam-pifidianana ny kandidà manokana na kandidà tsy miankina. Mijanona ho kely dia kely ny elanelana misy eo amin'ny mpifidy sy ireo solotenany.
- Fa misy ihany koa olana vitsivitsy mamaritra ny firafi-pifidianana mampihatra ny antsasa-manila :
- Amin'ny ankapobeny dia ny kandidà avy amin'ny antoko politika vaventy ihany no afaka mahazo ny antsasa-manilan’ny vato ao amin'ny fari-pifidianana iray.
- Ity fombam-pifidianana ity mazàna dia manakana ny fisian'ny solotenan'ny vitsianisa eo anivon'ny rafitra misy toerana hozaraina amin'ireny olom-boafidy ireny (ao amin'ny Antenimiera ohatra). Etsy andanin'izay, ny vondrona mpifidy izay maro isa amin’ny ankapobeny saingy vitsianisa ao amin'ny fari-pifidianana misy azy, dia tsy ho afaka ho voasolotena ihany koa satria mantsy kandidà iray ihany no mandresy eo anivon'ny fari-piadidiam-pifidianana tsirairay avy.
- Mety ho tsy mifanaraka amin’ny tena safidim-bahoaka ny voka-pifidianana vokatry ny hosoka inian’ny vondron'olona eo amin'ny fitondrana atao eo amin’ny famaritany ny fari-pifidianana, satria eo anivon'ireny fari-piadidiam-pifidianana ireny no mantsy no tena isongadinan’ny maroanisa.
- Ao amina firafi-pifidianana mampandany izay manana ampaha-bato be indrindra, dia zaraina arakaraka ny isan-jaton'ny vato azon'ny antoko politika amin'ny fitambaram-ben'ny vaton'ny mpifidy ny toerana ao amin'ny Antenimiera. Ny fanomezana toerana (ao amin'ny Antenimiera, ohatra) dia ahitana taratra ny tena safidin'ny vahoaka, izay be lavitra noho ny amin'ny firafi-pifidianana mifototra amin’ny antsasa-manila sy ny mihoatra. Ny kandidà dia voafidy amin'ny alalan'ny lisitra ao amin'ny fari-piadidiam-pifidianana
- Ny fampiharana ny fifidianana mampandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra dia ahafahana maneho ny fironana politika rehetra na ny an'ny vitsy an'isa aza.
- Azo atao mora foana, amin’io firafi-pifidianana, ny manangana antoko politika, satria ny ilaina dia ny hahazoana isan-jaton’ny vato vitsivitsy any amin'ny fari-pifidianana samihafa mba hiantohana ny fidirana ao amin'ilay rafi-pitondrana.
- Amin'io firafi-pifidianana io dia mety ho azo atao ny miala amin'ny fitsimbadihan’ny fironana politika mahery vaika, satria amin'ny ankapobeny, ny fitondram-panjakana dia ahitana ny ankolafin-kery rehetra indrindra fa ao amin'ny firafitra politika mandala ny satan’ny Antenimiera, izay ny maro an'isa ao amin’ny Antenimiera no manapaka ny fananganana ny Governemanta.
- Ahitana olana vitsivitsy ihany koa ny fampiharana ny firafi-pifidianana mampandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra :
- Raha mirotsaka amin’ny fifidianana avokoa ny firehana politika rehetra misy, dia ho maro ny antoko politika hanana solotena eny amin'ny Antenimiera. Amin'ny ankapobeny dia tsy misy antoko politika tokana maharombaka ny maro an'isa. Vokatr'izany, dia miforona ny firaisan-tetiky ny ankolafin-kery samy hafa. Matetika dia atao fitaovana ny antoko politika madinika mba hahazoana manangana ny maro an'isa. Rehefa ao anatin’ny fitondrana ireny antoko madinika ireny dia mahazo lanja mihoatra ny ampaham-bato azony
- Sarotra ho an'ny mponina dia ny hahafantatra hoe antoko politika toa inona marina no tompon'andraikitra amina politika toa inona. Vokatr'izany, dia manana olana ny olona amin'ny fitilina mazava izay kandidà ho fidiany na tsia amin'ny fifidianana manaraka.
- Any amin'ny firenena sasany, toa an'i Alemana ohatra, ny lalàm-pifidianana mampihatra ny fifidianana mandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra dia misy « fepetra famerana ». Izy io dia manambara ampaham-bato iva indrindra tsy maintsy azon’ny antoko politika iray mba hahafahany mandray toerana ao amin'ny Antenimiera. Io fepetra io dia natao indrindra hialana amin'ny fisian’ny antoko politika madinika maro loatra ao amin'ny Antenimiera.
- Eto Madagasikara, hatramin'izao, dia nafangaro ireo firafi-pifidianana roa ireo ho an’ny lisitra na ho an’ny kandidà, amin’ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena. Tamin'ny fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2002, ohatra, dia nampiharina ny firafi-pifidianana mifototra amin’ny antsa-manila na mihoatra ho an'ireo kandidà nirotsaka hofidina eny amin'ny fari-piadidiam-pifidianana izay ahitana toerana ifaninanana iray ; any amin'ny fari-piadidiam-pifidianana izay manana toerana roa ifan
- Araka izay hitanao izay, dia misy endrika samihafa azo ananganana sy anatanterahana ny demôkrasia. Tsy misy fombafomba raiki-tampisaka azo ampiharina, amin'ny ankapobeny, raha ny momba ny fifidianana sy ireo firafi-pifidianana roa ireo no resahana. Ny firenena tsirairay avy dia tokony tsy hanao ambanin-javatra ireo toe-javamisy eo amin'ny lafiny kolontsaina, politika na sôsialy eo amin’ny famaritana ny fomba mahomby itondrana ny fifidianana.
- Ao anaty Fanjakana tan-dalàna dia misy fepetra fototra sy paikady izay miantoka ny fahalalahan’ny isam-batan’olona sy ny firotsahana an-tsehatra eo amin'ny fiainana politika. Voalohany indrindra amin’izany dia misy ny zo hampivelatra malalaka ny maha izy ny isam-batan'olona.
- Ny fahefam-panjakana iray dia mifamatotra amin'ny lalàna mifehy azy. Noho izany, ny hevitra hoe Fanjakana tan-dalàna dia mifanohitra mivantana amin'ny hoe Fanjakana miendrika famoretana na Fanjakana manao didiko fe lehibe.
- Ao anatin'ny Fanjakana demôkratika dia mitovy avokoa ny olom-pirenena manoloana ny lalàna, na dia ireo mpiasam-panjakana sy ao amin'ny fitondran-draharaham-panjakana aza. Ity farany dia tsy tokony afa-manao n’inon’inona raha tsy tolorana andraikitra araka ny lalàna na ny Lalàmpanorenana. Araka izany, ny Fanjakana tan-dalàna dia Fanjakana miorina hatrany amin'ny fanajana ny lalàna sy ny Lalàmpanorenana. Izy no mahatonga ny Fanjakana ho tompon'antoka ny amin'izay ataony manoloana ny olom-pirenena. Izy no mano
- Ny fomba amam-paikan’ny Fanjakana tan-dalàna dia fehezin’ny fitsipika fototra vitsivitsy izay hohazavaintsika manaraka eto amin'ny fomba.
- Mifaka tsara ny fahaleovantenan'ny fitsarana ao amin'ny Lalàmpanorenan'ny Fanjakana demôkratika tan-dalàna. Izany dia midika fa ny fahefana mpitsara dia misaraka tanteraka amin'ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna. Araka izay efa nohazavaina tetsy ambony, ny fahefana mpanatanteraka dia ny fahefana izay mampihatra ny lalàna, ary ny fahefana mpanao lalàna dia ny fahefana izay manolotra sy mandany ny lalàna. Vokatry ny fanasarahana ny fahefana irery ihany no ahafahan'ny mpitsara manatanteraka ny asany t
- Ny maha-tsara tombina sy maha-azo antoka ny zo aman-dalàna dia an’isan'ny fepetra fototra iray hafa amin'ny Fanjakana tan-dalàna. Izany dia midika fa ny asa rehetra ataon'ny Fanjakana dia tokony ho azo refesina sy heverina mialoha. Ny olom-pirenena dia tokony hampahalalana izay azon'ny Fanjakana atao, izay azon'izy tenany atao sy izay andrarana azy. Tsy misy olona tokony hosazina raha tsy misy porofo mitombina ara-dalàna, ary amin’ny ankapobeny, ny lalàna dia tsy tokony hanan-kery hatramin’ny efa lasa. Fepe
- Koa satria ny fanerena ny fitondran-draharaham-panjakana amin’ny alalan’ny lalàna dia ho zava-poana ihany raha toa ny Mpitsara tsy afaka hiasa an-kalalahana, dia nofaritana fa ny Lalàmpanorenana dia ambonin’ny ny lalàna; izany no natao dia ny mba hialana amin'izay rehetra mety ho fanodikodinana ny tena zavamisy marina. Hita araka izany fa ny Fanjakana tan-dalàna dia mampifamatotra ny politika amin'ny zo aman-dalàna ary mametraka ny asa sy fihetsika rehetra ataon’ny fahefam-panjakana ho eo ambany fanaraha-ma
- Misy fahefam-panjakana telo eo anivon'ny Fanjakana:
- - Ny fahefana mpanao lalàna izay mamolavola sy mandany ny lalàna;
- - Ny fahefana mpanatanteraka izay mampihatra ny lalàna sy ny politikan'ny fitondrana;
- - Ny fahefana mpitsara izay mamaritra araka ny lalàna velona ny tontolo hampiharana ny
- fahefana.
- Efa fantatrao angamba, fa ny hoe "Fanasaraham-pahefana" dia midika hoe zaraina telo ny fahefan'ny Fanjakana, araka izay efa notanisaina etsy ambony. Eo amin'ny Fanjakana demôkratika dia ny fahefan'ny Fanjakana ihany aloha no mifehy sy manara-maso azy tenany amin’ny fomba mahomby. Ny fahefan'ny Fanjakana, noho izany, dia tsy maintsy apariaka amina antokon-draharaha maro. Amin'ny ankapobeny dia ny Lalàmpanorenan'ny firenena iray no mamaritra ny fomba fizarana ilay fahefam-panjakana amina antokon-draharaha sam
- Amin’ny ankapobeny dia misy endri-pitondram-panjakana roa izay maiavaka tsara: fitondram-panjakana mifototra amin'ny fahefan'ny Antenimiera sy ny fitondram-panjakana mifototra amin'ny fahefan'ny filoham-pirenena. Any amin'ny firenena sasany dia mazàna mifangaro ireo amina endrika mandray roa, saingy ny tanjona amin'ity kiboky ity dia tsy ny hanakorontan-tsaina fa ny mifanohitra amin'izany aza, dia ny hampahazava ireo hevitra ireo. Izany no antony andraisantsika miavaka tsara ny rafitra tsirairay avy mba han
- Eo amin'ny rafitra mifototra amin'ny Antenimiera dia avy ao amin'ny Antenimiera nofidiam-bahoaka ny Governemanta. Ny minisitra ao amin'ny Governemanta, noho izany, dia afaka manao asan’olom-boafidy ihany koa, ohatra hoe depiote na senatera na koa ben’ny tanàna. Ny Antenimiera no mametraka ny Governemanta eo amin'ny toerany, ary izy ihany koa no mety hanala azy amin’izany na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Ny fahefan’ny Governemanta sy ny an’ny Antenimiera dia mifampiditra. Amin'ny ankapobeny
- Hafa kosa ny endriky ny firafitry ny Governemanta amin'ny fitondrana mifototra amin'ny filoham-pirenena: i Etats-Unis d'Amérique no ohatra be mpahalala amin'izany. Miavaka tsara eto ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka, na izay eo amin'ny lafiny maha andrim-panjakana na eo amin'ny lafiny fampiharana sy teknikan’ny fahefana.
- Ny Filoha, izay misolotena ny fahefana mpanatanteraka, ary ny Kôngresy, izay misolotena ny fahefana mpanao lalàna, dia mandray ireo asany amin'ny alalan'ny fifidianana miavaka tsara. Ireo mpikambana ao amin'ny Governemanta dia tsy manan-jo ho isan'ny mpikambana ao amin'ny Kôngresy amerikanina. Ny Kôngresy dia tsy manana fahefana hanongana ny Filoha na dia meloka amina asa tsy mifanaraka amin'ny lalàna aza izy, ary tokony ho voasazy raha ny lalàna no jerena. Ny Filoha, dia tsy manana fahefana handrava ny Kôn
- Io môdely io dia manambara fa ny fifampifehezana dia mandaitra kokoa rehefa tena miavaka tsara ny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpanatanteraka. Tsy misy lamin-kevitra iray maty paika azo hampiharina amin’ny fandaminana ny fanasaraham-pahefana ao amina demôkrasia môderna. Ny tena zava-dehibe dia ny hoe tsy eo am-pelatanan'olon-tokana na vondron’olom-bitsy ny fahefana, satria izany matetika dia mitondra amin'ny fanaparam-pahefana sy fanararaotam-pahefana.
- Ny Filoha nifanesy teo amin'ny fitondrana teto Madagasikara, araka ny maha izy ny tenany manokana sy ny tombontsoa arovany avy, dia samy nandrakitra tao amin'ny Lalàmpanorenana sy nampihatra ny "endri-pitondram-panjakana mifototra amin'ny filoha". Tamin'ny taona 1993 hatramin'ny taona 1996 dia nisy andrana nampiharina singa vitsivitsy amin'ny rafitra mifototra amin'ny Antenimiera; nandamòka anefa izany ka niafara tamin'ny fanonganan'ny Antenimieram-pirenena ny Filoha tamin’izany fotoana izany.
- Mitazona hatrany ny asany ny Antenimiera any amin'ny tamy demôkrasia rehetra, na dia samy hafa aza ny fifandraisana eo amin'ny Antenimiera sy ny Governemanta. Ny Antenimiera no manao ny anjara asa fanoloran-dalàna. Izy no mitazona ny fahefana hanao tolo-dalàna. Ao amin'ny endri-pitondram-panjakana mifototra amin'ny Antenimiera dia mazàna atolotra ny Governemanta io fahefana io, satria izy tohanan’ny maro an'isa ao amin'ny Antenimiera ka azo antoka kokoa fa ho lany ny volavolan-dalàna izay atolony. Araka ny
- Ny Antenimiera, araka ny efa natsidika etsy ambony, dia manana anjara asa hanara-maso ny Governemanta. Raha misy ahiahy mikasika ny fomba fiasan'ny Governemanta, dia afaka manangana kômisiona mpanao fanadihadiana ny Antenimiera na manome baiko ny hanaovana fanadihadiana amin'ny alalan'ny fahefana mpitsara. Eo amin'ny endri-pitondrana mifototra amin'ny Antenimiera, ny Antenimieram-pirenena dia manana fahefana hanongana ny Governemanta. Ao amin'io endri-pitondrana io dia misimisy kokoa ny fifehezana eo anelan
- - Ny depiote no mampifandray ny fanirian'ny mponina, izany hoe, maneho ny hetahetan'ny mponina, satria izy no misolotena azy.
- - Ny depiote dia miezaka ny hampahafantatra ny mponina izay asa ataon’izy ireo amin'ny alalan'ny fivoriana atrehan'ny rehetra, amin'ny alalan'ny tatitra ataon’izy ireo any amin'ny haino aman-jery mikasika ny fivoriana tao amin’ny Antenimiera, ary koa amin'ny alalan'ny hetsika samihafa atao araka ny zavatra kendrena. Miezaka ihany koa izy ireo ny hanohana ny mponina eo amin'ny fanehoany ny hetaheta sy faniriany eo amin’ny lafiny politika.
- Misy anjara asa fahefatra izay mahakasika manokana ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny rafitra-na Governemanta mifototra amin'ny Antenimiera: ny fanaovana fifidianana. Ny depiote no mifidy na manongana ny lehiben'ny Governemanta, ary indraindray ny mpikambana rehetra ao amin'ny Governemanta. Any amin'ny firenena sasany dia ny depiote no mifidy ireo ho mpikambana ao amin'ny fitsarana avo.
- Nohazavaina teo, amin'ny ankapobeny, ny anjara asan'ny Antenimiera. Fa mba inona kosa ny zara asa iantsorohan'ny depiote na ny senatera tsirairay avy? Ny depiote dia fidiana ho ao amin'ny Antenimiera mba hisolo tena ny vahoaka manontolo, ka ao anatin’ny fanajana ny fepetra “mpifidy iray, vato iray” no anaovana izany. Izany no antony mahatonga ny isan'ny depiote ao amin'ny fari-piadidiana hofaritana arakaraka ny isan'ny mponina.
- Angamba efa nanontany tena ianao, hoe, inona no ataon'ny depiote mandritra ny andro? Amin’ny ankamaroan’ny tranga, dia iharana tsindry roa loha izy: miasa ao amin'ny Antenimiera sy miasa any amin'ny fari-piadidiana misy azy. Ao amin'ny fari-piadidiana misy azy dia mandeha mihaona amin’ny mpikatroka amina fikambanana na andrim-pitondrana hafa izy, mandray olona, miresaka mivantana amin'ny olom-pirenena ary miezaka mamantatra ny olana eny am-potony. Ny asa eo anivon'ny Antenimiera dia tsy voafaritra fotsiny i
- Foto-kevitra politika roa no misongadina eo anivon'ny demôkrasia, ary mitana anjara asa goavana eo amin'ny fomba fiasan'ny solombavambahoaka, izany dia ny fotokevitra maro an'isa na fotokevitra fifaninanana sy ny fotokevitra marimaritra iraisana.
- Ny “fotokevitra fifaninanana” dia miainga amin'ny “fotokevitra maro an'isa” izay midika fa ny fanapahan-kevitra dia raisina amin'ny alalan'ny maro an'isa. Raha ny tokony ho izy dia misy antoko politika maro mifaninana. Ny tombon-dahiny amin’io dia ny fahazoana mandray fanapahan-kevitra haingana sy ny fahazoan’ny Governemanta mahatratra ny tanjona kinendriny eo amin’ny asa ataony. Raha ny tokony ho izy dia misy firafi-pitaovana sy rafitra izay ahafahan’ny vitsy an'isa maneho ny tombotsoany sy ny heviny mialo
- Ny fotokevitra marimaritra iraisana dia mampandray andraikitra ao anatin’ny zotram-panapahan-kevitra politika olona sy vondron’olona maro araka izay tratra. Ezahin’izy ireo ny mandray fanapahan-kevitra amin'ny fitadiavana ny marimaritra iraisana (http://www.hsl.ethz.ch/pdfs/2003_4_S17_Papadopoulos.pdf). Ny tombon-dahiny amin'izany dia ny tsy fisian’ny olona mahatsiaro tena ho voailika amin'ny fanehoana ny fomba fiheverany. Mifanindran-dalana amin'io fomba fandraisana fanapahan-kevitra io ny fanaovana fifana
- Any amin'ny firenena demôkratika, ny fifamahoan-dafy dia heverina sy ampiharina ho toy ny endri-damina sôsialy amam-politika. Eo amin'ny sehatra politika, ny fifamahoan-dafy dia midika fisiana vondrona maro sy fikambanana mikatsaka firaisan-tombontsoa izay miforona an-kalalahana, mifanajary toerana eo amin'ny sehatry ny fifaninanana mba hananany hery fitaomana eo amin'ny fiainana sôsialy amam-politika. Ireny vondrona ireny dia mety hanana endrika politika, toekarena, finoana, etìka na hafa. Fiarahamonim-pir
- Tsikaritrao matetika angamba fa na dia eo amin'ny fiarahamonina misy fifamahoan-dafy aza dia misy vondron'olona miray tombontsoa mahay mitaona olona sy matanjaka kokoa noho ny hafa. Raha ny marina, ny fotokevitra fifaninanana dia tsy mihatra amina fomba tsotra toa izany, na mandeha ho azy sy misosa tahaka ny nanoritsoritantsika azy teo. Izany indrindra no tokony handraisan’ny Fanjakana andraikitra goavana amin'ny famahana ny mety ho lesoka eo amin'ny “fotokevitra fifaninanana”, sy fitadiavana izay fampahomb
- Any amin'ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy, ankoatran’ny Fiarahamonim-pirenena izay mikatsaka fanovana mifanaraka amin’ny tombotsoany eo amin’ny lafiny politika, sôsialy ary toekarena, dia misy ihany koa vondron’olona izay mikatsaka mivantana ny handray ny fahefana politika. Ny antoko politika no tiana hambara eto.
- Ianao angamba tahaka ny olom-pirenena maro hafa, dia efa voasarika himenomenona amin’ny antoko politika, satria izy ireny, ohatra, nanome toky fa handray fepetra kanefa tsy nataony izany avy eo. Na eo aza izany fanakianana atao amin’ny antoko politika izany mikasika ny vokatry ny asan'izy ireo, dia tokony ho ekena ny maha singa ilaina sy tsy azo ialana azy ireo eo amin'ny demôkrasia. Afaka mampihatra ny fiandrianany ny vahoaka amin'ny alalan'ny antoko politika; tena amin’ny alalan’izy ireo no ahafahan’ny va
- Amin'ny ankapobeny, dia ireo olona manana zava-katsahina mitovy sy mitovy fomba fijery no mivondrona mba hanorina antoko politika sy mba hivoy ny volavolam-prôgramany eo amin'ny politika. Any amin'ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy dia malalaka ny fananganana antoko politika, izany hoe, ny tsirairay dia manan-jo hanangana antoko politika. Amin'ny ankamaroan’ny tranga, ny antoko politika dia manana prôgrama fototra izay ahitana taratra ny satany sy ireo zava-kendrena lavitr'ezaka, no sady manana ihan
- Ny antoko politika eo anivon'ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy dia tsy maintsy miandraikitra zara asa lehibe. Noho izany dia zava-dehibe ny fananany rafitra mangarahara sy demôkratika. Izany dia midika, etsy an-daniny, fa ny olom-pirenena tsirairay avy dia mahazo mirotsaka malalaka ary tsy misy teritery ho mpikambana ao amina antoko politika; etsy an-kilany, tokony hatao ao anaty fitsipika fa ny mpikambana tsirairay dia manana zo sy fahafahana handray anjara amin'ny famaritana ny mombamomba ny anto
- Ny fitondrana vondron'olona iray dia mety hahomby kokoa raha iandraiketana olona iray na sokajin'olona vitsy, raha toa io vondron'olona io ka te-hahavita zavatra. Azo antoka fa efa nahatsikaritra izany ianao teo amin'ny fiainanao andavan'andro, teo amina seha-piainana tsy midadasika firy. Rehefa misy vondron'olona miara-miasa tsy maintsy hiady hevitra mikasika zavatra iray, dia mazàna tsy maintsy atomboka amin'ny fifidianana mpitarika izany mba hametrahana rafitra sy hampihodina izany rafitra izany. Raha ts
- Ny Governemanta, izay tsy maintsy tohanan'ny antoko politika maro an'isa eo amin'ny Antenimiera na miandany amin’ny Filoha (miaraka na tsia amin'ny fivondronan'ny antoko politika hafa) dia tsy ho afaka miasa raha tsy misy fitondran-draharaham-panjakana madio sy ahazoam-bokatra izay mampihatra ny fanapahan-kevitra noraisiny. Ny Fitondran-draharaham-panjakana (atao hoe Verwaltung na Administration) dia manampy, an-daniny, amin'ny famolavolana lalàna vaovao, ary an-kilany, amin'ny fampiharana izany. Azo ambara
- Eo amin'ny Fanjakana demôkratika, dia misy hatrany mpanohitra mifanindran-dalana amin'ny Governemanta. Mandritra ny fifidianana, ary eo anivon'ny sampandraharahan-panjakana samihafa (Antenimiera, Loholona, mpanolontsainam-paritra sy kaominaly, sns.), amin'ny ankabeazan'ny trangan-javatra, dia misy antoko politika mpanohitra iray na maromaro izay miatrika ny fahefana mijoro. Manara-maso ny Governemanta ny mpanohitra. Izy no arofanina ho an'ny Governemanta. Tsy azo ihodivirana ny fisiany, izy no miantoka ny f
- Mba hahazoan’ny mpanohitra miatrika ireo soridoloha sy andraikitra rehetra ireo, dia tokony hizaka ny zo maha mpikambana ao amin’ny Antenimiera izy. Ny antokon'ny maro an'isa dia tsy tokony hanova ny fitsipi-dalao izay miteraka sakana ho an’ny mpanohitra. Ny mpanohitra dia manana fahafahana hiresaka mivantana amin’ny Governemanta sy haneho ny fanakianany. Zava-dehibe ankoatra izany ny fananan’ny mpanohitra tombontsoa sy tombondahiny mitovy amin’ny antoko ao amin’ny fitondrana. Ny dikan’izany, raha ny antsip
- Voasoritsoritra teo ny lafiny ankapobeny izay mamaritra ny tontolo iasan'ny mpanohitra. Fa mety manana eritreritra ianao fa tsy mandeha ho azy toy izany lalandava ny fizoran’ny toe-javatra. Mitombina mihitsy izany! Ny asan'ny mpanohitra mantsy dia tsy mora araka ny iheverana azy, eny fa na dia any amin'ny demôkrasia môderna aza.
- Mety mijanona ho mpanohitra mandritra ny taona maro ny antoko politika iray, ary arakaraka ny fandrosoan'ny fotoana dia tsy marisika intsony izy ny hanohy hanao adihevitra mavitrika, na hanolotra ny prôgramany. Ny antoko mpanohitra dia voatery hatrany hiara-miasa amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana, satria moa samy mibanjina ny tombontsoan’ny mponina. Noho io fiaraha-miasa io dia mety ho very mora foana ny maha mpanara-maso azy. Izany no mahatonga, amin'izao androntsika izao, ny rijan-dalàna dia tena mifam
- Fanohanana mahomby tokoa ho an’ny fanoherana dia ny fisian’ny “Hevi-bahoaka” (atao hoe Öffentlichkeit na opinion publique) izay mahatsapa ny maha zava-dehibe azy sy afaka manolotra fanakianana mitera-bokatsoa. Ao amin'ny fiarahamonina iray izay mandray ny fifanoherana eo amin'ny Antenimiera ho toy ny zavatra mamokatra, ny mpanohitra dia afaka mampiditra ny heviny sy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra fampijoroana ny demôkrasia. Mitazona ny zara asa mpanelanelana ny vahoaka amin'izany, satria ny olom-p
- Ny Hevi-bahoaka (atao hoe Öffentlichkeit na opinion publique na public opinion) dia tena manan-danja tokoa ho an'ny demôkrasia. Manontany tena angamba ianao hoe nahoana? Ny Hevi-bahoaka dia miforona avy amin’ny olom-pirenena na vondrona manokana izay mandinika ny fiarahamonina misy azy ireo ary maneho ireo fanakianany, ireo tolokeviny, na ny fankatoavany mba hisy fiantraikany izany amin'ny fanorenana ny safidy politika. Tsy Hevi-bahoaka iray no resahina fa maro satria ao anaty fiarahamonina manaja ny fifama
- Inona no mampifanjohy ny Hevi-bahoaka, na ny marimarina kokoa, ireo Hevi-bahoaka? Ahoana no ahafahanao mamantatra, ohatra, izay miseho isan'andro eo amin'ny lafiny politika? Ary iza ireo sampan-draharaha mampahafantatra anao ireo adihevitra atao ankehitriny, momba ny fiarahamonina?
- Mikasika ny fanelezana ny hevitra ijoroana sy ny fanehoan-kevitra, dia manana anjara toerana azo tsapain-tanana amin'izany ny gazety sy haino aman-jery, ary miha mahazo vahana hatrany ihany koa ny internet. Ho an'ny sarambabem-bahoaka ankehitriny, ny serarera dia tsy tafita intsony raha tsy amin'ny alalan'ny gazety sy haino aman-jery. Ny fifanakalozam-baovao dia tsy ho tanteraka intsony amin'ny alalan'ny fifandraisana mivantana amin'ny resaka ifanaovana satria, eo anelanelan'izany, ny fiarahamonina misy ant
- Tsy afaka manao izany asa fanaraha-maso izany anefa ny gazety sy haino aman-jery raha toa izy ireo ka tsy mahaleotena sy tsy miankina amin’ny Fanjakana. Ny fahalalahan'ny gazety, izay fahalalahana fototra iray, dia mitana zara asa lehibe ihany koa eo amin'io tontolo io. Misy fikambanana maro mikatsaka ny tombontsoan'ny vahoaka maneran-tany izay mifantoka manokana amin'ny fanaraha-maso ny fahalalahan'ny gazety amin'ny firenen-drehetra, sy koa amin'ny fiarovana ny mpanao gazety izay mahatsapa fa norahonana no
- Ankoatra ny mety hisian'ny faneriterena avy amin'ny Fanjakana, dia misy koa fivoarana anaty eo anivon'ny haino aman-jery, izay loza mitatao amin'ny fanehoan-kevitra amin'ny lafiny maro eo amin'ny famoahana torohay ho an'ny hevi-bahoaka. Tsapa fa mihamahazo vahana ny fobodoa-manana eo amin'ny sehatra maro karazana, toy ny filazam-baovao, ny radio sy ny televiziona : gazety maro na mpandefa fandaharana amin'ny televiziona maro no tantanana orinasa lehibe iray. Izany dia miseho satria mila renivola betsaka sy
- 3. Ny demôkrasia dia tsy afa-mikolo tena samirery!
- Angamba ianao mety ho nanana eritreritra, tamin'ilay fizarana teo aloha, fa ny demôkrasia izay manana ireo singa manan-danja voatanisa teo ireo dia mafy orina tanteraka, ary maharitra mandrakizay! Ny demôkrasia nefa indrisy dia tsy azo raisina ho toy ny tsangan-javatra mafy orina, toy ny tranovato tsara fototra ka haharitra taonjato maro.
- Ny demôkrasia dia zotra tsy maintsy koloina sy hamafisina hatrany. Tsy karazana Fitondrana fotsiny izy io, miaraka amina paikady tsotsotra sy firafitra tsotra. Tsy ampy noho izany ny fananana ny fahefam-panjakana telo miavaka tsara, na ny fananana olom-pirenena vonona hirotsaka amin'ny fifidianana depiote, na koa fisiana filoham-pirenena na ben'ny tanàna voafidy isaky ny dimy taona, na fisiana antoko politika maro, sns… Ny demôkrasia dia tokony fiaraha-misalahan’ny mponina sy ny olomanga politika. Tsy mety
- Misy torohay vitsivitsy izay nofantenana mba ho entina mamaritra ny zotran'ny fanamafisana orina demokratika atolotra anao: ny fitsinjaram-pahefana, ny soatoavina fototra demokratika, ny governansa demokratika ary ny fanabeazana politika.
-
- Any aminareo, iza no mandray fanapahan-kevitra, rehefa misy lalana vaovao, ohatra, na tsena vaovao, tsy maintsy aorina na havaozina? Ny tompon'andraikitra eo an-toerana na kaominaly na any amin'ny faritra ve, sa ny Fanjakana foibe, izany hoe, ny ministra na ny filohan’ny repoblika?
- Ny fitsinjaram-pahefana dia midika fa ny Fitondran-draharaham-panjakana ao amin'ny firenena iray dia tsy mifototra eo amin'ny sampandraharaha foibe, fa nankina eny ifotony ny fizotry ny fanapahan-kevitra sasantsasany ("grass root").
- Metimety kokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra mivantana eny amin'ny ambaratongan’ny faritra satria ny mponina eny no voakasiky ny fiantraikan’izany fanapahan-kevitra izany mivantana. Rehefa ny rafitry ny Governemanta no voalamina mba hanakaiky ny mponina dia afaka mitombo ny fahatsapan-tenan'ny mponina ho ao anatin'ny andrim-pitondrana ao amin'ny faritra misy azy, izany hoe ny fandraisany anjara politika. Ho an'ny olona maro, dia lôjika kokoa ny mirotsaka ao amin'ny politika raha afaka mandray ny fanapaha
- Araka izany, eo amin'ny fitsinjaram-pahefana, ny Fanjakana foibe dia mamindra ny fahefany sy ny fahazoany manapa-kevitra amin'ny rafitra ifotony sy any amin'ny faritra izay naorina any ivelan'ny Fanjakana foibe; vokatr’izany dia ho afaka hanao drafitrasa, handray fanapahan-kevitra ary hitondra samirery ny raharahany ireny rafitra ireny. Ireo rafitra ifotony sy eny amin'ny faritra dia antsoina hoe “vondrom-bahoakam-paritra”. Olona nofidian’ny mponina eo amin’ilay faritra no mitondra ny vondrom-bahoakam-parit
- - ny raharaha dia dinihin'ny ambaratonga izay akaiky indrindra ny olana hovahana. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: ankinina amin’ny ambaratonga iva indrindra ny famahana ny olana, raha mbola afaka sy te hiandraikitra izany olana izany izy ireo. Io no fepetra “fanoloram-pahefana”.
- - amin'ny lafiny fitondran-draharaham-panjakana dia tsy miankina amin'ny Fanjakana foibe na amin'izay misolo tena azy eny an-toerana ny vondrom-bahoakam-paritra.
- - ny vondrom-bahoakam-paritra izy tenany ihany no miandraikitra ny fitondran-draharaha ao aminy.
- - ny fandraisana anjaran'ny mponina no mamelomaso ny vondrom-bahoakam-paritra izay namindrana fahefana hanapa-kevitra sy handray andraikitra.
- Raha firenena iray voatsinjara amin’ny vondrom-bahoakam-paritra ny rafitra ao amin’ny firenena iray, izany dia midika fa ireo vondrom-bahoakam-paritra ireo no miantsoroka ny fahefana handray fanapahan-kevitra sy ny andraikitry ny vahoaka. Noho izany, dia tsy maintsy manana ny fidiram-bolany azy manokana izy ireo. Ny fitsinjaram-pahefana dia tena ilaina amin'ny fanamafisana orina ny rafitra demôkratika. Manamora ny fahazoan'ny mponina mandray anjara amin'ny fanapahan-kevitra politika izy. Mampitombo ny fahar
- Kanefa ny fitsinjaram-pahefana dia tsy midika fa ny fitondram-panjakana foibe dia tsy manan-danja. Ny mifanohitra amin'izany indrindra aza no marina, satria ny Governemanta dia tokony hampiseho finiavana politika sy fandraisana andraikitra, mba hahafahana mampijoro fiovana toy izany. Ny fitsinjaram-pahefana dia tsy fanavaozana ny Fitondran-draharaham-panjakana fotsiny ihany, fa tena zotram-panovana politika. Ivelan’ny fanovana ny Fitondran-draharaham-panjakana dia voakasik’izany fanovana izany avokoa ny amb
- Anisan’ny firenena vitsivitsy miaina amin’ny rafitra fitsinjaram-pahefana ny Repoblika Federalin'i Alemana, i Soisa, i Grande-Bretagne ary ny USA. Any amin’ireo firenena ireo ny fitsinjaram-pahefana dia entina hanamafisana orina rafitra sy fahefana efa voatsinjara. I Madagasikara, toa an’i Frantsa sy ny firenena hafa zanatany frantsay fahiny, dia anisan’ireo firenena, izay efa nampiditra ao anatin’ny fomba nentim-paharazany ny fampivangogoana fahefana eny anivon’ny Fanjakana foibe. Any amin'ireny firenena i
- Ny fampiasana fahefana mba hitantanana raharaham-panjakana, na raharaham-pikambanana na fiarahamonina no atao hoe “governansa” (na koa hoe gouvernance na governance). Ny “governansa demôkratika” (na “fifampitondrana mahomby”, na “fanjakana tsara tantana”, na "fitondrana tsara tantana", na koa hoe “bonne gouvernance” na “gute Regierungsführung” na “good governance”), dia miorina amin'ny fampiharana ny soatoavina fototry ny demôkrasia eo am-pampiasana ny fahefana. Inona avy moa raha zohiana izany soatoavina f
- Koa satria ny demôkrasia dia faharesen-dahatra, ny lalana izorany dia mahakasika ny soatoavina fototra izay manampy ny olombelona hampihatra fanavaozana demôkratika sy hiezaka hiaina ny demôkrasia. Ireo soatoavina fototra ireo, ohatra, dia ny fahamarinana, ny fitovian-jo, ny firaisan-kina, ny fileferana, ny fifamahoan-dafy, ny fanomezan-danja ny vitsy an'isa, ny tsy fanaovana herisetra, ny fifampidinihana ary ny fifampiraharahana sy ny fiarahana monina an-tsitrapo. Ny demôkrasia noho izany dia manaja sy man
- Ny fepetra manan-danja indrindra amin'ny governansa demôkratika, izay nosintonina avy amin'ny soatoavina fototry ny demôkrasia dia ny fandraisana anjara, ny fahatrarana ny tanjona ao anatin’ny fahaiza-mitsitsy, ny fahombiazana, ny finiavana mandray andraikitra sy ny fandraisana andraikitra, ny fanaovana tatitr’asa amin’ny olom-pirenena, ny fahaizana mampifanitsy, ny mangarahara ary ny Fanjakana tan-dalàna.
- Ny governansa na fifampintondrana demôkratika dia ahitana hatrany ireto endrika roa ireto;
- - ny lafiny politika sy sosialy ary ny maha olona, izay mamaritra ny zara asa sy ny asa iandraiketana ary koa ny fandraisana anjara politika ataon'ny mpikatroka samihafa, ka ahitana fomba fisainana sy fitondran-tena, ary koa endrika satampitarika (na Leadership) eo amin'ny mpitondra.
- - ny lafiny teknika, izay mamaritra manokana ny fenitra sy ny paikady amin'ny fitondran-draharaham-panjakana sy ny fitantanam-bola, ny fanaovana taokaonty, ireo tondrom-panombanana, sns…
- Arakaraka ny anaovan'ny mpitondra tsirambina ny lafiny sôsialy amam-politika, no mampisy ny fironana teknôkratika mihariharyeo amin’ny fakàna fanapahan-kevitra, na mampisy ihany koa endrim-pitondrana sy satampitarika tsy refesi-mandidy, izay mahatonga ny mpitondra sy ny politikany ho ratsy endrika manoloana ny olom-pirenena, indrindra any amin'ny demôkrasia mbola marefo.
- Efa azonao tsara angamba fa ny fahombiazan’ny governansa na ny fifampitondrana dia tsy miankina irery fotsiny ihany amin'ny Fanjakana na ny mpitondra, fa miankina ihany koa amin'ny mpikatroka rehetra sy ny vondron'ny mpikatroka izay mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena. Araka izany dia anisan’ny mpikatroka vaventy ao amin'ny rafitry ny governansa mahomby avokoa, ankoatra ny Fanjakana (foibe), ny Vondrom-bahoakam-paritra, ny antoko politika, ny Fiarahamonim-pirenena, ny gazety sy haino aman-jery
- Ao amin'ny firafitry ny governansa mahomby,
- - ny zara asa dia voafaritra mazava tsara, voaavaka tsara ary mifandanja eo amin'ny mpikatroka samihafa sy ny vondron'ny mpikatroka, ao amin'ny rinjantenin-dalàna sy amin'ny fampiharana.
- - ny tombontsoan'ny vondrona mpikatroka samihafa dia nampifandraisina ao amin'ny fanapahan-kevitra noraisina.
- - ny mpitondra dia miavaka amin'ny fampiharana ny fahefany amin'ny alalan'ny fitondran-tena demôkratika sy satampitarika miendrika demôkratika: fanomezan-danja ny soatoavina fototra demôkratika, fanajana ny hevitry ny hafa izay tsy mifanaraka amin'ny an'ny tena, fanomezan-danja ny lalàna sy fitsipika manan-kery, fileferana, fahaizana sy fahavononana mifampidinika sy miady hevitra, ary ny tsy fampiasan-kery.
- - ny olom-pirenena sy ny vondrona mpikatroka dia entanina haneho ny heviny, handray anjara amin'ny fizotry ny fanapahan-kevitra sy hanara-maso ny fampiharan'ny mpitondra eo am-perinasa ny fahefany.
- - ny firafi-pitaovana fanaraha-maso eo anelanelan'ny tompon'andraiki-panjakana sy ny vondrona mpikatroka hafa dia mandeha tsara hatrany sy amina fomba mangarahara; misosa tsara sy mahomby ny fifanomezana vaovao sy ny serasera.
- - dia misy rafitra fandraisana anjara tsy araka ny lalàna sy araka ny lalàna izay mandeha tsara ka hahazoana mifampaka hevitra, miara-midinika, mifampidinika sy mifampiraharaha, sady koa ahafahan'ny olom-pirenena lahy sy vavy, tanora sy antitra, ny vondrona sôsialy ary ny vitsy an'isa sy maro an'isa mandray anjara an-kahalalahana sy tsy misy ahiahy.
- Ny fanabeazana politika dia lalana mahomby iray hahazoana manangana ny soatoavina fototra demokratika sy ny singa koltoraly demôkratika ho andrin’ny fiarahamonina sy ho latsa-paka any anatin’ny tsirairay avy.
- Ny fahafoizan-tena hirotsaka an-tsehatra amin’izao vanim-potoana iainantsika izao dia mety ho olana lehibe ho an'ny demôkrasia raha toa ka zara raha misy izany. Izany no mahatonga ny hoe leo politika na fankahalana politika. Midika izany fa ny ankamaroan'ny mponina dia tsy te handray anjara amin'ny politika, na handray anjara amin'ny fifidianana, na hiandraikitra inona na inona. Azo lazaina izany fa ratsy endrika eo imason’ny olona ny politika sy ny asa ary rafitra rehetra mifandray aminy. Fa inona amin'ny
- Voalohany dia mety miharatsy ny fifandraisana eo amin'ny mpifidy sy ny olona fidiana, raha toa, ohatra, ny olom-boafidy tsy manaja lalàna na fifanarahana; vokatr’izany dia very fitokisana ny mpifidy. Etsy andaniny, mety ho diso fanantenana ihany koa ny mpifidy, raha tsy mihetsika mihitsy ireo olom-boafidy, na mihetsika fa amin'ny fomba tsy mahafa-po, manoloana ny olana misy. Ny porofo maneho fa mihasimba ny fifandraisan'ny mpifidy sy ny olom-boafidy dia fihenan’ny isan’ny mpikamban'ny antoko politika sy ny
- Any amin’ny tany afrikanina toa an’i Madagasikara, izay niaina fihetseham-bahoaka nitondra nankamina tetezamita, dia tsy tanteraka ny fanavaozana sy ny fiovana notakiana sy nampanantenaina, ka diso fanantenana vokatr’izany ny ampahany tamin’ny mponina. Vokatr’izany dia mirona amin’ny hevitra sy fihetsika mahery vaika ny olona izay mihevitra fa ratsy avokoa izay ataon’ny mpitondra. Ankoatra ny fanavaozana sôsialy sy toekarena dia matetika fanavaozana ny andrim-pitondrana no nangatahina (ao anatin’izany ny la
- Ankoatra ny fiofanana sy ny fanamafisana orina ny fandalana ny soatoavina demôkratika, ny zavatra atao dia ny hahatakarana tsaratsara kokoa ny rafitra fototry ny politika. Ahoana moa no hahafahanao mitsofoka amin’ny sehatra politika raha tsy manana torohay momba ny fiasany sy ny fomba firotsahana ao ianao? Fahalalana fototra no ampitaina mba hahatonga ny olona ho afaka handrafitra ny heviny manokana mikasika lohahevitra banjinina. Ankoatr’izany dia misy koa ny fampitana fahalalana mikasika ny fikirakirana g
- Ny fanabeazana politika, etsy andaniny, dia ny Fanjakana no tena mivoy azy, ohatra, amin’ny alalan’ny “fampianarana politika” any an-tsekoly, fa ny voalohany amin’izany dia ny fampianarana momba ny fampiasana fahefana sy ny satampitariky ny olom-panjakana. Ireto farany mantsy dia raisin’ny olona ho môdely hatrany eo amin’ny ezaka hahatonga ny soatoavina demôkratika ho azo tsapain-tanana. Ny fiarahamonim-pirenena ihany koa dia mirotsaka an-tsehatra amin’ny fanabeazana politika.
- Raha atao bango tokana, ny fanabeazana politika dia mampita fahalalana fototra momba ny politika. Ilaina izy mba hahatonga ny olona hahatakatra ny momba ny politika sy ny zotram-pivoarana politika. Rehefa manana izany fahalalana izany ny olona dia zary afaka mamolavola fisainana azy manokana sy miditra amin’ny raharaha politika. Any amin’ny firenena demôkratika, ny fanabeazana politika dia tsy mahakasika ny mponina amin’ny ankapobeny na ny tanora fotsiny ihany, fa kosa ny firenena iray manontolo, izany hoe,
- 4. Ny demôkrasia ve no ho tompon’ny ho avy?
- Azo heverina ve fa ao anatin’ny demôkrasia irery ihany no anjakan’ny fandriampahalemana sy ny fiadanana ary ny fahalalahana? Tsy mora ny mitondra valiny ho an’izany fanontaniana izany. Kanefa kosa dia mazava fa ny demôkrasia dia tena azo atao fanohitra ho an’ny olom-pirenena mba hiadam-pinaritra ao anatin’ny Fanjakana, mba hanana fahalalahana amin’ny fanehoana ny maha izy azy, mba hampiroborobo ny toekarena sy hiantoka ny fisian’ny fandriampahalemany.
-
- Tsapa fa mihamanan-danja ny fiheverana fa na dia ny Fanjakana samihafa aza dia miara-miasa sy miezaka mandrafitra môdely iraisana ho an’ny fanjakany na ho an’ny kaontinanta misy azy. Izany no hany hahafahana misoroka ny mety hisian’ny ady sy ny fanjakan’i Baroa ary ny korontana. Noho ny fitaovan-tserasera môderna dia tsy misy Fanjakana intsony, na dia iray aza, maneran-tany afaka mamela ny olom-pireneny ho ao anatin’ny tsy fahalalana na ny ahiahy momba ny zo sy ny fahalalahana izay efa manjaka any amin’ny f
- - Manova ny rafi-pitondrana sy rafi-panjakana jadona,
- - Manavao ny paikady, ny firafi-pitaovana sy ny fomba fampandraisana anjara ao amin’ny fiarahamonina, ary farany,
- - Mandrafitra ny fepetra sôsialy amam-politika ilaina ho an’ny fampandrosoana ny fiarahamonina.
- Tsy tokony hohadinoina fa ny demôkrasia dia lalana iray mitondra mankany amin’ny fampandrosoana sy ny fandrosoana. Ny paikady vao noforonina, ny firafi-pitaovana, ny rafitra, ny fahefana sy ny fepetram-pampandrosoana dia mazava ho azy fa tsy maintsy hamafisina orina. Ny hevi-baventin’io fanamafisana orina io dia:
- - Ny fanomezan-danja sy ny fampiroboroboana ny fahalalahana sy ny zo fototra;
- - Ny fanaovana fifidianana manaraka ny fenitra demôkratika;
- - Ny fampiroboroboana ny gazety sy haino aman-jery marolafy sy ny fampandehanana ny firafi-pitondrana misy antoko maro;
- - Ny fitrebon’ny kolontsaina politika sy ny fifampitondrana mifangitra amin’ny soatoavina demôkratika;
- - Ny ezaka fandalinana ny fitsinjaram-pahefana, ary farany,
- - Ny fampivoarana ny fisongan’ny toekarena haingana sy maharitra, izay tsy manao ho ambanin-javatra ny fahamaroan-dafin’ny tombontsoa sôsialy eo anivon’ny fiarahamonina.
- Izany no mahatonga ny fanamafisana orina ny demôkrasia hahakasika ny tombontsoa isan-tsokajiny rehetra, ny sokajin’olona rehetra sy ny lafim-piarahamonina rehetra. Ny demôkrasia dia mitaky fiombonana antoka tsy ankiato eo amin’ny olom-pirenena, satria izy dia mifanipaka amin’ny endri-pitondram-panjakana jadona izay mitady ny hampanaiky lembenana ny olona. Ny tanjaky ny olom-pirenena tompon’andraikitra no mampisy azy.
- Misy voka-pikarohana nanamarika fa ny tanora, indrindra indrindra, no tsy mieritreritra ny tenany ho voasariky ny politika. Izany dia heverina fa vokatry ny tsy fananan’ny tanora latsaky ny 18 taona zo hiteny sy hifidy ka mahatonga ny mpanao politika tsy rototra amin’izy ireny. Rehefa tsy manana zo hiteny ny olona dia mihena tahaka izany tsotra izao koa ny faharisihany hiditra an-tsehatra. Kanefa, ary ity no tena zava-dehibe, ireny tanora ireny indrindra no afaka hanampy ny mpanao politika amin’ny fandraket
- Efa mba nieritreritra ny hiditra anatina fikambanana ve ianao? Ny fandraisana anjara dia tsy voatery hadika hoe te ho tonga mpanao politika ny tena. Ankoatra ny fisian’ny andrim-pitondram-panjakana, ny demôkrasia salama dia mila rafitra ifotony ahitana fifandaminana, toy ny antoko, fikambanana ary klioba, na hetsi-piniavan’ny olom-pirenena izay mandala ny demôkrasia. Ny atao amin’izany dia mandray an-kalalahana ny andraikitra tandrify ny tena ary mirotsaka an-tsehatra. Raha te hiroso amin’izany ianao dia az
- Ny fandraisana anjara dia midika hoe miasa an-kalalahana hanovana ny fizotran’ny fanapahan-kevitra, amin’ny sehatra sy ambaratonganas samy hafa. Izany ihany no ahafahana manorina ny demôkrasia, mampifaka azy ao anaty ary manome aim-pahavelomana azy. Ianao io, ianao io indrindra, dia mpikatroka ihany koa ho an’ny demôkrasia.
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
-
- Boky sy Rohy samihafa
-
- - www.freedomhouse.org
- - http://www.africa-union.org/About_AU/au_in_a_nutshell.htm
- - D@dalos: www.dadalos.org
- - http://www.hsl.ethz.ch/pdfs/2003_4_S17_Papadopoulos.pdf
- - United Nations Development Programme : Le rôle de la gouvernance et de la décentralisation dans la réduction de la pauvreté. Rapport national sur le développement humain, Madagascar 2000
- - United Nations Development Programme : Approfondir la démocratie dans un monde fragmenté. Rapport mondial sur le développement humain, Bruxelles 2002.
- - Merkel, Wolfgang (Hrg.): Systemwechsel 1, Theorien, Ansätze und Konzepten der Transitionsforschung, Opladen 1996
- - Merkel, Wolfgang / Sandschneider, Eberhard / Segert, Dieter (Hrg.): Systemwechsel 2. Die Institutionalisierung der Demokratie, Opladen 1996
- - Meyer, Thomas / Breyer, Nicole (Hrg.): The future of social democracy, SAMSKRITI + FES, Bonn 2007