fandraisana andraikitra politika io dia azo antoka fa lehibe kokoa noho ny amin'ny firenena izay anjakann’ny Fanjakana foibe samirery. Any amin'iny tany midadasika, toa an'i Madagasikara, ohatra, ny olona monina lavitry ny toerana misy ny Fanjakana foibe sy ny rafitra politika misy dia tsy afaka mandray anjara amin'ny fiainana politika, ankoatra ny rehefa misy fifidianana, rehefa tsy misy ny rafitra any amin'ny faritra. Kanefa ny fitsinjaram-pahefana dia tsy midika fa ny fitondram-panjakana foibe dia tsy manan-danja. Ny mifanohitra amin'izany indrindra aza no marina, satria ny Governemanta dia tokony hampiseho finiavana politika sy fandraisana andraikitra, mba hahafahana mampijoro fiovana toy izany. Ny fitsinjaram-pahefana dia tsy fanavaozana ny Fitondrandraharaham-panjakana fotsiny ihany, fa tena zotram-panovana politika. Ivelan’ny fanovana ny Fitondran-draharaham-panjakana dia voakasik’izany fanovana izany avokoa ny ambaratonga sy ny sehatrasa rehetra ao anaty fiarahamonina. Anisan’ny firenena vitsivitsy miaina amin’ny rafitra fitsinjaram-pahefana ny Repoblika Federalin'i Alemana, i Soisa, i Grande-Bretagne ary ny USA. Any amin’ireo firenena ireo ny fitsinjaram-pahefana dia entina hanamafisana orina rafitra sy fahefana efa voatsinjara. I Madagasikara, toa an’i Frantsa sy ny firenena hafa zanatany frantsay fahiny, dia anisan’ireo firenena, izay efa nampiditra ao anatin’ny fomba nentim-paharazany ny fampivangogoana fahefana eny anivon’ny Fanjakana foibe. Any amin'ireny firenena ireny ny Fanjakana foibe sy ny Fitondran-draharaham-panjakana dia toa tsy mahafoy ny fahefana mivangongo eo aminy, hany ka ifandroritan'izy ireo amin’ny Vondrom-bahoakam-paritra sy ny mponina mitady fandraisana anjara ny fahefana tokony ho tsinjaraina. 3.2 Governansa demôkratika Ny fampiasana fahefana mba hitantanana raharaham-panjakana, na raharaham-pikambanana na fiarahamonina no atao hoe“ governansa”(na koa hoe gouvernance na governance). Ny “governansa demôkratika”(na“fifampitondrana mahomby”, na“fanjakana tsara tantana”, na"fitondrana tsara tantana", na koa hoe“bonne gouvernance” na“gute Regierungsführung” na“good governance”), dia miorina amin'ny fampiharana ny soatoavina fototry ny demôkrasia eo am-pampiasana ny fahefana. Inona avy moa raha zohiana izany soatoavina fototry ny demôkrasia izany? Koa satria ny demôkrasia dia faharesen-dahatra, ny lalana izorany dia mahakasika ny soatoavina fototra izay manampy ny olombelona hampihatra fanavaozana demôkratika sy hiezaka hiaina ny demôkrasia. Ireo soatoavina fototra ireo, ohatra, dia ny fahamarinana, ny fitovian-jo, ny firaisan-kina, ny fileferana, ny fifamahoan-dafy, ny fanomezan-danja ny vitsy an'isa, ny tsy fanaovana herisetra, ny fifampidinihana ary ny fifampiraharahana sy ny fiarahana monina an-tsitrapo. Ny demôkrasia noho izany dia manaja sy manome lanja, araka izay azo atao, ireo tombontsoan'ny vitsy an'isa eo amin'ny fandaniana ny fanapahan-kevitry ny maro an'isa. Ny fepetra manan-danja indrindra amin'ny governansa demôkratika, izay nosintonina avy amin'ny soatoavina fototry ny demôkrasia dia ny fandraisana anjara, ny fahatrarana ny tanjona ao anatin’ny fahaiza-mitsitsy, ny fahombiazana, ny finiavana mandray andraikitra sy ny fandraisana andraikitra, ny fanaovana tatitr’asa amin’ny olom-pirenena, ny fahaizana mampifanitsy, ny mangarahara ary ny Fanjakana tan-dalàna. Ny governansa na fifampintondrana demôkratika dia ahitana hatrany ireto endrika roa ireto; 22
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten