Druckschrift 
Mandamina ny mpiasa @ lamba - fitafiana - hoditra : tatitry n fanombanana ny tetikasa Madagasikara 2021-2023
Einzelbild herunterladen
 

ABE4). Ankoatrizay anefa dia orinasa miisa 2, izay tsy tafiditra tao anatinny fanadihadiana 2021, no nandray anjara taminny asa fanatanterahana ny tetikasa, anisanizany ANTA7 sy ABE5. Mitarika ho aminireto fanamarihana manaraka ireto izany fiovana teo aminny orinasa nanatanterahana ny asa izany: ­Ho anireo orinasa« voahilika»: nohazavainny mpikarakara fa ny fanapahankevitra tsy hampandray anjara ireo orinasa miisa 8 satria nijanona tsy tonga intsony ireo solotena taminny fotoana nanaovana ny tetikasa, noho ny antony samihafa 4F 5 , ka tsy nandray anjara taminny sahanasa intsony izy ireo ary tsy nampita ihany koa ny vaovao entina manao ny fizohiana ny fanatanterahana ny tetikasa. Raha Mpamatsy ny ASOS avokoa ireo orinasa efatra voafantina dia tsy midika ho niniana natao ny fanilihana ireo anny INDITEX, ary dia notsindrianny mpikarakara aza fa manatombo ny olan ireto farany mahakasika ny fisitrahana ny zo sasany indrindra ny zo sendikàly. Ny fanadihadiana taminny 2021 dia namoaka fa hoanny orinasa ANTA1 sy ANTA5, dia nolavinny mpampiasa ny zo sendikàly sy ny zo hisolo tena ny mpiasa, ary izay indrindra no nahatonga ilay torohevitra ao aminny teboka 6.4 aminity tatitra ity. ­Mahakasika ny fampidirana ireo orinasa vaovao miisa 2 kosa dia noho izy ireo Mpamatsy ny Marika ASOS, sy noho ny fisianny sendikà mpikambana aminny IndustriALL ao anatiny. 2.3. Ny tondro Mivondrona ho telo ny tondro nofaritanny tetikasa ary ampiasaina izany ho fandrefy aminity tombana ity. Ankoatrizay, ilaina ihany koa ny mampahatsiahy azy ireo etoana araka ny famaritana voarakitra ao aminny tetikasa: 2.3.1. Ireo tondro mamaritra ny habetsaky ny olona sy ny orinasa iantefana ­IndustriALL dia hanome tantsoroka ara-tekinika iray sy fampiofanana iray ho anny mpiandraikitra sendikàly 25 hatraminny 30 isa ka ny 40% dia vehivavy; ­Ny mpikambana ao aminny IndustriALL dia hampiakatra ny tahanny mpikambana ao aminny sendikà any aminny ozinina 3 hatraminny 5 izay mamatsy aminny sehatra iraisampirenena; ­Farafahakeliny orinasa mpamokatra iray ao aminny faritra no iantefanny asa nasionaly sy ny fananganana tambajotra; 2.3.2. Ireo tondro mifandraika aminny fahaiza-manao sendikàly ­Ny mpikambana ao aminny IndustriALL dia mifototra indrindra aminny fanamafisana ny fahaiza-manao ny fifampiraharahana iombonana: ny lafiny ara-drafitra(ekipan ny fifampiraharahana iombonana), ny lafiny tekinika(tohankevitra) ary ny lafiny fanentanana(serasera, fametrahana ny tambajotra sy fanetsehana), mba hiadiana aminireo olana nisongadina nandritra ny fanadihadiana, araka ny fomba famahana fifanolanana na fandrafetana fifanarahana iombonana iraisanny mpampiasa Mpamatsy; ­Ny mpikambana ao aminny IndustriALL dia nampiditra ny resaka momba ny karama (ny karama mahavelona sy/na ny karama farany ambany izay ambony kokoa):(1) mahalala bebe kokoa ny firafitry ny karama, ny fifandraisanny karama sy ny fepetra arakasa, anisanizany ny ora iasana, ny fahaiza-manao, ny taha-pamokarana ary ny 5 Aminny ankapobeny dia noho ny tsy famelanny mpampiasa azy ireo handeha hiofana 12