aminy ary tsy mirona amin’ny firehan-kevitry ny antoko maro an'isa. Miasa ho an'ny Fanjakana mandrakariva izy fa tsy ho an'ny antoko maro an'isa, na antoko iza na antoko iza no maro an'isa sy manohana ny fitondrana. Eo amin'ny Fanjakana demôkratika, dia misy hatrany mpanohitra mifanindran-dalana amin'ny Governemanta. Mandritra ny fifidianana, ary eo anivon'ny sampandraharahanpanjakana samihafa(Antenimiera, Loholona, mpanolontsainam-paritra sy kaominaly, sns.), amin'ny ankabeazan'ny trangan-javatra, dia misy antoko politika mpanohitra iray na maromaro izay miatrika ny fahefana mijoro. Manara-maso ny Governemanta ny mpanohitra. Izy no arofanina ho an'ny Governemanta. Tsy azo ihodivirana ny fisiany, izy no miantoka ny fisiana adihevitra ifamailana izay tena ilaina. Ny fisian'ny fifanoherana tsy an-kiato mikasika ny tsy fitoviam-pijery, sy ny adihevitra aterak'izany no mamelona sy mampivoatra ny demôkrasia. Fa mety hametra-panontaniana, angamba, ianao mba hahalalana hoe hatramin'ny rahoviana ny fifanoherana no lazaina fa mahomby na ilaina eo amina zavatra iray. Amin'ireny adihevitra tsy misy fady na teritery ireny, izay amoahana an-kalalahana ny hevitra, no ahafahana mandinika ny vinavinan-tanjona rehetra ary koa ahitana ny vahaolana tsara indrindra. Izany hevitra izany dia hita taratra ao amin'ny ohabolana malagasy izay manambara fa ny fitambarana sy ny fandravonana ny hevitra avy amina olona maro no ahazoana manatratra seha-pisainana avo lenta kokoa("Ny hevitry ny maro mahatakadavitra"). Raha ny hahatsara zavatra no jerena dia ny antoko mpanohitra hatrany no otrikery hisolo toerana ny antoko maro an’isa, ary efa manao tsindry amin’ny Governemanta sahady izy. Manakiana ireo fepetra noraisin'ny antoko ao amin'ny Governemanta izy no sady miezaka hanolotra ny prôgramany manokana. Eo amin'ny fiainana andavan'andron'ny Antenimiera, ny mpanohitra dia afaka mampiasa ny heriny mivantana hitaona amin’ny famolavolana ny lalàna. Amin'ny ankapobeny, tsy azo atao ny manao fanitsiana ny Lalampanorenana raha tsy misy ny fanekeny izany. Raha hainy tsara ny mifampiraharaha ary matanjaka tsara izy dia mety ho vitany ihany koa ny manova ny volavolan-dalàna atolotry ny Governemanta. Izy no natao hivoy ny tombontsoa izay tsy omen'ny Governemanta lanja. Izy ihany koa no miantoka fa efa niadiana hevitra an-kalalahana sy nohalalinina avokoa ny olana marim-pototra rehetra. Mba hahazoan’ny mpanohitra miatrika ireo soridoloha sy andraikitra rehetra ireo, dia tokony hizaka ny zo maha mpikambana ao amin’ny Antenimiera izy. Ny antokon'ny maro an'isa dia tsy tokony hanova ny fitsipi-dalao izay miteraka sakana ho an’ny mpanohitra. Ny mpanohitra dia manana fahafahana hiresaka mivantana amin’ny Governemanta sy haneho ny fanakianany. Zava-dehibe ankoatra izany ny fananan’ny mpanohitra tombontsoa sy tombondahiny mitovy amin’ny antoko ao amin’ny fitondrana. Ny dikan’izany, raha ny antsipiriany, dia tokony hitovy izy ireo amin'ny fahafaha-mampiasa ny gazety sy haino aman-jery, ary tokony ho azo atolotra an-kalalahana eny an-dalam-be ny prôgraman'izy ireo. Na dia eo aza ny fitsipika rehetra, dia tsy mety hisy ny fifandraisana ara-drariny eo amin'ny fitondram-panjakana sy ny mpanohitra raha tsy ny roa tonta no manaja ireo fepetra fototry ny demôkrasia ary mitondra ny finiavany hiasa araka ireo fepetra ireo. Voasoritsoritra teo ny lafiny ankapobeny izay mamaritra ny tontolo iasan'ny mpanohitra. Fa mety manana eritreritra ianao fa tsy mandeha ho azy toy izany lalandava ny fizoran’ny toejavatra. Mitombina mihitsy izany! Ny asan'ny mpanohitra mantsy dia tsy mora araka ny iheverana azy, eny fa na dia any amin'ny demôkrasia môderna aza. Mety mijanona ho mpanohitra mandritra ny taona maro ny antoko politika iray, ary arakaraka ny fandrosoan'ny fotoana dia tsy marisika intsony izy ny hanohy hanao adihevitra 17
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten