FINTINA 1. Tanjona sy votoatin’ny tombana Ny tanjon’ny tombana dia ny hahafahana mamantatra raha namaly ny zavatra nandrasan’ny olona iantefany sy ny mpandray anjara ary ny mpiara-miombon’antoka rehetra ny tetikasa, rehefa ampitahaina ny tondro napetraka sy ny tanjona tratra. Noho izany, ny tombana dia mifantoka kokoa amin’ny famaritana ireto manaraka ireto: vita tsara avokoa ve ny asa rehetra nokasaina hatao(ohatra, inona avy ny asa vita raha oharina amin’ireo izay nomanina ary voatrandraka avokoa ve ny lohahevitra napetraka rehetra); ahoana no ilazana fa ny vokatra nandrasana sy ny tanjona napetraka dia tratra avokoa, ary nisy vokatra azo tsapain-tànana ve izany teo amin’ny fiainan’ny sendikà sy ny faripiainan’ny mpiasa ary koa teo amin’ny sehatry ny asa; ahoana no handrefesana fa ny tanjona sy ny asa nofaritana dia mamaly ny tena filàn’ny mpisitraka sy ireo izay iantefan’ny tetikasa; nisy fahaiza-manao ara-tekinika voampita ve any amin’ireo mpandray anjara – mpisitraka; ary ny traikefa avy amin’ny tetikasa ve nahafahana nanavaka ny fomba fanao tsara indrindra sy ny fomba fanao ratsy indrindra. 2. Tanjon’ny tetikasa Ny tanjon’ny tetikasa dia ny hanamafy ireo hetsika ataon’ny sendikà malagasy mpikambana ao amin’ny IndustriALL Global Union, any anatin’ny ozinina mamokatra lamba sy zaitra ary hoditra izay mitondra ny Marika(anaran’ireo orinasa iraisampirenena) efa nanao sonia ny GFA(Global Framework Agreement na Fifanarahana lasitra iraisampirenena izay ifanarahan’ny Marika amin’ny IndustriALL araka ny toromarika napetraky ny OIT) ary voafehin'izany. Paikady miompana amin’ny dinika sosialy eny anivon’ny toeram-piasana sy ao amin’ny indostria no faritana sy apetraka amin’izany, indrindra ny mahakasika ny falalahan'ny sendikà, ny karama, ny tombontsoa aratsosialy ary ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy. Ankoatr’izay, ny asa lehibe nomanina hatao dia niompana indrindra tamin’ny fanomezana tantsoroka ara-tekinika ho an’ireo sendikà, indrindra tamin’ny alalan’ny fampiofanana sy ny « coaching» izay mikendry ny hanamafisana ny falalahan'ny sendikà sy ny fifampiraharahana iombonana ary ny fanetsehana mahakasika ireo teboka mafonja, toy ny karama mahavelona sy ireo fepetra arak’asa, ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy, ny fanjohiana ny fampiharana ny GFA. 3. Ny fomba nanatanterahana azy Toy izao ny fomba nanatanterahana ny tombana: Nisy ny dingana fanangonana sy fanadihadiana ireo antontan-taratasy rehetra, izay nahafahana nanangona sy nifehy ireo fanazavana rehetra nilaina; Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ny tomponandraikitra ara-tsendikàly, ireo solotena sendikàly, ireo solotenan’ny mpiasa, ny mpikambana ao amin’ny Vaomiera GFA sy ny mpikambana ao amin’ny sendikà izay miasa eny anivon’ny orinasa voakasika. Andiampanontaniana samy hafa no narafitra ho amin’izany. Nisy ny atrikasa nanaovana fifanakalozana hanamafisana sy hamaritana tsara ary hanitsiana ny fanazavana rehetra voangona nandritra ny dingana teo aloha. Nomanina 5
Druckschrift
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Entstehung
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten