mandray ny toeran'ny mpanelanelana ihany koa izy ireo, ohatra, rehefa misy ny tsy fitoviam-pijery eo amin'ny vahoaka sy ny Antenimiera, na eo amin'ny Governemanta sy ny filoha. Amin'ny ankapobeny, dia ireo olona manana zava-katsahina mitovy sy mitovy fomba fijery no mivondrona mba hanorina antoko politika sy mba hivoy ny volavolam-prôgramany eo amin'ny politika. Any amin'ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy dia malalaka ny fananganana antoko politika, izany hoe, ny tsirairay dia manan-jo hanangana antoko politika. Amin'ny ankamaroan’ny tranga, ny antoko politika dia manana prôgrama fototra izay ahitana taratra ny satany sy ireo zava-kendrena lavitr'ezaka, no sady manana ihany koa prôgramam-pifidianana izay ahompana kokoa amin’ny fanatanterahana azy anatina fotoana fohy. Ny antoko politika eo anivon'ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy dia tsy maintsy miandraikitra zara asa lehibe. Noho izany dia zava-dehibe ny fananany rafitra mangarahara sy demôkratika. Izany dia midika, etsy an-daniny, fa ny olom-pirenena tsirairay avy dia mahazo mirotsaka malalaka ary tsy misy teritery ho mpikambana ao amina antoko politika; etsy an-kilany, tokony hatao ao anaty fitsipika fa ny mpikambana tsirairay dia manana zo sy fahafahana handray anjara amin'ny famaritana ny mombamomba ny antoko, amin'ny fifidianana ny mpitondra ny antoko sy amin'ny fanendrena ireo kandidà hisahana andraikitra eo amin'ny sehatra politika sy eo amin'ny sehatry ny Fanjakana. Ankoatra ny fandrindrana ny tombontsoan'ny mponina, sy ny famolavolana ny safidy politikany, dia ny antoko politika ihany koa no mametraka amin'ny toerany ny mpitondra Fanjakana. Ny antoko politika dia singa mampifandray ny vahoaka amin’ny solotenany sy amin’ny Mpitondra fanjakana, noho izany dia tsy azo saintsainina na dia kely akory aza ny fanalana azy na ny tsy fisiany ao anatin’ny fiarahamonina manaja ny fifamahoan-dafy! Tahaka izany koa ny Fiarahamonim-pirenena. 2.7 Governemanta sy mpanohitra Ny fitondrana vondron'olona iray dia mety hahomby kokoa raha iandraiketana olona iray na sokajin'olona vitsy, raha toa io vondron'olona io ka te-hahavita zavatra. Azo antoka fa efa nahatsikaritra izany ianao teo amin'ny fiainanao andavan'andro, teo amina seha-piainana tsy midadasika firy. Rehefa misy vondron'olona miara-miasa tsy maintsy hiady hevitra mikasika zavatra iray, dia mazàna tsy maintsy atomboka amin'ny fifidianana mpitarika izany mba hametrahana rafitra sy hampihodina izany rafitra izany. Raha tsy eo io mpitarika io, dia hikorontana ny fizotry ny adihevitra ary tsy hita izay vokatra horaisina. Raha alaina sary toraka izany ihany koa ny Fanjakana, dia ho hita mazava tsara ny antony tsy maintsy ilàna Governemanta. Ny Governemanta, izay tsy maintsy tohanan'ny antoko politika maro an'isa eo amin'ny Antenimiera na miandany amin’ny Filoha(miaraka na tsia amin'ny fivondronan'ny antoko politika hafa) dia tsy ho afaka miasa raha tsy misy fitondran-draharaham-panjakana madio sy ahazoam-bokatra izay mampihatra ny fanapahan-kevitra noraisiny. Ny Fitondrandraharaham-panjakana(atao hoe Verwaltung na Administration) dia manampy, an-daniny, amin'ny famolavolana lalàna vaovao, ary an-kilany, amin'ny fampiharana izany. Azo ambara izany fa ny fahefam-panjakana dia tsy iantohan'ny Governemanta samirery fa izany dia mila ihany koa ny firotsahana an-tsehatra mazavan'ny Fitondran-draharaham-panjakana mba hitondrana ny firenena amin'ny fomba voasaina. Eo amin'ny demôkrasia, ny Fitondrandraharaham-panjakana dia tsy maintsy anatina rafi-pitondrana mifototra amin'ny mpiasa ao 16
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten