Druckschrift 
Inona no atao hoe demokrasia
Entstehung
Einzelbild herunterladen
 

amin'ny Antenimiera mba hisolo tena ny vahoaka manontolo, ka ao anatinny fanajana ny fepetrampifidy iray, vato iray no anaovana izany. Izany no antony mahatonga ny isan'ny depiote ao amin'ny fari-piadidiana hofaritana arakaraka ny isan'ny mponina. Angamba efa nanontany tena ianao, hoe, inona no ataon'ny depiote mandritra ny andro? Aminny ankamaroanny tranga, dia iharana tsindry roa loha izy: miasa ao amin'ny Antenimiera sy miasa any amin'ny fari-piadidiana misy azy. Ao amin'ny fari-piadidiana misy azy dia mandeha mihaona aminny mpikatroka amina fikambanana na andrim­pitondrana hafa izy, mandray olona, miresaka mivantana amin'ny olom-pirenena ary miezaka mamantatra ny olana eny am-potony. Ny asa eo anivon'ny Antenimiera dia tsy voafaritra fotsiny ihany aminny fivoriana izay andraisan'ny depiote rehetra anjara. Misy ihany koa, ankoatra izay, sehatrasa maro toy ny komity sy kômisiona isan-tsokajiny izay tafiditra ao aminny asa ataon'ny depiote isan'andro. Amin'ny ankapobeny dia ireo manam­pahaizana manokana no asaina ho ao anaty komity manokana mba hanao famelabelarana mikasika ny fahalalany momba-na lohahevitra iray. Avy eo dia mandeha ny adihevitra mikasika ny fomba fijery samy hafa sy ny fitadiavana hevitra iraisana. Resahina ao ihany koa ny mikasika ny volavolan-dalàna mialoha ny hiadiana hevitra ao amin'ny fivoriana. Any amin'ny ankamaroan'ny firenena, ny depiote dia manana zo tsimatimanota, mba hiarovana azy ireo amin'ny letrezana ataon'ny fahefana mpanatanteraka. Araka izany ny depiote dia tsy azo enjehina sy faizina araka ny lalàna mandritra ny fe-potoana maha depiote azy. Foto-kevitra politika roa no misongadina eo anivon'ny demôkrasia, ary mitana anjara asa goavana eo amin'ny fomba fiasan'ny solombavambahoaka, izany dia ny fotokevitra maro an'isa na fotokevitra fifaninanana sy ny fotokevitra marimaritra iraisana. Nyfotokevitra fifaninanana dia miainga amin'nyfotokevitra maro an'isa izay midika fa ny fanapahan-kevitra dia raisina amin'ny alalan'ny maro an'isa. Raha ny tokony ho izy dia misy antoko politika maro mifaninana. Ny tombon-dahiny aminio dia ny fahazoana mandray fanapahan-kevitra haingana sy ny fahazoanny Governemanta mahatratra ny tanjona kinendriny eo aminny asa ataony. Raha ny tokony ho izy dia misy firafi-pitaovana sy rafitra izay ahafahanny vitsy an'isa maneho ny tombotsoany sy ny heviny mialohanny fandraisana fanapahan-kevitra eo an'ivon'ny Antenimiera. Ny fotokevitra marimaritra iraisana dia mampandray andraikitra ao anatinny zotram­panapahan-kevitra politika olona sy vondronolona maro araka izay tratra. Ezahinizy ireo ny mandray fanapahan-kevitra amin'ny fitadiavana ny marimaritra iraisana (http://www.hsl.ethz.ch/pdfs/2003_4_S17_Papadopoulos.pdf). Ny tombon-dahiny amin'izany dia ny tsy fisianny olona mahatsiaro tena ho voailika amin'ny fanehoana ny fomba fiheverany. Mifanindran-dalana amin'io fomba fandraisana fanapahan-kevitra io ny fanaovana fifanakalozan-kevitra mialoha, sy ny fahazoanny vitsy an'isa maneho ny fomba fijeriny sy mampiditra ny tombontsoany ao anatinizany fifanakalozan-kevitra izany. 2.6 Fifamahoan-dafy ara-pomba demôkratika Any amin'ny firenena demôkratika, ny fifamahoan-dafy dia heverina sy ampiharina ho toy ny endri-damina sôsialy amam-politika. Eo amin'ny sehatra politika, ny fifamahoan-dafy dia midika fisiana vondrona maro sy fikambanana mikatsaka firaisan-tombontsoa izay miforona an-kalalahana, mifanajary toerana eo amin'ny sehatry ny fifaninanana mba hananany hery fitaomana eo amin'ny fiainana sôsialy amam-politika. Ireny vondrona ireny dia mety hanana endrika politika, toekarena, finoana, etìka na hafa. Fiarahamonim-pirenena no iantsoana ny 14