Druckschrift 
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Einzelbild herunterladen
 

­Torakizany ny aminny fifehezana ny serasera, voamarika ny fisianny vokatra tsara satria voalazanireo tomponandraikitra nofanina fa efa afaka mampita ny hafatra araka izay tokony ho izy aminireo mpiasa izy ireo, ohatra ny ilàna ny fidirana sendikà, ary etsy ankilany ihany koa dia mivoatra ny lojikanny fifandraisana aminny mpampiasa, ka ny fifanandrinana dia zary fifampidinihina, na firaisana antoka. ­Aminny lafiny iray koa anefa dia tsikaritra ny lesoka eo aminny fanaovana drafitrasa (planification), indrindra ny drafitra ara-paikady(planification stratégique), satria ny iray aminireo sendikà telo mivondrona ao aminny IndustriALL ihany no nanambara fa manatanteraka izany anivonny foibeny. Manolotra programanasa ny sendikà ifotony anivonny orinasa rehefa tonga ny fampielezan-kevitra ifidianana ny solotenanny mpiasa, kanefa toa mijanona ho fampanantenana ihany izany fa tsy tena drafitrasa mikendry asa sy vokatra maharitra. ­Farany, ny mpikarakara dia nahatsikaritra fa miovaova hatrany ny mpandray anjara isaky ny atrikasa izay notanterahina ka nampananosarotra ny fitohizanny ezaka nanamafisana ny fahaiza-manao ny sendikà. Voatery miverina aminny dingana efa vita hatrany mba hampitovy tantana ny torohay anananny mpandray anjara rehetra. Kisary 1: Fitsinjarana araka ny mahalehilahy na mahavehivavy ireo mpandray anjara taminireo fiofanana rehetra FANDRAISANA ANJARA AMINIREO ATRIKASA FIOFANANA ARAKA NY MIRALENTA 25 20 15 10 5 0 A S T E R S IK SI A O S N A 1 A S T E R S IK S A IO SA N 2 2 A S T E R S IK SI A O S N A 3 A S T E R S IK S A IO SA N 4 4 VEHIVAVY LEHILAHY A S T E R S IK SI A O S N A 5 A S T E R S IK S A IO SA N 6 6 A S T E R S IK S A IO SA N 7 7 4.1.2. Fanamafisana ny fidirana sendikà(Fampitomboana ny tahanny fidirana sendikà tao aminny ozinina 3 hatraminny 5 mamatsy ny orinasa iraisampirenena) Ny Tabilao 2 sy ny sary 2 ka hatramin'ny 5 etsy ambany dia maneho ny fivoaran'ny mpikambana ao amin'ny sendikà fototra miisa 9 amin'ny orinasa miisa 4: SEMPIZOF(ANTA3, ABE5, ANTA7, ANTA6), SEKRIMA(ANTA6, ANTA7, ANTA3, ABE5), SVS(ANTA6). 19