ihany koa ny andiam-panontaniana nitarihana sy nanentanana ny dinidinika tamin’io asam-bondrona io. Ny loharano nahazoana ny fanazavana dia ireo sendikà, tamin’ny alalan’ireo mpikambana ao aminy sy ny tomponandraikitra voalohany ary ny mpitarika eny anivon’ny foibeny, ny mpandrindra ny tetikasa, ny mpiray antoka anaty GFA, na mivantana izany, na amin’ny alalan’ny tranokalany, ny Fikambanana Iraisampirenena momba ny Asa(OIT) amin’ny alalan’ny tranokalany, ny Biraomparitry ny Fisafoana ny Asa(Inspection de Travail) ao Antananarivo sy Antsirabe. 4. Tsoakevitra Miabo ny vokatra azo raha jerena ny androantokon’ny tondro rehetra, na dia misy aza ny mbola azo hatsaraina. Nisy fiovana hita tamin’ny fomba fanao. Ny fomba fanao vaovao dia nahitampahombiazana satria namaly ny tena filàn’ireo izay iantefan’ny tetikasa, azo tohizina ara-potoana, ary azo itarina any amin’ireo sendikà hafa na orinasa hafa. 4.1. Asa natao tamin’ireo iantefan’ny tetikasa 4.1.1. Fampiofanana ireo mpiandraikitra sendikàly Nisy atrikasa fito notanterahan’ny IndustriALL sy ny FES nandritra ny tetikasa. Izany dia nahafahan’ireo mpisitraka nahazo ny fahalalana ilaina sy tena azo ampiharina ao anatin’ny sendikà sy ao anatin’ny fifandraisana arak’asa. Ny fiofanana dia niompana tamin’ny fomba fitantanana ny fiainana ao anatin’ny sendikà, toy ny fanamafisana ny fidirana sendikà, ny fifampiraharahana iombonana, ny karama mahavelona, ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny mahalehilahy na mahavehivavy, ny fitantanana sy ny toekaren’ny orinasa, ireo tekinika fanaovana fifampiraharahana, ny tekinikan-tserasera. Ny isan’ireo tomponandraikitra sendikàly nofaritana hahazo ny fiofanana dia tratra avokoa, nihoatra mihitsy aza, toy izany koa ny tanjona napetraka momba ny fitsinjaran’ny fandraisana anjaran’ny lehilahy sy ny vehivavy. Mahery ny telopolo ireo mpisitraka ary ny 50% eo ho eo dia vehivavy avokoa. Na izany aza anefa, ny fanamby dia mbola mipetraka eo amin’ny fizarana sy ny fampiharana ny zavatra noraisina. Ny fiovaovan’ny mpandray anjara dia tena nisongadina ary zary sakana tamin’ny fanamafisana ny fahaizamanaon’ny rafitra sendikàly ifotony. 4.1.2. Fanamafisana ny fidirana sendikà Vokatry ny fampiharan’ireo rafitra sendikàly ifotony mpikambana amin’ny IndustriALL ny tantsoroka ara-tekinika àry dia ny fito tamin’ireo sivy avy amin’ny orinasa nanaovana fanadihadiana no nahitana fitomboan’ny mpikambana tao aminy nandritra ny tetikasa. Ny salanisan’ireo mpikambana rehetra tao amin’ireo federasiona sendikàly telo dia nitombo avo fito heny nandritra ny telo taona niasana. Tsy àry mitovy anefa ny tahan’ny fiakarana teo amin’izy ireo satria ny iray tamin’ireo sendikà telo ireo dia nilaza ny fihenan’ny isan’ny mpikambana tao anatin’ny orinasa anankiroa. Ireo sendikà telo mpikambana dia nahitana toe-javatra antsoina hoe« vase communiquant»: matetika dia ny mpiasa efa ao anaty sendikà no miala amin’ny fikambanana efa misy azy ka miditra amin’ny hafa. Vokatr’izay, tsy dia misongadina ny fialàna amin’ny sendikà na ny fidiran’ny mpikambana vaovao. 4.2. Fanamafisana ny fahaiza-manao sendikàly 4.2.1. Taorian’ny asa natao ho fanamafisana ny fahaiza-manao amin’ny fifampiraharahana iombonana no nahafahan’ny sendikà ifotony nanangana ekipa mpanao fifampiraharahana iombonana izay afaka mifampiresaka tsara amin’ny mpampiasa. Ny Komitin’ny orinasa dia tafapetraka tany amina orinasa roa farafahakeliny izay voafehin'ny GFA, ary sendikà iray farafahakeliny no mihevitra fa afaka manolotra fifanarahana iombonana ifampiraharahany amin’ny 6
Druckschrift
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Entstehung
Einzelbild herunterladen
verfügbare Breiten