2. Ireo singa fototry ny Fanjakana miorina amin’ny fenitra demôkratika 2.1 Fahalalahana fototra sy Zo fototra Ny zon'olombelona dia zava-dehibe tokoa fa tsy zary singa tsotra mandrafitra fotsiny ihany ny demôkrasia. Izy ireo no fepetra tsy azo ihodivirana mba hampahomby ny fampanjariana ny rafitra demôkratika. Ny fivelarana sy fivoaran'ny zon'olombelona dia tsy mety ho tontosa raha tsy miaina eo anivon'ny demôkrasia ny olona, satria ao amin'io rafitra io ihany izy no afaka hamolavola ireo lalàna handrindra sy hamehy ampahibemaso ireo fahefana telo: fahefana mpanao lalàna(fahefana hanolotra sy handany ny lalàna: ny Antenimiera raha ny eto Madagasikara), fahefana mpanatanteraka(fahefana hampihatra ny lalàna: ny Filohan'ny Repoblika sy ny Governemanta raha ny eto Madagasikara) ary ny fitsarana(fahefana manamarina araka ny lalàna sy mitsara: ohatra amin'izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana). Etsy andaniny, ny Zon'olombelona dia tsy hahomby raha toa ny fahefam-panjakana ka tsy mifamatotra amina Lalàna mahaleotena sy tsy miankin-doha, ary mitovy ny fitondrana ny olona rehetra manoloana ny fitsarana. Zava-dehibe ihany koa eo amin'ny demôkrasia ny fanavahana ny fahefana mba hahatonga ny fitsarana tsy hiankindoha sy hahaleotena. Vokatr'izany dia misy fifandraisana telo lafy eo amin'ny demôkrasia, zon'olombelona ary fanavahana fahefana izay samy singa mifampiankina. Fa efa afaka manazava izay tena hevitry ny atao hoe Zon'olombelona ve ianao, avy amin'izany? Ny famaritana hentitra iray dia hanoritsoritra izany ho toy ny zo mifanandrify amin'ny maha-izy ny tsirairay, ho fiarovana ny tenany amin’izay mety ho fikasan'ny fanjakana hanohintohina azy. Ny olona dia mizaka ireo zo ireo raha vao teraka, ary ny fanjakana dia tsy afaka hanafoana izany eo aminy. Izany dia fototra iorenan’ny fifandraisan’ny samy olombelona ary mandrindra ny fiainana eo amin'ny fiarahamonina, na izany eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, na izany eo amin'ny sehatry ny firenena, eo amin'ny isam-paritra na eo amin’ny fianakaviana. Mahakasika sehatra maro samy hafa izay hohazavaina fohy aminao izany: ¾ Ny zon'ny isam-batanolona no fototry ny zon'olombelona satria tafiditra ao amin'izany, ohatra, ny zo hiaina sy ny zo hivelatra an-kalalahana. Vokatr'ireo zo ireo, ny olona, ohatra, dia azo arovana manoloana ny fanaovana herisetra mihatra amin'ny tenany sy hitandro ny fahamarinana sy ny hasina maha olona. ¾ Ny zo politika sy zon'ny olom-pirenena dia natao mba hiantohana fa ny olompirenena tsirairay dia afaka mandray anjara tsy misy fepetra amin'ny fiainana politikan'ny vondrona misy azy. Izany dia midika fa tsy tokony hanan-tahotra amin'izay mety ho fanasaziana tsy ombam-porofo azy izy. Amin'izay lafiny izay, ny zo manan-danja indrindra dia mahakasika ny fahalalahana haneho hevitra, ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety sy ny fahalalahana hivory sy hanangana fikambanana. ¾ Ho fanajana ny zo sôsialy sy toekarena dia tokony ho voaantoka ny fidiram-bola farany ambany mahavelona hoenti-miatrika ny fitohizam-piainan'ny olombelona. Tafiditra amin'izany ny zo hobeazina, satria ny olona rehetra dia tokony hahazo 5
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten