Tsapa fa mihamanan-danja ny fiheverana fa na dia ny Fanjakana samihafa aza dia miaramiasa sy miezaka mandrafitra môdely iraisana ho an’ny fanjakany na ho an’ny kaontinanta misy azy. Izany no hany hahafahana misoroka ny mety hisian’ny ady sy ny fanjakan’i Baroa ary ny korontana. Noho ny fitaovan-tserasera môderna dia tsy misy Fanjakana intsony, na dia iray aza, maneran-tany afaka mamela ny olom-pireneny ho ao anatin’ny tsy fahalalana na ny ahiahy momba ny zo sy ny fahalalahana izay efa manjaka any amin’ny firenen-kafa. Raha tiany ny hisoroka ny hetsika ataon’ny olom-pireneny hitaky ireny zo ireny amin’ny alalan’ny revolisiona na fanonganam-panjakana na tsy fanekena Fanjakana, dia tokony omeny azy mialoha ireny. Mbola lavitra ny lalana hahatonga ny Fanjakana maneran-tany hanoa demôkrasia ka hahatonga ny fahefana rehetra ho tena avy amin’ny vahoaka tokoa. Firenena maro, ary ao anatin’izany i Madagasikara sy ny firenena afrikanina hafa, no nahavita dingana lehibe miendrika tetezamita mankany amin’ny demôkrasia, tamin’ny faran’ny taompolo 80 sy tamin’ny fiandohan’ny taonarivo fahatelo. Ireto avy ny tanjona hotratrarina amin’izany: Manova ny rafi-pitondrana sy rafi-panjakana jadona, Manavao ny paikady, ny firafi-pitaovana sy ny fomba fampandraisana anjara ao amin’ny fiarahamonina, ary farany, Mandrafitra ny fepetra sôsialy amam-politika ilaina ho an’ny fampandrosoana ny fiarahamonina. Tsy tokony hohadinoina fa ny demôkrasia dia lalana iray mitondra mankany amin’ny fampandrosoana sy ny fandrosoana. Ny paikady vao noforonina, ny firafi-pitaovana, ny rafitra, ny fahefana sy ny fepetram-pampandrosoana dia mazava ho azy fa tsy maintsy hamafisina orina. Ny hevi-baventin’io fanamafisana orina io dia: Ny fanomezan-danja sy ny fampiroboroboana ny fahalalahana sy ny zo fototra; Ny fanaovana fifidianana manaraka ny fenitra demôkratika; Ny fampiroboroboana ny gazety sy haino aman-jery marolafy sy ny fampandehanana ny firafi-pitondrana misy antoko maro; Ny fitrebon’ny kolontsaina politika sy ny fifampitondrana mifangitra amin’ny soatoavina demôkratika; Ny ezaka fandalinana ny fitsinjaram-pahefana, ary farany, Ny fampivoarana ny fisongan’ny toekarena haingana sy maharitra, izay tsy manao ho ambanin-javatra ny fahamaroan-dafin’ny tombontsoa sôsialy eo anivon’ny fiarahamonina. Izany no mahatonga ny fanamafisana orina ny demôkrasia hahakasika ny tombontsoa isantsokajiny rehetra, ny sokajin’olona rehetra sy ny lafim-piarahamonina rehetra. Ny demôkrasia dia mitaky fiombonana antoka tsy ankiato eo amin’ny olom-pirenena, satria izy dia mifanipaka amin’ny endri-pitondram-panjakana jadona izay mitady ny hampanaiky lembenana ny olona. Ny tanjaky ny olom-pirenena tompon’andraikitra no mampisy azy. Misy voka-pikarohana nanamarika fa ny tanora, indrindra indrindra, no tsy mieritreritra ny tenany ho voasariky ny politika. Izany dia heverina fa vokatry ny tsy fananan’ny tanora latsaky ny 18 taona zo hiteny sy hifidy ka mahatonga ny mpanao politika tsy rototra 26
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten