¾ Mety ho tsy mifanaraka amin’ny tena safidim-bahoaka ny voka-pifidianana vokatry ny hosoka inian’ny vondron'olona eo amin'ny fitondrana atao eo amin’ny famaritany ny fari-pifidianana, satria eo anivon'ireny fari-piadidiam-pifidianana ireny no mantsy no tena isongadinan’ny maroanisa. Ao amina firafi-pifidianana mampandany izay manana ampaha-bato be indrindra, dia zaraina arakaraka ny isan-jaton'ny vato azon'ny antoko politika amin'ny fitambaram-ben'ny vaton'ny mpifidy ny toerana ao amin'ny Antenimiera. Ny fanomezana toerana(ao amin'ny Antenimiera, ohatra) dia ahitana taratra ny tena safidin'ny vahoaka, izay be lavitra noho ny amin'ny firafi-pifidianana mifototra amin’ny antsasa-manila sy ny mihoatra. Ny kandidà dia voafidy amin'ny alalan'ny lisitra ao amin'ny fari-piadidiam-pifidianana misy azy. Tahaka ny amin'ny firafi-pifidianana mifototra amin’ny antsasa-manila sy ny mihoatra, ity faharoa ity dia ahitana ireto tombondahiny manaraka ireto: ¾ Ny fampiharana ny fifidianana mampandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra dia ahafahana maneho ny fironana politika rehetra na ny an'ny vitsy an'isa aza. ¾ Azo atao mora foana, amin’io firafi-pifidianana, ny manangana antoko politika, satria ny ilaina dia ny hahazoana isan-jaton’ny vato vitsivitsy any amin'ny faripifidianana samihafa mba hiantohana ny fidirana ao amin'ilay rafi-pitondrana. ¾ Amin'io firafi-pifidianana io dia mety ho azo atao ny miala amin'ny fitsimbadihan’ny fironana politika mahery vaika, satria amin'ny ankapobeny, ny fitondram-panjakana dia ahitana ny ankolafin-kery rehetra indrindra fa ao amin'ny firafitra politika mandala ny satan’ny Antenimiera, izay ny maro an'isa ao amin’ny Antenimiera no manapaka ny fananganana ny Governemanta. Ahitana olana vitsivitsy ihany koa ny fampiharana ny firafi-pifidianana mampandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra: ¾ Raha mirotsaka amin’ny fifidianana avokoa ny firehana politika rehetra misy, dia ho maro ny antoko politika hanana solotena eny amin'ny Antenimiera. Amin'ny ankapobeny dia tsy misy antoko politika tokana maharombaka ny maro an'isa. Vokatr'izany, dia miforona ny firaisan-tetiky ny ankolafin-kery samy hafa. Matetika dia atao fitaovana ny antoko politika madinika mba hahazoana manangana ny maro an'isa. Rehefa ao anatin’ny fitondrana ireny antoko madinika ireny dia mahazo lanja mihoatra ny ampaham-bato azony tamin’ny fifidianana. ¾ Sarotra ho an'ny mponina dia ny hahafantatra hoe antoko politika toa inona marina no tompon'andraikitra amina politika toa inona. Vokatr'izany, dia manana olana ny olona amin'ny fitilina mazava izay kandidà ho fidiany na tsia amin'ny fifidianana manaraka. Any amin'ny firenena sasany, toa an'i Alemana ohatra, ny lalàm-pifidianana mampihatra ny fifidianana mandany izay nahazo ampaham-bato be indrindra dia misy« fepetra famerana». Izy io dia manambara ampaham-bato iva indrindra tsy maintsy azon’ny antoko politika iray mba hahafahany mandray toerana ao amin'ny Antenimiera. Io fepetra io dia natao indrindra hialana amin'ny fisian’ny antoko politika madinika maro loatra ao amin'ny Antenimiera. Eto Madagasikara, hatramin'izao, dia nafangaro ireo firafi-pifidianana roa ireo ho an’ny lisitra na ho an’ny kandidà, amin’ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny 9
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten