Druckschrift 
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Einzelbild herunterladen
 

Ny fanadihadiana natao taminny 2021 tao Antananarivo sy Antsirabe tany aminireo orinasa mamokatra ho anny ASOS sy INDITEX dia nampivoitra ny olana sedrainny mpiasa vokatry ny fanosihosena ny zonizy ireo, indrindra ny momba ny ora iasana, ny karama, ny herisetra sy ny antsojay eny aminny toeram-piasana, anisanizany ny herisetra mifototra aminny mahalehilahy na mahavehivavy, ny zonny vehivavy sy ny fiarovana azy raha mitondra vohoka na miteraka, ny falalahana sendikàly sy ny zo hanao ny fifampiraharahana iombonana. Io fanadihadiana io dia natao nandritra ny tetikasaOrganising in TGSL na« Fandaminana ny mpikambana aminny seha­pamokarana Lamba, Fitafiana, Kiraro ary Hoditra» izay notanterahana teto Madagasikara nandritra ny telo taona, ny 2021 hatraminny 2023. Ity tatitra ity dia miompana aminny fanombanana io tetikasa io. 2. FANAZAVANA FINTINA NY TETIKASA 2.1. Tanjonny tetikasa NY tanjonny tetikasa dia ny hanamafisana ny asa ataonny sendikà malagasy mpikambana ao aminny IndustriALL Global Union eny anivonny ozinina mamokatra ho anny Marika izay nanao fifanarahana GFA, ary ny hamelana ny sendikà hamaritra paikady hanaovana ny dinika sosialy any aminny toeram-piasana sy ny indostria, indrindra ho anny falalahana sendikàly, ny karama, ny tombontsoa ara-tsosialy sy ny ady atao aminny herisetra mifototra aminny mahalehilahy na mahavehivavy. 2.2. Ireo iantefany Misokajy roe ireo iantefanny tetikasa, ka anisanizany: 2.2.1. Ireo iantefany mivantana Ny iantefany mivantana dia ny sendikànny mpiasa ao aminny orinasa Mpamatsy ireo Marika mpiray antoka aminny GFA, ny solotena sendikàly, ny solotenanny mpiasa izay natao hifampiresaka sy hanao fifampiraharahana iombonana miaraka aminny mpampiasa, mba hiaro sy hanatsara ny tombontsoanny mpiasa etsy andaniny, ary mba hohainoana ny feonny mpiasa ho fampandrosoana ny orinasa etsy ankilany. 2.2.2. Ny mpisitraka farany sy ny orinasa nipoirany 2.2.2.1. Mpisitraka Ny mpiasa ao aminny orinasa Mpamatsy ho anny orinasa fehezinny GFA. Ho anny tombontsoanizy ireo indrindra no anatanterahanny sendikà ireo asa enti-manatratra ny tanjonny tetikasa araka ny andininy 2.1 eo ambony. 2.2.2.2. Orinasa nipoirany Mba ho fanajana ny fomba fanao sy ny fitanana ho tsiambaratelo ny toerana sy ny anaranny orinasa voakasika, dia famantarana nacodes samihafa no ampiasaina aminizao tombana izao, tahaka izay natao nandritra ny fanadihadiana tany aminny fiandohanny tetikasa. Tany am-boalohany, ny tetikasa dia nikasa ny hahatratra orinasa 10, ka 6 ao Antananarivo, ary 4 ao Antsirabe. Ity tombana ity kosa dia mahakasika orinasa miisa 4: ANTA3, ANTA6, ANTA7 ary ABE5. Nandritra ny fanatanterahana ny tetikasa dia orinasa miisa 8 izay hita tao aminny fanadihadiana 2021 no tsy tafiditra instony tao aminny asa natao. Ho anny orinasa ao Antananarivo dia isanizany ny ANTA1, ANTA2, ANTA4, ary ny ANTA5. Ho anAntsirabe, ny orinasa rehetra izay nokendrena taminny fanadihadiana diavoahilika avokoa taminny asanny tetikasa(ABE1, ABE2, ABE3, ary 11