Druckschrift 
Inona no atao hoe demokrasia
Entstehung
Einzelbild herunterladen
 

3.1 Fitsinjaram-pahefana Any aminareo, iza no mandray fanapahan-kevitra, rehefa misy lalana vaovao, ohatra, na tsena vaovao, tsy maintsy aorina na havaozina? Ny tompon'andraikitra eo an-toerana na kaominaly na any amin'ny faritra ve, sa ny Fanjakana foibe, izany hoe, ny ministra na ny filohanny repoblika? Ny fitsinjaram-pahefana dia midika fa ny Fitondran-draharaham-panjakana ao amin'ny firenena iray dia tsy mifototra eo amin'ny sampandraharaha foibe, fa nankina eny ifotony ny fizotry ny fanapahan-kevitra sasantsasany("grass root"). Metimety kokoa ny fandraisana fanapahan-kevitra mivantana eny amin'ny ambaratonganny faritra satria ny mponina eny no voakasiky ny fiantraikanizany fanapahan-kevitra izany mivantana. Rehefa ny rafitry ny Governemanta no voalamina mba hanakaiky ny mponina dia afaka mitombo ny fahatsapan-tenan'ny mponina ho ao anatin'ny andrim-pitondrana ao amin'ny faritra misy azy, izany hoe ny fandraisany anjara politika. Ho an'ny olona maro, dia lôjika kokoa ny mirotsaka ao amin'ny politika raha afaka mandray ny fanapahan-kevitra mahakasika azy mivantana izy. Araka izany, eo amin'ny fitsinjaram-pahefana, ny Fanjakana foibe dia mamindra ny fahefany sy ny fahazoany manapa-kevitra amin'ny rafitra ifotony sy any amin'ny faritra izay naorina any ivelan'ny Fanjakana foibe; vokatrizany dia ho afaka hanao drafitrasa, handray fanapahan-kevitra ary hitondra samirery ny raharahany ireny rafitra ireny. Ireo rafitra ifotony sy eny amin'ny faritra dia antsoina hoevondrom-bahoakam-paritra. Olona nofidianny mponina eo aminilay faritra no mitondra ny vondrom-bahoakam-paritra. Misy ihany koa, mifanindran-dalana amin'ny vondrom-bahoakam-paritra, antokon-draharaham­panjakana, ka mpiasam-panjakana no mitantana azy ireo. Ireto farany dia misolo tena ny Fanjakana foibe eny ifotony, manara-maso sy manohana ny olom-boafidy eny ifotony. Ny vondrom-bahoakam-paritra dia voarindra araka ireto fepetra manaraka ireto: - ny raharaha dia dinihin'ny ambaratonga izay akaiky indrindra ny olana hovahana. Raha lazaina amin'ny fomba hafa dia izao: ankinina aminny ambaratonga iva indrindra ny famahana ny olana, raha mbola afaka sy te hiandraikitra izany olana izany izy ireo. Io no fepetrafanoloram-pahefana. - amin'ny lafiny fitondran-draharaham-panjakana dia tsy miankina amin'ny Fanjakana foibe na amin'izay misolo tena azy eny an-toerana ny vondrom­bahoakam-paritra. - ny vondrom-bahoakam-paritra izy tenany ihany no miandraikitra ny fitondran­draharaha ao aminy. - ny fandraisana anjaran'ny mponina no mamelomaso ny vondrom-bahoakam-paritra izay namindrana fahefana hanapa-kevitra sy handray andraikitra. Raha firenena iray voatsinjara aminny vondrom-bahoakam-paritra ny rafitra ao aminny firenena iray, izany dia midika fa ireo vondrom-bahoakam-paritra ireo no miantsoroka ny fahefana handray fanapahan-kevitra sy ny andraikitry ny vahoaka. Noho izany, dia tsy maintsy manana ny fidiram-bolany azy manokana izy ireo. Ny fitsinjaram-pahefana dia tena ilaina amin'ny fanamafisana orina ny rafitra demôkratika. Manamora ny fahazoan'ny mponina mandray anjara amin'ny fanapahan-kevitra politika izy. Mampitombo ny faharisihan'ny mponina handray andriakitra eo amin'ny sehatra politika izy, ary io 21