Druckschrift 
Inona no atao hoe demokrasia
Entstehung
Einzelbild herunterladen
 

- ny lafiny politika sy sosialy ary ny maha olona, izay mamaritra ny zara asa sy ny asa iandraiketana ary koa ny fandraisana anjara politika ataon'ny mpikatroka samihafa, ka ahitana fomba fisainana sy fitondran-tena, ary koa endrika satampitarika(na Leadership) eo amin'ny mpitondra. - ny lafiny teknika, izay mamaritra manokana ny fenitra sy ny paikady amin'ny fitondran-draharaham-panjakana sy ny fitantanam-bola, ny fanaovana taokaonty, ireo tondrom-panombanana, sns… Arakaraka ny anaovan'ny mpitondra tsirambina ny lafiny sôsialy amam-politika, no mampisy ny fironana teknôkratika mihariharyeo aminny fakàna fanapahan-kevitra, na mampisy ihany koa endrim-pitondrana sy satampitarika tsy refesi-mandidy, izay mahatonga ny mpitondra sy ny politikany ho ratsy endrika manoloana ny olom-pirenena, indrindra any amin'ny demôkrasia mbola marefo. Efa azonao tsara angamba fa ny fahombiazanny governansa na ny fifampitondrana dia tsy miankina irery fotsiny ihany amin'ny Fanjakana na ny mpitondra, fa miankina ihany koa amin'ny mpikatroka rehetra sy ny vondron'ny mpikatroka izay mandray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena. Araka izany dia anisanny mpikatroka vaventy ao amin'ny rafitry ny governansa mahomby avokoa, ankoatra ny Fanjakana(foibe), ny Vondrom­bahoakam-paritra, ny antoko politika, ny Fiarahamonim-pirenena, ny gazety sy haino aman­jery, ny sendikà, ny sehatra miahy tena ary koa ny olom-pirenena, mazava ho azy. Ao amin'ny firafitry ny governansa mahomby, - ny zara asa dia voafaritra mazava tsara, voaavaka tsara ary mifandanja eo amin'ny mpikatroka samihafa sy ny vondron'ny mpikatroka, ao amin'ny rinjantenin-dalàna sy amin'ny fampiharana. - ny tombontsoan'ny vondrona mpikatroka samihafa dia nampifandraisina ao amin'ny fanapahan-kevitra noraisina. - ny mpitondra dia miavaka amin'ny fampiharana ny fahefany amin'ny alalan'ny fitondran-tena demôkratika sy satampitarika miendrika demôkratika: fanomezan­danja ny soatoavina fototra demôkratika, fanajana ny hevitry ny hafa izay tsy mifanaraka amin'ny an'ny tena, fanomezan-danja ny lalàna sy fitsipika manan-kery, fileferana, fahaizana sy fahavononana mifampidinika sy miady hevitra, ary ny tsy fampiasan-kery. - ny olom-pirenena sy ny vondrona mpikatroka dia entanina haneho ny heviny, handray anjara amin'ny fizotry ny fanapahan-kevitra sy hanara-maso ny fampiharan'ny mpitondra eo am-perinasa ny fahefany. - ny firafi-pitaovana fanaraha-maso eo anelanelan'ny tompon'andraiki-panjakana sy ny vondrona mpikatroka hafa dia mandeha tsara hatrany sy amina fomba mangarahara; misosa tsara sy mahomby ny fifanomezana vaovao sy ny serasera. - dia misy rafitra fandraisana anjara tsy araka ny lalàna sy araka ny lalàna izay mandeha tsara ka hahazoana mifampaka hevitra, miara-midinika, mifampidinika sy mifampiraharaha, sady koa ahafahan'ny olom-pirenena lahy sy vavy, tanora sy antitra, ny vondrona sôsialy ary ny vitsy an'isa sy maro an'isa mandray anjara an­kahalalahana sy tsy misy ahiahy. 23