Druckschrift 
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Einzelbild herunterladen
 

Fanamarihana: ­Ny fanaramana no tena mampitaraina ny mpiasa. Ny fangatahana sy ny fitakiana mibahan­toerana dia mifandraka amin'ny karama sy ireo pitsopisony tokony hifanaraka aminizany. Araka izany, dia tsy niova ireo olanny mpiasa notaterinny fanadihadiana natao taminny taona 2021. ­Ireo fangatahana momba ny fifampiraharahana iombonana dia miompana aminny fananganana ny Komitinny orinasa sy ny fifampiraharahana ho anny fandrafetana fifanarahana iombonana izay norafetinny solotenanny mpiasa ao aminny ANTA6 sy ANTA7. Araka izay dia tsara ny vokatra ao aminity farany. ­Na dia tsy manoratra ao anaty kahiem-pitarainana aza ireo solotenanny mpiasa dia tsy midika izany fa tsy misy ny herisetra mihatra aminny mahalehilahy sy mahavehivavy. Ny tomponandraikitry ny sendikà any aminny orinasa hafa dia manamarika fa misy ny trangana herisetra mihatra aminny vehivavy kanefa mandà ny hitoroka izy ireo. ­Ny foibe sendikàly iray dia manamafy ny fisalasalanny solotenanny mpiasa hanoratra ny fitarainana. Voamarina izany satria vitsy ny fitarainana voarakitra isan-taona. Mety ho ny fahakiviana manoloana ny tsy fahazoana valiny no mahatonga izany. ­Marihina tokoa fa zara raha mamaly ao anatin'ny kahiem-pitarainana ny mpampiasa; Indraindray dia mandritra ny fivoriana ara-potoana fanao isam-bolana no anomezany ny valin-teniny. Tsy voatahiry anefa ny PV voapeta-drindrina, ka tsy manana dika mitovy ny solotenanny mpiasa. (b) Hetsika ataonny sendikà ho amin'ny fifampiraharahana iombonana Raha tsy misy aza ny fifanarahana iombonana ara-dalàna, izay tena tanjona fototra, dia mahavita manao fifampiraharahana iombonana aminny mpampiasa ihany ny sendikà mahakasika zavatra voafaritra. Izany no nitranga tao aminny ABE5 ka nahavitanny sendikà nifampiraharaha ny fanavaozana ny solon-tsakafo. Tao aminio orinasa io ihany dia nahazo fialan-tsasatra ireo mpiasa an-tselika, vokatry ny fifampiraharahana nataonireo sendikà mpikambana ao aminny IndustriALL(SEMPIZOF sy SEKRIMA) taminny mpampiasa. Ankoatrizay, araka ny tatitry ny SEKRIMA, noho ny asa nataon'ny sendikà, dia misy orinasa vitsivitsy izay fehezin'ny GFA no nanajanona ny fiantohana(sous-traitance). 4.3. Fizohiana ny fampiharana na tsia ny GFA eto Madagasikara sy ny fanoloranny sendikà ny fepetra fanitsiana. Fizohiana ny fanajàna ny zo sendikàly 4.3.1. Rafitra GFA Natsangana ny Ivo GFA(point focal GFA) ao Antsirabe, izay miandraikitra ny fampitana ny fitarainanny mpiasa ao aminy orinasa voakasika mankaminny Komity GFA(comité GFA). Solotena roa mpilatsaka an-tsitrapo no mandrafitra ny Ivo GFA, dia ny avy aminny sendikà SEMPIZOF sy ny sendikà SEKRIMA. Ny Komity GFA kosa dia ahitana ireo tomponandraikitra anivonny foibe sendikàly. Na dia eo aza ireo rafitra ireo, ary na dia misy aza ny fitakiana voarafitra mifanandrify aminny andraikitry ny orinasa araka ny fepetranny GFA, dia tsy voarakitra ao aminny tatitra ataonny sendikà ny fizohiana tsy tapaka ny fanatanterahana izany GFA izany. Kanefa: ­Ny fandinihina ireo fitarainana ataonny solotenanny mpiasa araka izay voalaza etsy ambony (§4.2.2.2) dia maneho ny fahabangana, momba ny fifampiraharahana iombonana ohatra, izay ilaina homarihina; 24