Eo amin’ny fizotry ny fifidianana dia ahitana firafitra roa miavaka tsara: ny fifidianana mampandany izay nahazo vato antsasa-manila sy ny mihoatra, ny fifidianana mampandany izay nahazo ny ampaham-bato be indrindra. Tena manana anjara toerana lehibe izy roa ireo satria sady misy fiantraikany amin'ny rafitra politika no misy fiantraikany koa eo amin'ny fiforonan’ny zotram-piniavana politika. Eo amin’ny fisafidianana ny firafi-pifidianana tiana ampiharna, dia tsy tokony hatao ambanin-javatra ny riba politika misy, ny toe-javamisy eo amin'ny lafiny tantara sy ireo toetoetran’ny fiarahamonina, satria mety tsy hahafahana manatanteraka afa-tsy ny iray amin'ireo rafitra roa ireo izy ireny. Tondromarika maro no mety hiharan'ny fiovaovana amin’izany: ny lamina anaty ao amin'ny antoko, ny fifandraisan'ny samy antoko ary koa ny fifandraisana misy eo amin'ny Fitondram-panjakana sy ny Antenimiera, arakaraka ny fampiharana ny fifidianana mampandany izay nahazo antsasa-manila na ny fampiharana ny fifidianana mampandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra. Ho very ny maha-fifidianana ny fifidianana iray raha toa ka misy fanamboamboarana atao amin'ny alalan'ny firafi-pifidianana nosafidiana ho entina manodinkodina izany fifidianana izany. Izany toe-javatra izany dia manana fiantraikany ratsy amin'ireo sokajin'olom-boafidy izay voafidy tamin’ny sarintsasarim-pifidianana, satria tsy manana ny maha olom-boafidy ara-drariny azy izy ireny. Ao amin'ny rafitra ampiharana ny antsasa-manila, ny fari-pifidianana dia ho voazara ho faripiadidiam-pifidianana maro araka izay ilaina ary arakaraka ny toerana hotsinjaraina(ao amin'ny Antenimiera ohatra). Ny toerana misy kosa dia hotsinjaraina amin'ny kandidà na ny lisitry ny kandidà izay nahazo vato be indrindra ao amin'ny fari-pifidianana misy azy. Ahazoana tombondahiny maro io firafi-pifidianana io: ¾ Miezaka mandresy lahatra ny mponina amin’ny alalan’ny programan’asany ny kandidà isan’isany avy mba hahazoany ampaham-bato betsaka amin’izany. Vokatr’izany dia misongadina ny adihevitra mahakasika ny vontoatin-javatra, ary tsy manjaka ny fifanipahan-kevitra tafahoatra. ¾ Tokony tsy hataon'ny mpitondra ambanin-javatra ihany koa ny fisian'ireo antoko politika hafa, noho ny fihariharian'ny maroanisa efa miavaka mazava tsara. Amin'io endri-pitondrana io dia manan-danja lehibe manoloana ny fitondrampanjakana ny mpifidy; ny fiasany dia mifamatotra amin’ny fisian’ny antoko roa mifanandrina. ¾ Mampiisy fifandraisana hety dia hety eo amin'ny Antenimiera sy ny faripiadidiam-pifidianana ny kandidà manokana na kandidà tsy miankina. Mijanona ho kely dia kely ny elanelana misy eo amin'ny mpifidy sy ireo solotenany. Fa misy ihany koa olana vitsivitsy mamaritra ny firafi-pifidianana mampihatra ny antsasamanila: ¾ Amin'ny ankapobeny dia ny kandidà avy amin'ny antoko politika vaventy ihany no afaka mahazo ny antsasa-manilan’ny vato ao amin'ny fari-pifidianana iray. ¾ Ity fombam-pifidianana ity mazàna dia manakana ny fisian'ny solotenan'ny vitsianisa eo anivon'ny rafitra misy toerana hozaraina amin'ireny olom-boafidy ireny(ao amin'ny Antenimiera ohatra). Etsy andanin'izay, ny vondrona mpifidy izay maro isa amin’ny ankapobeny saingy vitsianisa ao amin'ny fari-pifidianana misy azy, dia tsy ho afaka ho voasolotena ihany koa satria mantsy kandidà iray ihany no mandresy eo anivon'ny fari-piadidiam-pifidianana tsirairay avy. 8
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten