Publications of the FoundationToetoetry ny mpitondra sy vinam-piarahamonina ho an'i MadagasikaraTitle
Bibliographic Metadata
- TitleToetoetry ny mpitondra sy vinam-piarahamonina ho an'i Madagasikara : valim-panadihadiana : Jona-Septaambra 2023
- Corporate name
- Published
- Parallel-Language-Edition
- Description1 Online-Ressource (87 Seiten) : Illustrationen, Diagramme
- LanguageMalagasy
- Document typePrint
- Geographicals
- URN
- The document is publicly available on the WWW
- Reference
- Archive
Ny fifidianana Filoham-pirenena farany dia nampiseho ny tsy fiasandohan�ny ankamaroan�ny mponina malagasy amin�ny raharaham-bahoaka sy ny raharaha politika eto amin�ny tany sy ny fanjakana. Manembatsembana izany toejavatra izany noho izy mampitandindon-doza ny demokrasia ka mety ho loharanon�ny krizy indray aorian�ny fifidianana ho avy ato ho ato. Noho izany, amin�izao ankatoky ny fifidianana ny ho filoham-pirenena izao, dia tanterahana ny fandinihana mba hanolorana sehatra fanararaotra ho an�ny olompirenena, hanehoany ny fomba fijeriny sy izay andrasany ary iriny ho toetoetra filamatra tokony hananan�ny mpitondra an�i Madagasikara, sy izay ho vinam-piarahamonina sahaza hampandroso ny firenena. Izany sehatra fanehoan-kevitra izany dia entina ihany koa mampahatsiahy ny olompirenena fa ny mizara ny heviny dia tsy zo fotsiny ihany fa adidy amin�ny firenena ihany koa