Druckschrift 
Inona no atao hoe demokrasia
Entstehung
Einzelbild herunterladen
 

tokana na vondronolom-bitsy ny fahefana, satria izany matetika dia mitondra amin'ny fanaparam-pahefana sy fanararaotam-pahefana. Ny Filoha nifanesy teo amin'ny fitondrana teto Madagasikara, araka ny maha izy ny tenany manokana sy ny tombontsoa arovany avy, dia samy nandrakitra tao amin'ny Lalàmpanorenana sy nampihatra ny"endri-pitondram-panjakana mifototra amin'ny filoha". Tamin'ny taona 1993 hatramin'ny taona 1996 dia nisy andrana nampiharina singa vitsivitsy amin'ny rafitra mifototra amin'ny Antenimiera; nandamòka anefa izany ka niafara tamin'ny fanonganan'ny Antenimieram-pirenena ny Filoha taminizany fotoana izany. 2.5 Ny Antenimiera Mitazona hatrany ny asany ny Antenimiera any amin'ny tamy demôkrasia rehetra, na dia samy hafa aza ny fifandraisana eo amin'ny Antenimiera sy ny Governemanta. Ny Antenimiera no manao ny anjara asa fanoloran-dalàna. Izy no mitazona ny fahefana hanao tolo-dalàna. Ao amin'ny endri-pitondram-panjakana mifototra amin'ny Antenimiera dia mazàna atolotra ny Governemanta io fahefana io, satria izy tohananny maro an'isa ao amin'ny Antenimiera ka azo antoka kokoa fa ho lany ny volavolan-dalàna izay atolony. Araka ny sehon-javatra miseho matetika dia dia ampy andaniana lalàna iray ny fananana ny maro anisa. Fa ny lalàna izay miompana aminny lohahevitra mafonja, toa ny Lalàmpanorenana kosa, ohatra, dia mazàna, mitaky ny fananana ny androantokony na koa fitsapan-kevi-bahoaka mba hampanankery azy. Ny Antenimiera, araka ny efa natsidika etsy ambony, dia manana anjara asa hanara-maso ny Governemanta. Raha misy ahiahy mikasika ny fomba fiasan'ny Governemanta, dia afaka manangana kômisiona mpanao fanadihadiana ny Antenimiera na manome baiko ny hanaovana fanadihadiana amin'ny alalan'ny fahefana mpitsara. Eo amin'ny endri-pitondrana mifototra amin'ny Antenimiera, ny Antenimieram-pirenena dia manana fahefana hanongana ny Governemanta. Ao amin'io endri-pitondrana io dia misimisy kokoa ny fifehezana eo anelanelanny Governemanta sy ny mpanohitra noho ny eo anelanelanny fahefana mpanao lalàna sy ny fahefana mpitsara. Miavaka ihany koa ny Antenimiera amin'ny anjara asa fampifandraisana sy fanehoana ny finiavana politika. Ny hevitr'izany dia hoe: - Ny depiote no mampifandray ny fanirian'ny mponina, izany hoe, maneho ny hetahetan'ny mponina, satria izy no misolotena azy. - Ny depiote dia miezaka ny hampahafantatra ny mponina izay asa ataonizy ireo amin'ny alalan'ny fivoriana atrehan'ny rehetra, amin'ny alalan'ny tatitra ataonizy ireo any amin'ny haino aman-jery mikasika ny fivoriana tao aminny Antenimiera, ary koa amin'ny alalan'ny hetsika samihafa atao araka ny zavatra kendrena. Miezaka ihany koa izy ireo ny hanohana ny mponina eo amin'ny fanehoany ny hetaheta sy faniriany eo aminny lafiny politika. Misy anjara asa fahefatra izay mahakasika manokana ny Antenimieram-pirenena ao amin'ny rafitra-na Governemanta mifototra amin'ny Antenimiera: ny fanaovana fifidianana. Ny depiote no mifidy na manongana ny lehiben'ny Governemanta, ary indraindray ny mpikambana rehetra ao amin'ny Governemanta. Any amin'ny firenena sasany dia ny depiote no mifidy ireo ho mpikambana ao amin'ny fitsarana avo. Nohazavaina teo, amin'ny ankapobeny, ny anjara asan'ny Antenimiera. Fa mba inona kosa ny zara asa iantsorohan'ny depiote na ny senatera tsirairay avy? Ny depiote dia fidiana ho ao 13