Druckschrift 
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Einzelbild herunterladen
 

5. FANDRAVONANA: FAHATRARANA NY TANJONA SY NY TONDRO 5.1. Mahakasika ny fanamafisana ny asa sendikàly eny anivonny orinasa ao anatinny GFA ­Mitombo isa ireo mpiasa mpikambana sendikà eny anivonny orinasa. Ireo sendikà telo mivondrona ao aminny IndustriALL dia samy nirakitra ny fitomboanny isanny mpikambana. Mbola voafetra ihany anefa izany raha ampitahaina aminny isanny mpiasa ao aminny orinasa. ­Misalasala ny mpiasa tsy mirohotra miditra sendikà. Azo heverina fa satria tsy hita soritra mazava ny paikadinny sendikà tsirairay hanamafisana ny fampidirana mpikambana. Kanefa azo heverina ihany koa fa ambany ny fahaliananny mpiasa sy ny Malagasy aminny ankapobeny aminny sendikà, na ny fikambanana hafa, isanizany ny antoko politika. ­Araka ny tatitry ny asanny sendikà dia mitombo isa ireo orinasa izay ananganan'izy ireo sendikà fototra sy anendreny solotena sendikàly. Izany dia maneho ny finiavanizy ireo hifampidinika aminny mpampiasa, na dia misy aza ireo orinasa izay tsy manaiky ny hifampidinika aminny mpiasa sy aminny sendikà. 5.2. Mahakasika ny famaritana ny paikady ho anny dinika sosialy Na dia tsy hita soritra ao anatinny fandaharahanasa sy ny tatitra ataonny sendikà aza ny momba ny paikadinny sendikà tsirairay na iombonanny sendikà, dia tsy azo lavina fa miroso aminny fametrahana rafitra ho anny dinika sosialy sy ny fifampiraharahana iombonana ny sendikà. Isanny zava-bita ny fananganana ny Komitinny orinasa, ny fametrahana ny Ivo GFA, ary koa ny fifampiraharahana ho anny fandrafetana fifanarahana iombonana. Fiantombohanny fametrahana paikady izany. 5.3. Ny tondro Mananosarotra ny mandrefy ny ankabeazanireo tondro, ny tabilao eo ambany no andeha hanombanana ny zava-bita. Tabilao 5: Tombana ny fahatrarana ny tondro VONDRONA TONDRO LAFINY TSARA Tondro mifandraika amin'ny tanjona Ny IndustriALL dia manohana ara­tekinika sy mampiofana tomponandraikitra sendikàly miisa 25-30, ary vehivavy ny 40%. - Nisy ny fanofanana natao ho anireo mpitarika sendikà efa ho telopolo isa, izay vehivavy ny 50% eo ho eo. Tratra ny tondro aminny ampahany betsaka. - Nisy fiantraikany tena tsara nomarihinireo solotenanny mpiasa, dia ny fitomboana sy fihatsaranny fifanakalozana aminny mpampiasa(ohatra: rahoviana no LAFINY HATSARAINA 26